26.4.12

Avy Mangataka Izahay...


Avy mangataka izahay
Ka indreto izahay
haka ny anay
Inona re no alainareo
Fa omena anareo
raha mbola eo?
Ny teninay re no alaina
Fa ilaina
mba hajaina
Iza re no haka azy
Iza no sahy
Mitsangana!
Indreto avy izahay
Hamelona indray
K’atolory amin’izay
Amin’ny firy no fotoana
fa tsy ataotao foana
ndrao lasan’ankaso
Izao dieny izao re no fotoana
Fa vonona foana
Mba hamelomaso
Apetraho aloha ny safidinareo
Sao mora leon’
Ny ala-safay
Ny safidinay dia efa vita
Iriana ho tafita
satria iny no anay.
… … … …
Jentilisa
02 jona 1993




-1-

Aucun commentaire: