Accéder au contenu principal

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara: Hafatry ny Synoda Lehibe faha XX


 

 

HAFATRY NY SYNODA LEHIBE FAHA XX TAO TAOLAGNARO NY 13-20 AOGOSITRA 2025

 
Ry havana malala ao amin'ny Tompo,
 

"Hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana amin'ny fahalalana tsara an' Andriamanitra sy Jesoa Tompontsika" (II Pet 1,2).
 

Noho ny fitantanan'Andriamanitra dia tontosa ny 13-20 Aogositra 2025 ny Synoda Lehibe faha XX natao tao amin'ny FJKM Salema Vaovao Taolagnaro, SP Ambovombe Atsimo Kristy Ranovelona, SP 07, izay nibanjinana an'i Jesoa Kristy amin'ny teny faneva hoe "Mahefà be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo" (I Kor 15,58b).
 

Voafidy tamin'izao SL XX izao ireo Mpiandraikitra Foibe miisa 100 mianadahy izay ahitana ireo Biraon'ny Mpiandraikitra Foibe hiasa mandritra ny 4 taona ho avy (2025-2029).
 

Voninahitra ho an'Andriamanitra Ray, Zanaka ary Fanahy Masina.
 

Ankasitrahana ny Filoha sy ny Biraon'ny Mpiandraikitra Foibe, ny Mpiandraikitra Foibe, ny Mpanatanteraka teo aloha, ireo Biraon'ny Synoda Lehibe, ary ireo mpamonjy Synoda Lehibe rehetra.
 

Ankasitrahana manokana ny Synodamparitany Ambovombe Atsimo Kristy Ranovelona, SP 07 sy ny FJKM Salema Vaovao tamin'ny fandraisana fatratra sy feno fitiavana nataon'izy ireo.
 

Notanterahana ny famaranana ny Jobily Fisotroan-dronono sy ny faha-40 taona maha-Mpitandrina ny Filohan'ny FJKM teo aloha, Andriamatoa IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina, niarahana tamin'ireo mpamonjy Synoda Lehibe sy ny mpianakavin'ny finoana teto an-toerana. Nosokafana ny Jobily faha-200 taona niorenan'ny Trano Printy FJKM. Nomarihina ihany koa ny faha-57 taona nijoroan'ny FJKM.
 

Amin'ny maha mpaminany azy, ny Fiangonana FJKM dia manafatra ny zanany rehetra ho tompon'andraikitra eo amin'ny fiarahamonina sy ny tontolo iainany. Niseho izany tamin'ireo lahateny samihafa sy ny Tenin'Andriamanitra voalahatra ao amin'ny Mofonaina isan'andro. Tao ihany koa ny fitondrana am-bavaka mitohy ny asan'ny Synoda Lehibe.
 

Amin'ny maha Fiangonana nohavaozina ny FJKM dia nohamafisina ny fiombonana, ny fihavanana mba ho iray ihany ny Fiangonana ka i Jesoa Kristy no ivo ary koa ny hilofosantsika amin'ny fitoriana ny Filazantsara. Nasiam-panavaozana ny Fotodalàna sy ny Fitsipika sasany. 

Fanabeazana marolafy no tanjona ho an'ny Sekoly FJKM. Fanatsarana ny fitantanana ny mpiasam-piangonana sy ny mpiasan'ny Fiangonana no ezahina. Hirosoana ny fampamokarana sy fampandrosoana manaraka ny fenitry ny Soratra Masina, indrindra ny kalitaon'ny fandraharahana mba ho tonga loharanom-bola maharitra. 

Nohamafisin'ny SL XX fa ny FJKM dia hijoro hatrany ho fanasina sy ho fahazavana ary fahamarinana eto amin'ny tany sy ny firenena. Tao anatin'ity SL XX ity no nekena ho Synodamparitany faha-39 ny any Amerika Avaratra, fanitarana ny fitoriana ny filazantsara sy ny fiangonana. Araka ny andininy faha 22 ao amin'ny FDF, dia ny Synoda Lehibe no manapa-kevitra ny amin'ny fiaraha-miasan'ny FJKM amin'ny Fikambanana na Fiangonana samihafa.
 

Nohamafisina indray tamin'izao Synoda Lehibe XX izao fa ny FJKM dia tsy miara-miasa amin'ny UCC sy ny fiangonana mitovy fomba aminy. Hamafisina sy atao hentitra kokoa izany, mba hahatonga ny SP39 misy any CANADA hahajoro.
 

Ry FJKM malala, miantso anao ny Fiangonana ho amin'ny fahamarinana, ho amin'ny fahamasinana, ho amin'ny fiombonana, eo amin'izay rehetra niantsoan'ny Tompo anao, asa fanompoana, andraikitra samihafa, asa aman-draharaha, ka hahefa be mandrakariva. Mivavaha ka aza mitsahatra mba ho fiangonana miasa, manoa, mavitrika ary maharitra isika.
 

"Fa mitsangàna, ka mijoroa amin'ny tongotrao; fa izao no nisehoako taminao, dia ny hanendry anao ho mpanompo sy ho vavolombelona ny amin'izay efa nahitanao Ahy sy izay hisehoako aminao" Asa 26, 16.
Ny Filohan'ny FJKM,
 

Ho an'Andriamanitra irery ny voninahitra, Amen. Amin'ny anaran'ny Synoda Lehibe XX
 

Atoa ANDRIAMAMPIANINA Zaka Hary, Mpitandrina
 

Taolagnaro faha 20 Aogositra 2025
 

Ny Filohan'ny FJKM, Atoa ANDRIAMAMPIANINA Zaka Hary, Mpitandrina
Ny Filohan'ny Synoda Lehibe XX, Atoa RABEVITA Saina, Mpitandrina

 

Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog

Tany mampitsiriritra loatra maha-te haka?

Hatramin'ny fotoana nifindranay nankaty Isahafa tamin'ny taona 2016 dia tsy nisy taona voadingana ka tsy andrenesana olana ara-tany. Raha ny samy eto an-toerana moa maninona fa olona any ivelany hatrany no te-hamabo azy ho an'ny tenany na ho an'ireo mpiray tombontsoa aminy.    Midadasika mora anorenana rahateo ilay izy ka izay mahita dia mihevitra avy hatrany fa tsy misy tompony, na raha misy tompony aza dia tsy raharahiana fa alaina ihany. Noho izany toe-javatra izany dia lasa zatra amin'ny fomba fiasan'ireo mpaka tany ny mponina, efa nisy niharan'ny fitoriana ho nanao herisetra ka saika nidoboka, fa nisy koa ny nidoboka kely mihitsy ho fandrahonana hoe manana ny hery raha miseho manohitra ny fakanay io tany io. Asa efa vita vaksiny amin'izany ve ny mponina ka na teo aza izany dia mbola nivondrona ihany ny olona hiaro ny tany. Tanin'ny voanjo saingy alohan'izany dia tany manan-tantara satria kianja nanaova-matso miaramila amin'ny fomba tandr...

Kianja Isahafa: fananana iombonana, fananana manokana

Filazana mialoha: Ny lahatsoratra etoana dia fampahafantarana sy fanentanana. Raha sanatria misy loza na voina mahazo ahy, indrindra amin'ny resaka raharaham-pitsarana mety tsy ho ampoizina, dia azo heverina ny mety ifandraisany amin'ity fampahafantarana sy fanentanana sy ny tohiny. Ny tanànan'Isahafa dia fokontany iray ao anatin'ny kaominina Anosy Avaratra distrikan'Antananarivo Avaradrano. Teo amin'ny tantaran'i Madagasikara, teo amin'io Isahafa io no nanaovana fanazarantena sy matson'ny tafika voalohany indrindra naorin-dRadama Rainy. Vavolombelon'izany ny tsangambato na ny orimbaton'Isahafa, avy eo ampidirana atsinanan'ny tanàna.   Feno 200 taona amin'ny 4 avrily 2022 ho avy izao ny nananganana izany orimbaton'Isahafa izany izay fanaovan'ny miaramila fianianana fa tsy hihemotra amin'ny ady ka manaiky ny hovonoina (hodorana velona) izy raha sanatria mihemotra na mitsoaka ady. Mifanindran-dalana amin'izany ihany koa...

Manoloana ny rivodoza na loza voajanahary hafa

  Tamin'ny taona 2017 nandalovako tany Colombo, Sri Lanka, no nandalovan'ny rivodoza tao koa. Tanàna amoron-dranomasina io, ka mazava loatra fa mafy ny rivotra entin'izany rivodoza izany. Fa tsy nisy loatra ry zareo ny fotodrafitrasa potika a! Ny hazo sy ireo fafana lehibe rantin-dokambarotra ireny dia ekena hoe miondrika na tapaka mihitsy fa vitsy ny trano simba na niala tafo. Anisan'ny tratra tamin'izany ny tao amin'ny efi-pilanonana sady fitazatazanana ranomasina ilany ambony havia amin'ny sary hitanao. Tsy niandry na nangataka fanampiana fa tapakandro ihany raha be dia tafaverina amin'ny laoniny ny tafo izay nikipaka manontolo ny ilany. Nihomehy ahy ilay namana malagasy avy any ampitan-dranomasina tafaraka tamiko tao nahita ny tahotro tamin'izany sady nampahery hoe aza matahotra ianao fa tsy maninona izany aty e! Hay moa izany efa natao ho afa-misedra rivodoza avokoa ny fanorenana any amin'ireny tanàna ireny.  Ny taty amintsika saika hanorina...