Tany mampitsiriritra loatra maha-te haka?


Hatramin'ny fotoana nifindranay nankaty Isahafa tamin'ny taona 2016 dia tsy nisy taona voadingana ka tsy andrenesana olana ara-tany. Raha ny samy eto an-toerana moa maninona fa olona any ivelany hatrany no te-hamabo azy ho an'ny tenany na ho an'ireo mpiray tombontsoa aminy. 


 

Midadasika mora anorenana rahateo ilay izy ka izay mahita dia mihevitra avy hatrany fa tsy misy tompony, na raha misy tompony aza dia tsy raharahiana fa alaina ihany. Noho izany toe-javatra izany dia lasa zatra amin'ny fomba fiasan'ireo mpaka tany ny mponina, efa nisy niharan'ny fitoriana ho nanao herisetra ka saika nidoboka, fa nisy koa ny nidoboka kely mihitsy ho fandrahonana hoe manana ny hery raha miseho manohitra ny fakanay io tany io. Asa efa vita vaksiny amin'izany ve ny mponina ka na teo aza izany dia mbola nivondrona ihany ny olona hiaro ny tany.

Tanin'ny voanjo saingy alohan'izany dia tany manan-tantara satria kianja nanaova-matso miaramila amin'ny fomba tandrefana voalohany teto Madagasikara tamin'ny marsa 1823 (tsy diso io!), ary talohan'i Mahamasina. Izany ilay kianjan'Isahafa mahasarotiny ny mponina. Efa nandalo teo ny tetikasan'izany Filoha Ravalomanana izany hametrahana ny Fonjabe eto saingy tsy nankatoavin'ny mponina izany. Efa kianja ve dia ovaina zavatra hafa indray?


 


Androany 19 marsa 2026 ary, nahatsikaritra olona iray mitondra môtô ny mpivarotra iray manirery eo amin'io lembalemba be io, mivezivezy ranamana mijery ny toerana ijanonana manakaiky ilay toerana maha-sarotiny. Nilaza tamin'ny olom-pantany hanaitra ny fiaraha-monina fandrao misy zavatra hafahafa hitranga. Tsy diso ilay ahiahy satria nandeha ihany ranamana rehefa niandrasana fotoana elaela. Kanjo hay nisy hafa efa hisolo toerana azy, mitondra môtô ihany koa. Tsy mitsahatra ny misy olona antsoina hatrany ireo olona lasa narahimaso ireo. Hay koa tao amin'ny takotakona tao efa nisy fiara matroka mitondra takelaka mena efa namoaka fitaovana efa vonona ny hangady tany ny olona tao aminy. Avy amin'ny Minisiteran'ny Fitsarana, hono, ry zareo ireo ary handrefy indray ny titre 2049-BAV mitondra ny anarana JUSTICE, izay mirefy roa hekitara mahery, fa tsy hitan-dry zareo tsara ny misy ny toerana. Tafiditra tao anatiny soa aman-tsara ilay kianjaben'Isahafa ary raha ny haben'ny tany horefesiny dia mety ho tafiditra na ho alainy ihany koa ny ampahany amin'ny tanin'ny sekoly eto an-toerana. Ny laharan'ny tany mety ho voakasika izany dia ny kadasitra laharana 1086, 1088 ary 1089. Vory vetivety ihany ny vahoakan'Isahafa rehefa hoe tany no horesahina.


 


Tonga ihany koa ny avy ao amin'ny Topo saika hanatontosa ny bornage fa gaga rehefa nahita olona vory sy mitaky ny taratasy mazava momba ny iraka sy ny certificat juridique azo vakìna tsara fa tsy manjavozavo tsy misy hojerena. Tsy neken'ny mponina ihany koa raha baiko am-bava avy any ambony no hanatontosana izao zavatra saropady sy mahasarotiny izao. Ny tena mampiahiahy ny olona dia ny fotoana izay tsy misy minisitra mbola miasa amin'izao fotoana izao nefa tadiavina atao letrezana ny tetikasa tsy nisy filazana tamin'ny mponina. 


 

Voalaza moa fa hananganana Sekolim-pirenena hamoaka mpitsara sy mpiraki-draharaha (ENMG) no anton'izao fandrefesana ny kianja sy tany hafa mety ho voasintona ao aminy izao. Androany ary aloha dia nirava maina io kinasa handrefesan-tany io fa mitaky fihaonana amin'ny tompon'andraikitra ny mponina izay handefa solontena amin'izany fihaonana tsy maintsy ahitana ny solombavam-bahoaka mirahalahy eto Avaradrano izay samy ao amin'ny vaomieran'ny fananantany, ny ao amin'ny distrika tarihin'ny lehibeny, ny ao amin'ny Kaominina tarihin'ny Ben'ny tanàna izany. Marihina ihany koa fa ilay kianja dia efa nahazo fankatoavana hanatanterahina ny adina taranja fanatanjahantena amin'ny BEPC sy amin'ny BACC ho an'ny faritra avaratra amin'Avaradrano amin'ity taona 2026 ity.

Commentaires

Anonyme a dit…
Toy izao mihitsy ny fikan'ny mpangalatra tany
jentilisa a dit…
Azonao tsara ny antony hanoratana izao toe-javatra izao