Accéder au contenu principal

Nisy nanota fady ve?


Mankasitraka ny Barea avokoa ny Malagasy tamin'ny zava-bitany nandritra iny fifaninanana eo amin'ny sehatra afrikana iny. Azo lazaina ihany koa hoe mety ny nataony ary hita ny vokatry ny ezaka na dia tena nisy tokoa aza ny fitavozavozana izay tsy afa-miala amin'ny sehatra goavana tahaka ireny. Lasa ihany ny saina hoe fa inona indray moa no mbola naharesy ny ekipa raha lazaina ho mendrika ny nataon'ny ekipantsika?

Tsy misy resaka hoe tsy mahazaka resy fa tena maro dia maro ny nilaza ny fiangarana teo amin'ny mpitsara ny lalao, nisinisy ihany koa ny niteny fa natao izay haharesy ny Malagasy na hoe tsy mahazo mandresy ny Barea. Ny mpilalao sy ny zatra lalao tahaka ireny ihany no mahatsapa fa na inona na inona ezaka ataon'ny iray dia sarotra izany handresy ny mahay izany mbola miampy fitongilanana mankany aminy ihany. Efa hita tsara ny Malagasy fa nahazo toromarika tsy hanao fahadisoana kitoatoa mihitsy fa tsy hitsitsy io fitsarana baolina io. 

Efa tsikaritra ny finiavan'ny sasany saika tsy hanaiky ilay baolina voalohany tafiditry ny Malagasy satria aloha loatra fa tsy nisy azo nokianina ka dia tsy maintsy nekena, tsy tahaka izany koa ny tamin'ireo baolina tafiditry ny Maraokana, indrindra fa ireo baolina roa farany tafidiny. Efa nisy ihany ireo Afrikana nahatsikaritra fa raha vao Maraokana izany dia mahazo tombondahiny eo amin'ny resaka fitsarana indrindra fa amin'ny VAR (Video Assistance Referee).

Fa ny iray izay tsy lefitro ihany koa dia ny mbola nitenenan'ny Filohan'ny Repoblika ihany tamin'ireo mpilalao mialoha ny famaranana, tamin'ny alalan'ny antso findain'ny Filohan'ny FMF, nefa izay no tena antony nanakanan'ny maro azy tsy ho any Kenya: tsy hametraka karazana tsindry indray ho an'ireo mpilalao ireo. Fa ny tena nanafintohina dia ny baiko nataon'ny Filohan'ny FMF hiarahan'ny mpilalao mihiakiaka hoe "Merci Président!". Dia tena tsy maintsy natao mihitsy ve ireny hiaka ireny? Ny tenako no mihevitra hoe tsy mahagaga raha resy isika raha ireny toe-javatra ireny fa mbola tsy mendrika antsika ny hahazo ny amboara aloha! Tsy maintsy mahay manetry tena ary Andriamanitra ihany no isaorana sy ankasitrahana vao mety ho henoin'Andriamanitra ny vavaka naseho nandritra ny fifaninanana. Tsy ho kisendrasendra noho izany ny nahatafiditra ny baolina teo amin'ny minitra faha-80 fa tena hafatr'Andriamanitra mihitsy, noho ilay fitiavana ny 8 santimetatra sy ny 8 kilaometatra. 

Mety hisy hilaza hoe tsy misy idiran'Andriamanitra rangahy ny baolina tahaka ireny, saingy io izy io. Niankohoka nivavaka ny mpanazatran'i Maraoka isaky ny mahatafiditra baolina ry zareo fa nanadino tanteraka izany izy tamin'ny baolina fahatelo tafiditra. Dia iny ny vokany, samia mitsakotsako. Am-bava homana, am-po mieritra!
 

Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog

Tany mampitsiriritra loatra maha-te haka?

Hatramin'ny fotoana nifindranay nankaty Isahafa tamin'ny taona 2016 dia tsy nisy taona voadingana ka tsy andrenesana olana ara-tany. Raha ny samy eto an-toerana moa maninona fa olona any ivelany hatrany no te-hamabo azy ho an'ny tenany na ho an'ireo mpiray tombontsoa aminy.    Midadasika mora anorenana rahateo ilay izy ka izay mahita dia mihevitra avy hatrany fa tsy misy tompony, na raha misy tompony aza dia tsy raharahiana fa alaina ihany. Noho izany toe-javatra izany dia lasa zatra amin'ny fomba fiasan'ireo mpaka tany ny mponina, efa nisy niharan'ny fitoriana ho nanao herisetra ka saika nidoboka, fa nisy koa ny nidoboka kely mihitsy ho fandrahonana hoe manana ny hery raha miseho manohitra ny fakanay io tany io. Asa efa vita vaksiny amin'izany ve ny mponina ka na teo aza izany dia mbola nivondrona ihany ny olona hiaro ny tany. Tanin'ny voanjo saingy alohan'izany dia tany manan-tantara satria kianja nanaova-matso miaramila amin'ny fomba tandr...

Kianja Isahafa: fananana iombonana, fananana manokana

Filazana mialoha: Ny lahatsoratra etoana dia fampahafantarana sy fanentanana. Raha sanatria misy loza na voina mahazo ahy, indrindra amin'ny resaka raharaham-pitsarana mety tsy ho ampoizina, dia azo heverina ny mety ifandraisany amin'ity fampahafantarana sy fanentanana sy ny tohiny. Ny tanànan'Isahafa dia fokontany iray ao anatin'ny kaominina Anosy Avaratra distrikan'Antananarivo Avaradrano. Teo amin'ny tantaran'i Madagasikara, teo amin'io Isahafa io no nanaovana fanazarantena sy matson'ny tafika voalohany indrindra naorin-dRadama Rainy. Vavolombelon'izany ny tsangambato na ny orimbaton'Isahafa, avy eo ampidirana atsinanan'ny tanàna.   Feno 200 taona amin'ny 4 avrily 2022 ho avy izao ny nananganana izany orimbaton'Isahafa izany izay fanaovan'ny miaramila fianianana fa tsy hihemotra amin'ny ady ka manaiky ny hovonoina (hodorana velona) izy raha sanatria mihemotra na mitsoaka ady. Mifanindran-dalana amin'izany ihany koa...

Manoloana ny rivodoza na loza voajanahary hafa

  Tamin'ny taona 2017 nandalovako tany Colombo, Sri Lanka, no nandalovan'ny rivodoza tao koa. Tanàna amoron-dranomasina io, ka mazava loatra fa mafy ny rivotra entin'izany rivodoza izany. Fa tsy nisy loatra ry zareo ny fotodrafitrasa potika a! Ny hazo sy ireo fafana lehibe rantin-dokambarotra ireny dia ekena hoe miondrika na tapaka mihitsy fa vitsy ny trano simba na niala tafo. Anisan'ny tratra tamin'izany ny tao amin'ny efi-pilanonana sady fitazatazanana ranomasina ilany ambony havia amin'ny sary hitanao. Tsy niandry na nangataka fanampiana fa tapakandro ihany raha be dia tafaverina amin'ny laoniny ny tafo izay nikipaka manontolo ny ilany. Nihomehy ahy ilay namana malagasy avy any ampitan-dranomasina tafaraka tamiko tao nahita ny tahotro tamin'izany sady nampahery hoe aza matahotra ianao fa tsy maninona izany aty e! Hay moa izany efa natao ho afa-misedra rivodoza avokoa ny fanorenana any amin'ireny tanàna ireny.  Ny taty amintsika saika hanorina...