Accéder au contenu principal

Ankona tsy nahasoratra tamin'ny fahafatesan'ny Ben'ny Tanànan'i Talata Volonondry

Efa voasoritsoritra dieny zoma alina, fa mila fanitsiana kely sisa, ny lahatsoratra kinasa hivoaka asabotsy maraina. Kanjo naato zary lany andro sahady izany rehefa nitranga ny nanjo ny Ben'ny Tanànan'i Talata Volonondry, It. RAZAFINDRAZAKA Toky Niaina Mampionona, nodimandry tampoka ny asabotsy 16 aogositra 2025. Vahotra tanteraka na ny saina na ny tanana hanoratra. Ankona satria efa nivonona ny tena hanampy azy amin'ny alalan'ny fampahafantarana ny mombamomba azy ao amin'ny wikipedia, hanamorana ny fitadiavana mpiara-miombon'antoka sy famatsiambola avy any ivelany. Safidy manokana izany satria avy amin'ny fanoherana izy ary hita avy hatrany fa tanora tia tanindrazana. Noeritreretina ho tanora antoky ny hoavy mamiratra. 

Mifamahofaho tanteraka ny toe-draharaha. Toa zary kisendrasendra manko fa ankevitry ny famaranana ny firesahana momba ny raharaha Ambohimalaza nahafatesana olona telopolo mahery ny niantsoan'ny Filoham-pirenena ny fianakavian'ireo niharam-boina no nitranga ity voina iray hafa ity, voina nihatra tamina tanora iray tompon'andraikitra. Miròna amin-jotra iray ny fisainan'ny mpanara-baovao noho ireo toe-javatra lazaina ho nisìn'ny fandoavana maromaro ny halina hadiva maraina. Ratsy ny sain'ny olona raha tsy nandray azy ny hopitaly tsy miankina iray malaza fa nampandefa azy ho any amin'ny hopitalim-panjakana ao Ampefiloha. Nitaky fandidiam-paty (autopsie) ny maro ary rehefa nivaly izany dia voalaza ofisialy fa aretim-po no nahafaty ity tanora vao 38 taona ity, nisy hafa nilaza fa nisy nivonto ny fony ary simba tanteraka ny atiny fa eo ianareo hanamarina na handiso izany tranga izany.  

Namela mananotena sy kamboty telo moa ratompokolahy ary ny alarobia 20 aogositra 2025 no anatanterahana ny fanafenana azy. Ny eto amin'ny pejy dia miara-miombona alahelo amin'ny fianakaviana sy mampahery azy ireo amin'izao voina mianjady amin'izy ireo izao.

 

Ity ambany ity kosa indray ny lahatsoratra voatery nasiam-panovana be noho ny toe-javatra voalaza etsy ambony.

Fotoan-dehibe iomanan'ny ao amin'ny fitondram-panjakana fatratra ny fandraisana ny fihaonana an-tampony SADC. Ho tonga hanatrika izany ireo filoham-pirenena sy mpitondra fanjakana aty amin'ny faritra atsimon'i Afrika, mpikambana ao amin'izany vondrona SADC izany. Hotontosaina eto Madagasikara tokoa izany fivoriana izany manomboka ny 17 aogositra 2025 ho avy izao. Efa mirentirenty sy mihofahofa amin'ny lalana mety ho andalovan'ny delagasiona tokoa ny sainan'ireo firenena mpikambana. Raha amin'io lafiny iray io aloha dia tena ao amin'ilay voafehin'ny mpitondra tokoa, mpampiala voly anie io Filoha io talohan'ny nandraisany ny fahefana e !

Voalohany aloha, natomboka ny omalin'io daty anatontosana ny fihaonamben'ny SADC io, ny asabotsy 16 aogositra 2025 izany, ny fahazoan'ny besinimaro mitaingina ilay fiara an-tariby (téléphérique), efa niantona hatry ny volana vitsivitsy ary tsy sasatra nanaovana karazam-panandramana, manomboka eny Anosy ka hatrany Analamahitsy na Ambatobe any ho any. Voalaza moa fa maimaim-poana ny fandehanana amin'izao andro fanokafana ho an'ny daholobe izao, nandritra ny herinandro kosa no efa nisian'ireo "influenceurs" sy mpanakanto nasaina hitaingina izao fiara an-tariby izao. Mifanindran-dalana amin'izany ihany koa ny nanokafana ny tsenaben'ny SADC notontosaina teny Ivato.  

Ny ampitson'ny fihaonambe indray, ny 18 aogositra 2025, no hotokanana ny lalambe migodàna. Eo Ambodifasina araka ny hita amin'ny fampitam-baovao no toeram-piaingan'izany « Autoroute » izany. Valo kilaometatra aloha ny hotokanana amin'izany lanonana izany. Ankevitry ny mandra-pigadona eo amin'ny fiviliana hiakatra mankany amin'ny tanànan'Ambohimanga ny lalana hovitaina. Heverin'ny mpanoratra fa entina aseho vahiny manandanja mpizaika izany zavabita izany handresena lahatra fa manao zavatra ity fitondram-panjakana ity.

Lesoka lehibe iray tsy nananan'ny mpitondra teo aloha ny fahaizana mampita amin'ny vahoaka ny zavabita na dia bitika aza izany. Izay tsy fiheverana hidehaka amin'ny kely vita izay no nohararaotin'ny sasany ; kanefa rariny ihany raha ny tamin'izany fotoana izany, satria volabe koa ny fikarakarana lanonana ka tsy aleo ve hanaovana zavatra hafa. Na dia izay fotsiny aza dia efa tsy mitovy saina ny teo aloha sy ny ankehitriny.

Lesoka iray faharoa koa, ho an'ny mpitondra teo aloha, ny tsy mizara koveta sy vary ho an'ny madinika izay mahatonga ny olona ho zatra toloram-potsiny, sy ho mpiambina mavitrika hiaro ny fitondrana raha avy izay fanakianana mety hitondra ho amin'ny fidinana an-dalambe.

Olompirenena mandray andraikitra no tadiavina mba hitandro sy hiaro ny fananana iombonana. Tahaka izany no nandraisanay andraikitra hifarimbona amin'ny fanarenana lalana mirefy 3km. Ainga fitadiavambola ho amin'izany ny sakafom-pifanohanana hotanterahina ny 07 septambra 2025 ho avy izao etsy amin'ny efitrano lehibe iray filanonana etsy Lazaina Avaradrano. Mifandraisa amin'ny mpanoratra raha tia hanampy komity mikendry hanatsara lalana toa izany ianao, dia mba tsy mandeha mibolisalisatra amin'ny lalana malaman'ny fotaka mandrevo faleha isan'andro ny mponina aty Isahafa sy ny manodidina (Malaza, Iavoambony, Anosiarivo, Ambodisiarivo,...).



Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog

Tany mampitsiriritra loatra maha-te haka?

Hatramin'ny fotoana nifindranay nankaty Isahafa tamin'ny taona 2016 dia tsy nisy taona voadingana ka tsy andrenesana olana ara-tany. Raha ny samy eto an-toerana moa maninona fa olona any ivelany hatrany no te-hamabo azy ho an'ny tenany na ho an'ireo mpiray tombontsoa aminy.    Midadasika mora anorenana rahateo ilay izy ka izay mahita dia mihevitra avy hatrany fa tsy misy tompony, na raha misy tompony aza dia tsy raharahiana fa alaina ihany. Noho izany toe-javatra izany dia lasa zatra amin'ny fomba fiasan'ireo mpaka tany ny mponina, efa nisy niharan'ny fitoriana ho nanao herisetra ka saika nidoboka, fa nisy koa ny nidoboka kely mihitsy ho fandrahonana hoe manana ny hery raha miseho manohitra ny fakanay io tany io. Asa efa vita vaksiny amin'izany ve ny mponina ka na teo aza izany dia mbola nivondrona ihany ny olona hiaro ny tany. Tanin'ny voanjo saingy alohan'izany dia tany manan-tantara satria kianja nanaova-matso miaramila amin'ny fomba tandr...

Kianja Isahafa: fananana iombonana, fananana manokana

Filazana mialoha: Ny lahatsoratra etoana dia fampahafantarana sy fanentanana. Raha sanatria misy loza na voina mahazo ahy, indrindra amin'ny resaka raharaham-pitsarana mety tsy ho ampoizina, dia azo heverina ny mety ifandraisany amin'ity fampahafantarana sy fanentanana sy ny tohiny. Ny tanànan'Isahafa dia fokontany iray ao anatin'ny kaominina Anosy Avaratra distrikan'Antananarivo Avaradrano. Teo amin'ny tantaran'i Madagasikara, teo amin'io Isahafa io no nanaovana fanazarantena sy matson'ny tafika voalohany indrindra naorin-dRadama Rainy. Vavolombelon'izany ny tsangambato na ny orimbaton'Isahafa, avy eo ampidirana atsinanan'ny tanàna.   Feno 200 taona amin'ny 4 avrily 2022 ho avy izao ny nananganana izany orimbaton'Isahafa izany izay fanaovan'ny miaramila fianianana fa tsy hihemotra amin'ny ady ka manaiky ny hovonoina (hodorana velona) izy raha sanatria mihemotra na mitsoaka ady. Mifanindran-dalana amin'izany ihany koa...

Manoloana ny rivodoza na loza voajanahary hafa

  Tamin'ny taona 2017 nandalovako tany Colombo, Sri Lanka, no nandalovan'ny rivodoza tao koa. Tanàna amoron-dranomasina io, ka mazava loatra fa mafy ny rivotra entin'izany rivodoza izany. Fa tsy nisy loatra ry zareo ny fotodrafitrasa potika a! Ny hazo sy ireo fafana lehibe rantin-dokambarotra ireny dia ekena hoe miondrika na tapaka mihitsy fa vitsy ny trano simba na niala tafo. Anisan'ny tratra tamin'izany ny tao amin'ny efi-pilanonana sady fitazatazanana ranomasina ilany ambony havia amin'ny sary hitanao. Tsy niandry na nangataka fanampiana fa tapakandro ihany raha be dia tafaverina amin'ny laoniny ny tafo izay nikipaka manontolo ny ilany. Nihomehy ahy ilay namana malagasy avy any ampitan-dranomasina tafaraka tamiko tao nahita ny tahotro tamin'izany sady nampahery hoe aza matahotra ianao fa tsy maninona izany aty e! Hay moa izany efa natao ho afa-misedra rivodoza avokoa ny fanorenana any amin'ireny tanàna ireny.  Ny taty amintsika saika hanorina...