Accéder au contenu principal

Loza manambana?

Nahita ny zava-nitranga tamin'ny faran'ny herinandro dia variana ihany. Hetsika sosialy tsy hay tohaina ve? Ny andaniny miasa handaminana ny tanàna mba tsy ho korontana (fa tsy gidragidra) no ahitana an'Antananarivo sady mampihatra lalàna, ny ankilany kosa miavo-tena hamelomana ny tenany sy ny vady aman-janany eny amin'ny toerana tsy manara-dalàna.

Resaka fivarotana amoron-dalana sy tafiditra anaty lalana eto Antananarivo ihany izany tononina eto izany. Ny alahady lasa teo teny Mahamasina dia nisy ny fifandonana teo amin'ny polisy kominaly sy ny mpivarotra amoron-dalana noho ny resaka fandraofan'entana. Io fandraofan'entana io no tena fototr'ilay gidragidra satria heverin'ny mpivarotra tsy manara-dalàna ho fangalarana ny entany izy io. Ny maraina anefa hakan-dry zalahy vola 500Ar ireo mpivarotra ireo ho toy ny fiantohana fa tsy esorina amin'ny toerany amin'io andro io. Nisy ny naratra ary nisy ny fisamborana tamin'io fotoana io.

Nitohy ny alatsinainy izany gidragidra izany, araka ny nambaran'ny gazety, ka teny Analakely indray no kianja nifandonana. Hitako tsipalotra fa teny ambony kamiao daholo ry zalahy mpandroaka entana fa tsy hitako nandeha an-tongotra nandroaka entana ny folakandro nandalovako teny. Tsy nahalala aho fa efa nisy zavatra nitranga teny Analakely (Ambodifilao, Soarano, Behoririka) tamin'io fotoana io fa ny mpivarotra kosa teny amin'ny toerany ihany. Antokon'olona tsy manara-dalàna no mivondrona ka sarotra ny raharaha rehefa tsy miditra fanapahan-kevitra hentitra mety mahatonga firohotana tsy ampoizina ihany koa anefa.

Izay no loza manambana: mivondrona ny olona efa nampianarina hivondrona efa ho telo taona izao ary miaraka amin'ny herisetra. Ny mampiavaka azy ny vondron'olona "sahirana" saingy ao anatin'ny tsy manara-penitra amin'ny zavatra ataony no mivondrona fa tsy sarangan'olona antonony izay tsy hita intsony. Mbola misy fanantenana kokoa ireo noho ny saranga antonony tsy mahay mivondrona 

Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog

Tany mampitsiriritra loatra maha-te haka?

Hatramin'ny fotoana nifindranay nankaty Isahafa tamin'ny taona 2016 dia tsy nisy taona voadingana ka tsy andrenesana olana ara-tany. Raha ny samy eto an-toerana moa maninona fa olona any ivelany hatrany no te-hamabo azy ho an'ny tenany na ho an'ireo mpiray tombontsoa aminy.    Midadasika mora anorenana rahateo ilay izy ka izay mahita dia mihevitra avy hatrany fa tsy misy tompony, na raha misy tompony aza dia tsy raharahiana fa alaina ihany. Noho izany toe-javatra izany dia lasa zatra amin'ny fomba fiasan'ireo mpaka tany ny mponina, efa nisy niharan'ny fitoriana ho nanao herisetra ka saika nidoboka, fa nisy koa ny nidoboka kely mihitsy ho fandrahonana hoe manana ny hery raha miseho manohitra ny fakanay io tany io. Asa efa vita vaksiny amin'izany ve ny mponina ka na teo aza izany dia mbola nivondrona ihany ny olona hiaro ny tany. Tanin'ny voanjo saingy alohan'izany dia tany manan-tantara satria kianja nanaova-matso miaramila amin'ny fomba tandr...

Kianja Isahafa: fananana iombonana, fananana manokana

Filazana mialoha: Ny lahatsoratra etoana dia fampahafantarana sy fanentanana. Raha sanatria misy loza na voina mahazo ahy, indrindra amin'ny resaka raharaham-pitsarana mety tsy ho ampoizina, dia azo heverina ny mety ifandraisany amin'ity fampahafantarana sy fanentanana sy ny tohiny. Ny tanànan'Isahafa dia fokontany iray ao anatin'ny kaominina Anosy Avaratra distrikan'Antananarivo Avaradrano. Teo amin'ny tantaran'i Madagasikara, teo amin'io Isahafa io no nanaovana fanazarantena sy matson'ny tafika voalohany indrindra naorin-dRadama Rainy. Vavolombelon'izany ny tsangambato na ny orimbaton'Isahafa, avy eo ampidirana atsinanan'ny tanàna.   Feno 200 taona amin'ny 4 avrily 2022 ho avy izao ny nananganana izany orimbaton'Isahafa izany izay fanaovan'ny miaramila fianianana fa tsy hihemotra amin'ny ady ka manaiky ny hovonoina (hodorana velona) izy raha sanatria mihemotra na mitsoaka ady. Mifanindran-dalana amin'izany ihany koa...

Manoloana ny rivodoza na loza voajanahary hafa

  Tamin'ny taona 2017 nandalovako tany Colombo, Sri Lanka, no nandalovan'ny rivodoza tao koa. Tanàna amoron-dranomasina io, ka mazava loatra fa mafy ny rivotra entin'izany rivodoza izany. Fa tsy nisy loatra ry zareo ny fotodrafitrasa potika a! Ny hazo sy ireo fafana lehibe rantin-dokambarotra ireny dia ekena hoe miondrika na tapaka mihitsy fa vitsy ny trano simba na niala tafo. Anisan'ny tratra tamin'izany ny tao amin'ny efi-pilanonana sady fitazatazanana ranomasina ilany ambony havia amin'ny sary hitanao. Tsy niandry na nangataka fanampiana fa tapakandro ihany raha be dia tafaverina amin'ny laoniny ny tafo izay nikipaka manontolo ny ilany. Nihomehy ahy ilay namana malagasy avy any ampitan-dranomasina tafaraka tamiko tao nahita ny tahotro tamin'izany sady nampahery hoe aza matahotra ianao fa tsy maninona izany aty e! Hay moa izany efa natao ho afa-misedra rivodoza avokoa ny fanorenana any amin'ireny tanàna ireny.  Ny taty amintsika saika hanorina...