16.12.11

Hainon'ny Bilaogera # écoute du président

Hitantsika any ambadimbadika any fa nanatontosa izany hoe "écoute du président" izany ny PHAT. Anarana amin'ny teny frantsay... izay tsinona no tsaratsara kokoa sy manintona kokoa vokatry ny fitaizana na fampianarana ho amin'ny teny frantsay, hany ka io teny frantsay io no mora ampiasaina kokoa. Ny tena kosa, noho ny fandalàna ny teny malagasy, na dia tsy manintona loatra aza ny teny malagasy ankehitriny, dia mba mandika azy ho amin'ny hoe "Hainon'ny mpamaham-bolongana" na "Hainon'ny Bilaogera".

Raha nanao io fizarana vola izay miendrika propagandy mialoha ny fotoana io ny PHAT dia tahaka ireny hoe mihaino ny vahoaka sahirana na ny vahoaka madinika ery. Dia tahaka ny hoe mitsinjo azy ireo tokoa ary manome vahaolana ho amin'izany. Betsaka ery ny faly amin'ilay fihetsika ary mirehareha hoe izany no tena filoha mihaino ny feom-bahoaka sy mahalala fa sahirana ny vahoaka. Mihaino tokoa angamba izy fa ilay vahaolana kosa tsy ekeko velively. Ny zavatra hitako dia fampiankina-doha ny olona hanatena vola sy fanampiana lava no atao ary mametraka ihany koa hoe tsy ny olona rehetra no omena na dia efa mihoatra ny 3/4 n'ny mponina eto Madagasikara aza no miaina anatin'ny fahantrana fa izay tsongaina ihany.


Haino Aman-Jery iray  nilaza ny vaovao antoandro no nandrenesako fa natao tao anaty valopy ny vola fanampiana avy eo ary tsy misy maribola mipetraka fa izay ao anatiny ao fotsiny. Mazava loatra fa toy ny hoe tsy misy mangarahara ny vola zaraina. Eo dia efa manahirana satria ny totalin'ny vola zaraina no nolazaina, tsy misy ny kaonty mazava na rosia nandraisana ny vola sy ny sandany, araka ny eritreritro fa tsy nanatrika tao ny tena. Rehefa tsy mangarahara anefa ny fitantanana dia resaka fanodinam-bola avy hatrany ny ao an-tsaina na dia tsy voatery hisy aza izany; tsy maintsy mipetraka ny ahiahy e!

Nolazaina moa fa misy avy lavitra mihitsy ireo olona ireo no nandeha tao amin'ilay toerana. Nandeha inona izany ireo olona ireo nankao? sa notaterina manokana? Efa voakaonty anaty fandaniana ve izany? Raha io isa io sy io maribola io no kajikajiana dia mahazo 225.000 Ariary eo amin'ny ankapobeny izany izay mangataka. Lasa ny saina: hahatsangana varotra va re izany? sa ho lasa hanaovana fety amin'ity faran'ny taona ity fotsiny ihany? Tsy hametraka tsikera be loatra momba ny toerana nanaovana ny fanampiana izay miankina amin'ny fiangonana aho satria tsy te-hametraka adihevitra hiteraka fisaraham-bazana ara-pivavahana loatra na dia heveriko fa tena tsy mety mihitsy aza ny safidin'ilay toerana.

Dia mety ho avy ny filazana hoe izy ary manampy fa taiza ny nataon'ny taloha? dia tsotra: ny an'ny taloha ny zaza rehetra tany amin'ny sekoly fanabeazana fototra no nahazo na any amin'ny sekoly tsy miankina na miankina amin'ny fanjakana. Ny sekoly sasany no mety ho niavona tsy te-handray fa tsy nanavahana ny nanomezana azy dia ireny antsoina hoe "kits sclolaires" ireny ka tafiditra amin'izay ny aron'akanjo miloko maitso antitra ireny. Ny tsy anavahana saranga tahaka izany no tadiaviko satria olona an'hetsiny no nahazo fa tsy 300 na 3000, ary manerana an'i Madagasikara fa tsy Antananarivo sy ny manodidina irery.

Ka inona ary no mba hainon'ny bilaogera? Ny feon'ny fieritreretany no henoiny ka zarainy aminareo...

Aucun commentaire: