Accéder au contenu principal

Barea mahazo famaranana... ny mpamosavy no tia misoavaly olona



Horakoraka ny an'ny Malagasy mpijery raha vao tafiditra ilay baolina tao anatin'ny dimy minitra farany (115 minitra) tamin’ny fanalavam-potoana nandritra ny lalao nifanandrinan'ny ekipam-pirenena malagasy mpilalao eto an-toerana sy ny ekipam-pirenena sodaney mpilalao ao an-toerana. Nandritra ny lalao manasa-dalana amin'ny fiadiana izay ho tompondaka eto Afrika ho an'ny mpilalao ao an-toerana no nisian'izany horakoraka izany. Tany Dar-es-Salaam renivohitr'i Tanzania no nisian'ny lalao ary ho voarakitra an-tantara fa sambany ny ekipam-pirenena malagasy no tafiakatra amin'izany famaranana izany amin'ny lalao CHAN na dia efa nilalao folo aza ny Malagasy nanomboka ny minitra faha-76. Tranonkala akaikikaiky no nahatafiditra ny baolina ary nampitaintaina hatramin'ny farany ny lalao.

Tamin'ny fahitalavitra no nanarahan'ny mpijery ny lalao. Maro ireo nanaraka tany amin'izay be olona toy ny toeram-pisotroana sy ny toeram-pirevena, tsy te-hijery irery fa mba hiara-mitaintaina amin'ny besinimaro, mba misy iresahana, tsy miteny irery eo am-pijerena, miaritra teny ratsy sy ompa, mihomehy amin'ny rabirabin'ny ankizy amin'ny fihetsika hitany maso ao amin'ny fahitalavitra. Saika ankalamanjana avokoa ny ankamaroan'ireo toerana nijerena ny lalao, fa nisy koa ny nanaraka hatrany am-piangonana, tsy fanao izany ary heveriko ho tsy mety ihany koa satria manimba ambiansy, voafetra loatra ny fihetsika azo atao am-piangonana nefa ny olona tsy azonao ferana amin'ny lanonana tahaka itony. Tsy sarotiny kosa aho raha ny rindrina ivelan'ny fiangonana no atao lafika amin'ny vidéo-projecteur noho ny haavon'ny rindrina ahafahan'ny rehetra mijery tsy misy takona any ivelany.

Ho anay ambanivohitra dia eo amin'ny toerana malalaka ihany izahay no mifaly sy miravo. Izay mahazo ny lalambe kosa afaka  mihazakazaka mandeha arabe, mitondra ny fitaovana entina itabatabàna na alina aza ny andro.

 

Fa mahatohina ny maro kosa, amin'ireo mpanara-baovao ny fisoavalian'ny sasany ny toe-javatra tahaka itony isehosehoana sy hanandratan-tena. Mahasosotra ihany koa ny fisolelahana atao amin'ireny misoavaly ny ezaky ny mpilalao ireny. Tahaka izany koa ny amin'ny valisoa omena ireo mitondra ny voninahim-pirenena ireo izay tena kely loatra raha oharina amin'ny vola alefan'ny CAF ho an'ny federasiona tsirairay. Ny manahirana dia toa ny mpijery sy ny mpanara-baovao indray no sarotiny kokoa ary mitady hanao takomaso kosa ny mpiandraikitra ka mahatonga ahiahy fandrao ry zareo no mitavana ny hatsembohan'ny ekipa. Hamaranana ny fitantarana dia tsy aritra ny miteny hoe ny mpamosavy no tia misoavaly olona, izany hoe misintona ny voninahitra sy ny fahamendrehan'ny hafa ho an'ny sasany. Mbola resabe moa hatramin’izao ny hoe mety ve ny fiantohan’ny fanjakana ny sarandalan’izay handray fiaramanidina hanatrika ny famaranana hihaonana amin’i Maraoka sa tsia… ?

Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog

Tany mampitsiriritra loatra maha-te haka?

Hatramin'ny fotoana nifindranay nankaty Isahafa tamin'ny taona 2016 dia tsy nisy taona voadingana ka tsy andrenesana olana ara-tany. Raha ny samy eto an-toerana moa maninona fa olona any ivelany hatrany no te-hamabo azy ho an'ny tenany na ho an'ireo mpiray tombontsoa aminy.    Midadasika mora anorenana rahateo ilay izy ka izay mahita dia mihevitra avy hatrany fa tsy misy tompony, na raha misy tompony aza dia tsy raharahiana fa alaina ihany. Noho izany toe-javatra izany dia lasa zatra amin'ny fomba fiasan'ireo mpaka tany ny mponina, efa nisy niharan'ny fitoriana ho nanao herisetra ka saika nidoboka, fa nisy koa ny nidoboka kely mihitsy ho fandrahonana hoe manana ny hery raha miseho manohitra ny fakanay io tany io. Asa efa vita vaksiny amin'izany ve ny mponina ka na teo aza izany dia mbola nivondrona ihany ny olona hiaro ny tany. Tanin'ny voanjo saingy alohan'izany dia tany manan-tantara satria kianja nanaova-matso miaramila amin'ny fomba tandr...

Kianja Isahafa: fananana iombonana, fananana manokana

Filazana mialoha: Ny lahatsoratra etoana dia fampahafantarana sy fanentanana. Raha sanatria misy loza na voina mahazo ahy, indrindra amin'ny resaka raharaham-pitsarana mety tsy ho ampoizina, dia azo heverina ny mety ifandraisany amin'ity fampahafantarana sy fanentanana sy ny tohiny. Ny tanànan'Isahafa dia fokontany iray ao anatin'ny kaominina Anosy Avaratra distrikan'Antananarivo Avaradrano. Teo amin'ny tantaran'i Madagasikara, teo amin'io Isahafa io no nanaovana fanazarantena sy matson'ny tafika voalohany indrindra naorin-dRadama Rainy. Vavolombelon'izany ny tsangambato na ny orimbaton'Isahafa, avy eo ampidirana atsinanan'ny tanàna.   Feno 200 taona amin'ny 4 avrily 2022 ho avy izao ny nananganana izany orimbaton'Isahafa izany izay fanaovan'ny miaramila fianianana fa tsy hihemotra amin'ny ady ka manaiky ny hovonoina (hodorana velona) izy raha sanatria mihemotra na mitsoaka ady. Mifanindran-dalana amin'izany ihany koa...

Manoloana ny rivodoza na loza voajanahary hafa

  Tamin'ny taona 2017 nandalovako tany Colombo, Sri Lanka, no nandalovan'ny rivodoza tao koa. Tanàna amoron-dranomasina io, ka mazava loatra fa mafy ny rivotra entin'izany rivodoza izany. Fa tsy nisy loatra ry zareo ny fotodrafitrasa potika a! Ny hazo sy ireo fafana lehibe rantin-dokambarotra ireny dia ekena hoe miondrika na tapaka mihitsy fa vitsy ny trano simba na niala tafo. Anisan'ny tratra tamin'izany ny tao amin'ny efi-pilanonana sady fitazatazanana ranomasina ilany ambony havia amin'ny sary hitanao. Tsy niandry na nangataka fanampiana fa tapakandro ihany raha be dia tafaverina amin'ny laoniny ny tafo izay nikipaka manontolo ny ilany. Nihomehy ahy ilay namana malagasy avy any ampitan-dranomasina tafaraka tamiko tao nahita ny tahotro tamin'izany sady nampahery hoe aza matahotra ianao fa tsy maninona izany aty e! Hay moa izany efa natao ho afa-misedra rivodoza avokoa ny fanorenana any amin'ireny tanàna ireny.  Ny taty amintsika saika hanorina...