19.4.12

Eto An-Tany Ny Paradisa? Teo Ampandrenesana ny Conquest Of Paradise

Gaga ihany ny tena fa dia nahoana loatra no mangina tsy mahasoratra lava ireo mpanoratra mahasahy mametraka ny anarany na solon'anarany amin'ny diam-peniny eto Madagasikara? tratran'ny fahasahiranana ve? Tsy manam-potoana intsony ve? Sa ankona tanteraka manoloana ny zavamisy? Zava-pitranga izany ka tsy tokony hahakivy.

Fa ity misy zavatra ambarako aminareo. Milaza ny tsy fahalalako zavatra mihitsy aho eto na misy ny taranja tena tsy manavanana ahy loatra ka taraiky aho. Hatramin'ny nanombohan'ny tolona laoranjy dia mba te-hahalala ilay feon-kira fandefasan-dry zareo mialoha ny hanentanana ny olona iny aho. Tsy misy mahalala izay lohateniny, tsy misy mahalala izay tonony ny olona anontaniako. Samy vendrana amin'ilay taranja koa angaha no mifanontany ka tsy nahazoam-baliny an-taonany mihitsy ny fanontaniana.

Tampoka teo, ny marainan'ny 18 avrily 2012, indro nisy siokantsera avy amin'ny namana iray nilaza ny lohatenin-kira (Conquest of paradise) sy ny sarimihetsika nampiarahina taminy (1492) na nampalaza azy ihany koa. Rehefa fantatra ny lohateny sy ny namorona azy (Vangelis) dia moramora kokoa ny mitady ny tonony tsy mety fantatra iny. Izaho manokana mitady ny zavatra tahaka ireny hahalalana ny herin'ny teny ao anatiny sy ny hafatra lazainy. Fomba fanaoko manokana izany. Indro ilay izy amin'ny teny anglisy:



Eto aho mandika manokana ny "Conquest Of Paradise" heverina ho an'i Vangelis sy ny dikany nataoko mitondra ny lohateny hoe "Fandrombahana Paradisa"



Conquest Of Paradise

Hmmmmmmmmmm.
Hmmmmmmmmmm.
Hmmmmmmmmmm.
Hmmmmmmmmmm.



There shines a light in the heart of man
That defies the dead of the night
A beam that glows within every soul
Like wings of hope taking flight

A sunny day, when a baby's born
The little things that we say
A special sparkle in someone's eye
Simple gifts, every day

Somewhere there's a paradise
Where everyone finds release
It's here on earth and between your eyes
A place we all find our peace

Come - open your heart
Reach for the stars
Believe your own power
Now, here in this place
Here on this earth
This is the hour
It's just a place we call paradise
Each of us has his own
It has no name, no, it has no price
It's just a place we call home
A dream that reaches beyond the stars
The endless blue of the skies
Forever wondering who we are?
Forever questioning why?

Come - open your heart
Reach for the stars
Believe your own power
Now, here in this place
Here on this earth
This is the hour

There shines a light in the heart of man
That defies the dead of the night
A beam that glows within every soul
Like wings of hope taking flight
Like wings of hope taking flight

Toy izao no dikany manta raha avadika ho amin'ny teny malagasy:

Fandrombahana Paradisa

Hmmmmmmmmmm.
Hmmmmmmmmmm.
Hmmmmmmmmmm.
Hmmmmmmmmmm.


Misy hazavana manjelatra ao am-pon'ny olona
izay mihantsy ny maty [mandeha amin'ny] alina
Taratra mamiratra isam-panahy
Tahaka ny elatry ny fanantenana nahazo sidina


Indray andro mazava, rehefa teraka ny zaza
ny zavatra kely izay lazaintsika
Famiratra manokana ao anatin'ny masony
Fanomezana tsotra, isan'andro


Any ho any misy paradisa
izay afaka daholo ny olon-drehetra
Eto an-tany izany ary eo imasonao
Ny toerana iray ahitantsika rehetra fiadanana


Avia - sokafy ny fonareo
Tratraro ny kintana
Itokiso ny fahefana ao aminao
Ankehitriny, eto amin'ity toerana ity
Eto ambonin'ity tany ity
Izao no ora
Eto ihany ny toerana antsointsika hoe paradisa
Samy manana ny azy ny tsirairay amintsika
Tsy manana anarana io ary tsy manan-tsanda
Fa ny toerana izay antsointsika hoe fonenana
Nofy iray mahahoatra ny kintana,
ny lanitra manga tsy mana-pahataperana
Hanontany mandrakizay hoe iza isika?
Hanontany mandrakizay hoe nahoana?


Avia - sokafy ny fonareo
Tratraro ny kintana
Itokiso ny fahefana ao aminao
Ankehitriny, eto amin'ity toerana ity
Eto ambonin'ity tany ity
Izao no ora


Misy hazavana manjelatra ao am-pon'ny olona
izay mihantsy ny fatin'ny alina
Taratra mamiratra isam-panahy
Tahaka ny elatry ny fanantenana nahazo sidina
Tahaka ny elatry ny fanantenana nahazo sidina

Dia izay no ambangovangon'ny zavatra lazainy. Misy fivavahana ve ao anatiny? Fijeriko manokana hitako ao tsy misy resa-piavavahana mihitsy ao fa ny fitokisan-tena, ny fanahin'ny olona ho toy ny hazavana mitarika azy no tena mibaiko, raha misy ny paradisa hoy ny filazany dia eto an-tany ihany, eo amin'izay onenanareo. Tsy misy hery hafa izany... izay no ambangovangon'ny  hafatra nampitainy. Fanandratana ny vitan' olombelona, ny fahaizan'olombelona, ny fanokafana ny maso milaza fa eo amin'ny misy azy ihany no ahitany ny fiadanana. Samy manana ny inoany sy ny atokisany tokoa ny tsirairay.



Misy tohin'ity resaka ity ato

2 commentaires:

Anonyme a dit…

What if ... reconquering the paradise

Efa tamin'ny 17 janv 2009 no navoakako io hira io an ... :)

jentilisa a dit…

Hitako ny rohy fa noheveriko ho sarimihetsika tamin'izany fotoana izany dia tsy noheveriko loatra... Raha nihaino anefa aho tamin'izany dia nandre soa amantsara