Sendra tsiky
mahababo iky
toa hahazoana fanampiana
amin'ny andro fahoriana
Ny anjonanjonao
toa tsy mivaky loha
nataoko toy ny kilalao
na dia mampivadi-po
Mahafinaritra ahy
ny hantahantan-dry
izay efa nampanahy
hay nampitombo ny fitia?
Tojo ilay toloko
nandratra izato foko
saiky hiova loko
nefa voatanan-drojo
Ny foko injao nilefa
tsy nivezivezy anefa
fa tonga hiantefa
hiantefa aminao
Amin'ny fitia tsy mety lany
ary tsapako avy hatrany
fa mihavao, hihavao
ho anao irery ihany.
Jentilisa
15 novambra 1991
-52-
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire