Manan-jò feno ny Filoham-pirenena hanatrika ny lalao famaranana ifanatrehan'i Madagasikara amin'i Maraoka amin'ny CHAN PAMOJA 2024 notanterahina tamin'ny firenena telo tamin'ity taona ity: Kenya, Tanzania ary Ogandà. Teny mety hahatafintohina ireo izay maniry azy tsy hanatrika io lalao famaranana tontosaina ao Nairobi io izany, saingy izay no marina ary tokony ekentsika rehetra izany. Misolotena ny firenena tahaka ny isoloan'ny Barea an'i Madagasikara koa io Filoham-pirenena io. Fantatra ny fitiavanareo handresen'ny ekipantsika ary fantatra ny tahotrareo hoe misy olona tsy mitondra afa-tsy lamokan'atody amin'ny fanaovan-javatra ka mahamaimbo ny toerana ahavakisany.
Tsorina fa tena mafy ny tsindry nasehon'ny tambajotran-tserasera ka mahatonga fitadiavana olona hafa ho "la poisse", saingy tsy hahasakana azy izany satria, na resy na mandresy ny ekipa, mahazo sombim-boninahitra amin'ny fahombiazan'ny ekipam-pirenena hatrany izy, ary lasany manontolo aza izany voninahitra izany raha azo ny amboara. Avelao re ho azony izany voninahitra izany raha izay no maha-diavolana ny fony fa isika rehetra efa mahafantatra ireo tena nilofo sy tena niezaka.
Ankasitrahana indray ny fikirizana nananan'ny ekipa nahatongavana tamin'izao famaranana izao. Ianareo no tena niezaka ary ianareo no mendrika mahazo ny ampahany betsaka, tokony ho anareo, amin'ny vola zarain'ny CAF amin'ity fifaninanana ity. Vola tokony hahavelona anareo mandra-maty izany na iavotanareo mba tsy haharesy tondromaso anareo eo amin'ny fiaraha-monina hoe nitondra inona taminareo moa ny fahatongavanareo famaranana sy mety nahazoanareo ny amboara. Tsy mila vata mangarahara intsony izany fa izany bolongam-bola izany dia efa ampy sy nafatratra tsara ho anareo aza! Fitahiana ho anareo io bolongam-bola io fa ozona kosa ho an'izay mangalatra ny tokony ho anareo satria mihevitra ny tenany ho mpandoa-bary ireo.
Tsikaritra nandritra ity fifaninanana ity ihany koa ny fivavahana nataon'ny ekipa mba hananana faherezana sy saina vonon-kisedra zavatra maro. Nosedraina ny fankahalana (tsi-fitiavana) nanjo anareo satria nandresy ny tompontany ianareo ary mety mbola hitohy izany fisedrana izany amin'ity famaranana ity. Fantatra ihany koa fa mivavaka ho anareo ny karazam-pivavahana rehetra misy eto Madagasikara na dia tsy ofisialy aza izany. Hahery mandrakariva anie ianareo nefa hahay hanetry tena amin'ny zavatra rehetra satria efa nanankina tamin'Andriamanitra ihany ity fifaninanana ity ianareo.
Raha sanatriavina kosa ny faharesena dia aoka tsy ho tezitra amin'ny fanakianana hihatra aminy ny mpitondra. Ny fahatongavan'ny mpitondra fanjakana any manko no lasa fialan-tsiny amin'ny tsi-fahombiazana. Maro loatra ireo resy lahatra fa hitondra faharesena ny fahatongavan'ny mpitondra any. Tokony hahay hizaka amin'ny hadrohadron'ny olona fa tsy hamaly faty amin'ny fisamborana na fanagadrana amin'ny hoe fanohintohinana ny filaminam-bahoaka. Efa lany aiky amin'ny fananarana ny olona ka hoavy amin'ny fandatsàna. Raha mandresy moa ny ekipa dia ho lasan'ny mpitondra manontolo ny voninahitra, tahaka ny hoe efa navelan'Andriamanitra ho anareo ny voninahi-pirenena, sady tsy izany tokoa moa ve no marina?
Faranana amin'ny fanombanana voka-dalao kosa ny ranty. Aotra sy telo no iafaran'io lalao io, tsy hiteny aho hoe iza no mahazo ny aotra ary iza no mahazo ny telo fa dia izay fotsiny, faniriana ny hoe mba ny Malagasy no mahakobana ny harato. Mirary fahombiazana ho an'ny Barea!
Hatramin'ny fotoana nifindranay nankaty Isahafa tamin'ny taona 2016 dia tsy nisy taona voadingana ka tsy andrenesana olana ara-tany. Raha ny samy eto an-toerana moa maninona fa olona any ivelany hatrany no te-hamabo azy ho an'ny tenany na ho an'ireo mpiray tombontsoa aminy. Midadasika mora anorenana rahateo ilay izy ka izay mahita dia mihevitra avy hatrany fa tsy misy tompony, na raha misy tompony aza dia tsy raharahiana fa alaina ihany. Noho izany toe-javatra izany dia lasa zatra amin'ny fomba fiasan'ireo mpaka tany ny mponina, efa nisy niharan'ny fitoriana ho nanao herisetra ka saika nidoboka, fa nisy koa ny nidoboka kely mihitsy ho fandrahonana hoe manana ny hery raha miseho manohitra ny fakanay io tany io. Asa efa vita vaksiny amin'izany ve ny mponina ka na teo aza izany dia mbola nivondrona ihany ny olona hiaro ny tany. Tanin'ny voanjo saingy alohan'izany dia tany manan-tantara satria kianja nanaova-matso miaramila amin'ny fomba tandr...

Commentaires