Accéder au contenu principal

Articles

Hainon'ny Bilaogera # écoute du président

Hitantsika any ambadimbadika any fa nanatontosa izany hoe "écoute du président" izany ny PHAT. Anarana amin'ny teny frantsay... izay tsinona no tsaratsara kokoa sy manintona kokoa vokatry ny fitaizana na fampianarana ho amin'ny teny frantsay, hany ka io teny frantsay io no mora ampiasaina kokoa. Ny tena kosa, noho ny fandalàna ny teny malagasy, na dia tsy manintona loatra aza ny teny malagasy ankehitriny, dia mba mandika azy ho amin'ny hoe "Hainon'ny mpamaham-bolongana" na "Hainon'ny Bilaogera". Raha nanao io fizarana vola izay miendrika propagandy mialoha ny fotoana io ny PHAT dia tahaka ireny hoe mihaino ny vahoaka sahirana na ny vahoaka madinika ery. Dia tahaka ny hoe mitsinjo azy ireo tokoa ary manome vahaolana ho amin'izany. Betsaka ery ny faly amin'ilay fihetsika ary mirehareha hoe izany no tena filoha mihaino ny feom-bahoaka sy mahalala fa sahirana ny vahoaka. Mihaino tokoa angamba izy fa ilay vahaolana kosa tsy ekeko ...

Vita Afomanga -Miverina delestazy

Manana hafetsifetsena tanteraka ny mpitantana ao amin'ny JIRAMA ao ka! andro vitsy mialoha ilay afomanga teo iny dia mody tsy nasiana delestazy mihitsy ny teto an-tanàna, mety ho maro manko ny ompa hoe ny jiro tsy arehitr'ialahy koa izahay no mody tambatambazana amin'io afomanga io. Noheverina ho nahita ny vahaolana tampoka ry zareo (ary sao dia misy ilay vahaolana fa mba lalaovina isika e? nahoana no vita ihany ny tsy nampanao delestazy?) Kanjo ankehitriny miverina miaina soa aman-tsara amin'izany delestazy izany indray. Manahy aho fa misy fika masiso izao... Ny sary dia nalaina tetsy 67ha ambadiky ny FJKM Salema Vaovao nanaovana ilay fivoriana fahatezerana manoloana ny ataon'ny JIRAMA

Repoblika faha-tetezamita

          Raikitra indray ny resaka hoe tokony sa tsy tokony ankalazaina ny faha-herintaona nahaterahan'izany repoblika fahaefatra izany. Dia lasa adihevitra tsy izy ny fanontaniana hoe ka Repoblika fahaefatra ary isika izao sa mbola tetezamita? Ny fantatro hatreto dia mbola anaty tetezamita tanteraka isika nefa ny mpitondra tetezamita manao fety repoblika fahaefatra. Tetezamita saingy tsy manana fandaharam-potoana matotra amin'ny fikarakarana ny fifidianana isan'ambaratonga. Ka rehefa tsy manana fandaharam-potoana matotra amin'izany nefa mifety zavatra tsy mbola tonga dia hafahafa ihany.           Dia hoy aho hoe ianao mpitondra tetezamita izay natao ho toy ny vonjimaika ihany ve no hankalaza tsingerintaona tsy izay hampaharitra anao ela indrindra eo amin'ny fifidianana no katsahinao? Tokony ho menatra aza ianao fa tsy mety mampita ary karazany mikendry ny tsy hampita na oviana na oviana ny...

Ny mitam-piadiana ihany no mahazo valiny mahafa-po

Asa tokoa na hanao ahoana na hanao ahoana ny tohin'ny tantara eto Madagasikara. Toa tsy mba mety malaza ny zavatra tsara na misy fikarakarana ho amin'izany rahampitso. Ny voamarika, mety ho namoaka ny vaovao tany amin'ny valan-tserasera ananako rehetra aho ( réseaux sociaux) faramparany teo saingy izay nosotarako tao anatin'ny herinandro dia nahatratra ny antsasaky ny mpamaky taoriana kelin'ny fandrobana lehibe tamin'ny 26 janoary 2009. Efa ambavahoana ve sa efa tafalatsaka tanteraka ny toe-draharaha teto Madagasikara raha nihoatra lavidavitra ihany noho ny mahazatra ny mpamaky amin'ny bolongana anankiroa? Raha nanoratra ny momba ny rotaka teny Behoririka nandrobana ny Shinoa aho dia nilaza mazava fa tsy hisy tohin'ny fihetsiketsehana izany... dia hitantsika fa dia any amin'ny Fitsarana ihany no mitohy ny raharaha, toa tsy efa noadinoin'ny olona tanteraka ny momba azy iny. Raha nanoratra indray ny raharaha halatra diadema (satroboninahitra) ten...

Reraka avy nanao sarinady?

Fa misy ny Haino Aman-Jery (HAJ) mety hanorisory ny mpitondra sasany na sivily na miaramila, na dia eo ampanaovana ny asany ara-dalàna aza ireny HAJ tsy miankina ireny. Ny andron'ny fihetsiketsehana teny Ivato iny ihany. Tsy lavitra loatra izany toerana antsoina hoe Ambohimamory izany, nisy fanafihan-jiolahy fa tsy nety tonga teny mihitsy ny mpitandro ny filaminana, araka ilay vaovao izay azonao jerena eto . Nivilana ny fefy na vavahady vy... ireny mihitsy no nahatonga ny anarana hoe famakiana trano satria misy zavatra potehina na vakiana, fa tsy laharam-pahamehana ireny satria tsy mampidi-doza ny "filaminana" amin'izao fotoana izao. Koa iza no mbola tsy mety resy lahatra fa sarinady iny teny Ivato iny hatramin'izao?

Olom-boatendry Mifampifidy?

Dia variana amin'ny fihetsiketsehana tokoa ny olona fa dia fifidianana sarintsariny no natao dia tahaka ireny hoe nisy fifidianana tena izy ireny tokoa tao amin'ny kongresin'ny tetezamita tao. Olomboatendry ranoiray no any amin'ireny lazaina ho kongresy sy Filankevitra rehetra ireny ka tsy dia misy dikany loatra sady tsy maneho ny endrika demokratika velively ny fifidianana birao sy filoha any amin'ireny andrim-panjakana ireny. Mbola endrika fitaka iray hafa ihany koa no nolalaovina teo anatrehan'ny vahoaka. Ka iza sy iza avy no tiana hofitahana amin'ny resaka fifidianana tahaka ireny? Inona ny fifanarahana vita tany ambadika tany tamin'ireo antokon'olona nifidy an'i Mamy Rakotoarivelo? Sa karazandrazan'ny tohin'ny soridalana vita tany an-drenivohitry ny tany Afrikana taloha ireny ihany dia mba omena fahafaham-po kely tao anaty faharesena ny ankolafy Ravalomanana? Ny Malagasy sy ny Fiarahamonina Iraisampirenena izany no tadiavina fitahi...

Voromby Ivato fanodinan-dresaka

Nalaza indray izao voromby nambara ho tsy ara-dalàna izao. Fitaka sy fampisehoan-kery taoriana fikarohana satroboninahitra heverina ho nandamoka ihany anefa iny hazolava (antso vonjy) sandoka iny. Nokendrena mihitsy mba ho voromby avy any Afrika Atsimo no nolazaina ho manao zavatra tsy ara-dalàna teto Madagasikara sy mandika ny lalàna iraisam-pirenena momba ny fifamoivoizana. Fantatry ny mpitandro ny filaminana fa tsy ho hita intsony ilay satroboninahitra very dia mitady zavatra hafa hanodinana ny sain'ny olona ry zareo. Dia iny hitan'ny besinimaro ho nanao fihetsiketsehana iny ary nidehaka aza ilay tompon'andraikitra fa tafapetraka atsasakadiny mialoha ny nipetrahan'ny voromby teo amin'ny seranana ny mpitandro ny filaminana rehetra nanemitra ny seranam-piaramanidina. Izany hoe tsy azoko loatra fa noterana tsy hahazo hipetraka an-tany izany io voromby io mandra-pahatongan-dry zareo. Manjary lasa manoratra ny tena hoe raha tena mahavita ataovy izay ahitana hainga...

Satroboninahitra Ranavalona Reniny Nangalarina

Toy ny fahatezerako tamin'ny 6 novambra 1995 indray ny fahatezerako amin'izao fotoana izao. Tamin'izany fotoana izany Rova iray manontolo no nopotehina. Ankehitriny kosa izay sisa tavela indray no nangalarina. Ny nahavariana dia izay nisy sanda indrindra ary iny ihany no nangalarina. Tsy te-hiampanga na iza na iza aho sady manentana ny rehetra tsy hanameloka be fahatany ihany koa. Fa raha misy ny milaza fa fanakorontanana ataon'ny mpanohitra io dia afaka milaza ihany koa ny mpanohitra fa fitadiavam-bola tafahoatra ataon'ny mpitondra io na mba hevitra hafa ihany koa. Afaka manao lahatsoratra manokana ho amin'izany ihany koa aho. Ny satroboninahitra kely nalaina tao amin'ny tahirin-kevitr'i Grandidier tsy fantatsika izay manjo azy amin'izao fotoana izao. Fa lasa ny saina. Nahoana moa no tsy azo alaina sary ireny vakoka ireny e? Amin'izay very ny fitadidiana ny endriny? Amin'izay rehefa ovaina ilay vakoka dia tsy misy mahafan...

Tsy hitako izay itsenana azy

Miala tsiny raha elaela tsy nanoratra teto. Efa nisy ny fikasana hanoratra fa ny fitadiavana mahazaka maniraka, hoy ny fiteny izay. Tsy afaka ivalamparana loatra ny zavatra tsy idiram-bola tahaka itony, na dia tena iondanana tokoa aza. Tery ihany hanoratra fandrao miandry ny hevitra na fomba fijery andrasan'ny mpamaky. Raha ny resaka rotaka tetsy Behoririka aloha dia efa nanoratra ny momba azy io ihany aho any ambadika any . Ny nahatery hanoratra dia ny filazan'ny mpitarika iray etsy amin'ny Magro fa Hitsena an-dRatsiraka ary hitaona ny mpiara-mitolona aminy hitsena ity olona ity iray ihany koa. Izaho dia tsy mankasitraka velively izay fanentanana izay. Manabe isa ny olona tonga eny izay tsy tohanana akory izany no sady fanakiviana mihitsy, fijeriko izay, ireo mpitolona ireo. Tsy ho amin'iny olona iny no nitolomana ary ny manaraka tantara dia mahafantatra fa anisan'ny atidohan'ny nanonganana ny filoha voafidy farany teto Antananarivo izy. Ny fiantra...

Ny Anay dia Tsotra Ihany

Indraindray dia tsy te-hamelona radio maraina izany fa voasintona hihaino ny lazaina fa adihevitra hatrany. Rehefa adihevitra anefa no tenenina tahaka ny haka lagy vao maraina manao izay tsy hampazoto miasa fotsiny. Raha vao tsy mahara-baovao dia tahaka ireny inona ireny tokoa, saingy raha vao mahita ny lohatenin-gazety fotsiny dia mihomehy irery amin'ilay adihevitra heno vao teo fa dia tena resaka diso adiresy sy fanenjehana ranoiray. Eo am-piandrasana ny famoahana ny mpikambana governemanta avokoa ny rehetra amin'izao fotoana izao. Rahampitso no fe-potoana amoahana izany lisitra izany araka ny tondrozotra. Eo no ifantohan'ny resaka amin'izay lazaina fa adihevitry ny samy mpihaino. Avy hatrany dia ny fanamelohana ny ankolafy izatsy na izaroa ho mihoatra ny lazain'ny tondrozotra sy lazaina ho "mpanakorontana" ahatsiarovana ny fahavalon'ny revolisiona sosialista tamin'ny fotoan'andro ho "mpanohariana" no misesika sy ifandimbiasana ia...