10.11.11

Voakarama sa diso mafana fo?

Raikitra hatrany ny adihevitra raha vao misy ny fotoana azo anaovana izany eny amin'ny fampielezam-peo. Mahavariana fa mitady ho hay tsianjery isaky ny olona miantso ny zavatra hambarany. Izany hoe efa fanta-peo avokoa ny ankamaroan'ireo miteny sy zavatra lazainy. Lasa mankaleo indraindray ny mihaino azy fa tsy mitoetra intsony ny tena adihevitra raha izay no heverina ho kinendry amin'ireny fandaharana ireny.

Azo ambara fa tsy fifandresen-dahatra intsony no mipetraka fa samy mamoaka ny heviny sisa. Ny mampalahelo amin'ny fandaharana dia izao. Rehefa misy ny zavatra tsy zaka amin'ireo mifanohi-kevitra amin'ny sasany dia mandrahona amin'izao hoe fantany tsara iny olona iny fa mpanao izatsy na mpanao izaroa, ohatra: mpividy fanamiana miaramila, mpampirevy miaramila hahazoana vaovao... Mivadika fandrahonana ankolaka ny raharaha fa dia mahagaga tsy manitsy ny karazan'olona tahaka ireny ny mpanentana amin'ny fandaharana.

Ny mampiavaka ny fandaharana ihany koa tao ho ao dia saiky vehivavy ny ankamaroan'ireo miditra, izany hoe lasa vehivavy indray ve izany no tena mpiady hevitra politika? tsikaritra amin'ireo tena mpiverimberina misolelaka amin'ny fitondrana ankehitriny ireny anefa dia ny fananjehana hatrany ny ankolafy iray... izay rehetra miteny dia ambara ho mpanakorontana na mitady fanakorontanana. Raha ny resaka famoahana gadra politika ny resaka dia lasa fandre ny hoe "tsy omby avoaka am-bala" izany fa misy lalàna. Tsy mety tsaroan'ireny olona ireny ve fa efa nisy ny toe-javatra tahaka izany indrindra tamin'ny 21 marsa 2009 raha "navoaka am-bala" tsotra izao ny "gadra politika" tao Tsiafahy ka nafindra tetsy amin'ny Resto Gasy? Rehefa raharaham-pitsarana anefa dia tsy mandeha maningana sahala amin'izany ny raharaha fa lasa fanombohan'ny fomba fanao izy ireny. Sady mazava tokoa anie fa fampitoniana ny olona tokoa na fampitoniana ny raharaha politika mafanafana tokoa ny famoahana ny gadra politika indrindra fa ireo nosamborina nandritra ny fotoam-pihetsiketsehana politika.

Aucun commentaire: