16.11.11

Ny Anay dia Tsotra Ihany

Indraindray dia tsy te-hamelona radio maraina izany fa voasintona hihaino ny lazaina fa adihevitra hatrany. Rehefa adihevitra anefa no tenenina tahaka ny haka lagy vao maraina manao izay tsy hampazoto miasa fotsiny. Raha vao tsy mahara-baovao dia tahaka ireny inona ireny tokoa, saingy raha vao mahita ny lohatenin-gazety fotsiny dia mihomehy irery amin'ilay adihevitra heno vao teo fa dia tena resaka diso adiresy sy fanenjehana ranoiray.

Eo am-piandrasana ny famoahana ny mpikambana governemanta avokoa ny rehetra amin'izao fotoana izao. Rahampitso no fe-potoana amoahana izany lisitra izany araka ny tondrozotra. Eo no ifantohan'ny resaka amin'izay lazaina fa adihevitry ny samy mpihaino. Avy hatrany dia ny fanamelohana ny ankolafy izatsy na izaroa ho mihoatra ny lazain'ny tondrozotra sy lazaina ho "mpanakorontana" ahatsiarovana ny fahavalon'ny revolisiona sosialista tamin'ny fotoan'andro ho "mpanohariana" no misesika sy ifandimbiasana iantsoana.

Raha jerena ny antontan'isan'ny mpiantso sy ny firehana ananany androany dia olona roa monja no nanana ny firehan'ny mpanohitra fa ny ankoatra izay ireo manameloka ny ankolafy Zafy sy Ravalomanana ho mpitady seza sy tsy mahalala afa-tsy ny tombontsoan'ny tenany avokoa. Izany hoe raha araka ny mpiantso no heverina dia tokony hahazo ny 95% any ho any ny mpanohana ny tetezamita ankehitriny raha raikitra ny fifidianana. Asa aloha raha izay tokoa ny ho fandehany rehefa avy izay fifidianana izay. Enga anie hisy izany...

Ny tsy zakan'ny mpiantso izay "mitovy hevitra avokoa" dia ny tsy fanekena ny fanasahana ny isan'ny minisitra eo amin'ny mpanohitra sy ny mpanohana ny fitondrana, ary indrindra indrindra, tsy tokony hahazo minisiteran'ny fiandrianam-pirenena mihitsy ny avy amin'ny fanoherana. Tahaka izay sitrapon'ny mpanohitra foana ve no tanterahina? Efa be izay fandeferana nataon'ny PHAT izay ka mapy izay (efa matetika loatra koa nandrenesako izay feo izay). Eo indray ny tsy fanekena tsotra izao ireo mpikambana natolotry ny avy amin'ny fanoherana fa tahaka ny hoe fiantsiana raha ireo olona ireo no tendrena ho minisitra. Angamba ny tadiaviny dia olona mpanohana ny FAT tahaka ny nanoloran'i Zafy Albert an'i Beriziky izay olon'ny Leader-Fanilo koa no tadiaviny ataon'ny mpanohitra.

Fa ny somary mampihomehy amin'ireo mpihaino ireo, izay mpiantso isan'andro ny ankamaroany, dia manana fomba fiteny mitovy avokoa izy ireo eo ampanombohan'ny resaka. Io nataoko lohateny io izy: Aorian'ny arahaba dia mandeha amin'izay ny fanombohan-dresaka hoe ny ahy dia tsotra ihany, ny anay dia tsotra ihany. Na olona rendremana aza lasa mahatsikaritra izay fanombohan-dresaka izay. Misy moa no fantatra fa mamaky teny ny zavatra lazainy. Dia eo ny mahalasa ny eritreritra fa dia saiky fehezanteny iray na roa ihany no miova isan'olona. Tsianjery anie izany. Vao nijery ny lohatenin-gazety hoe misy tsy eken'ny PHAT ny lisitra nalefan'ny PM dia hoy aho anankampo hoe fa iza tokoa no manakana ny fananganana ny governemanta araka ny tokony ho izy?

Aucun commentaire: