14.6.25

Ny endri-pitondrana tian'ny Malagasy amin'izao fotoana izao!

 Mamely mafy ny fahatapahan-jiro ary efa miantraika lalina amin'ny asa miankina tanteraka amin'ny herinaratra. Fa inona moa ny asa tsy miankina amin'io herinaratra io? Raha any amin'ny firenen-kafa no mitranga ny zava-misy eto Madagasikara amin'izao fotoana izao efa ady tsy ifankahitana ary tsy hanaiky hovonoina fotsiny izao ny olona. Fa raha eto Madagasikara kosa dia tena izao mihitsy no ankasitrahan'ny Malagasy, tsy hoe safidy fa izay no nanolokoloana azy ary dia iraiketany lalina.

Mpitondra be fihetsiketsehana no tadiavin'ny Malagasy fa tsy mitondra ho amin'ny fampandrosoana. Mpitondra be fihetsiketsehana, mizara zavatra etsy sy eroa, mizara izay heveriny fa tena miditra amin'ny ati-vilaniny tokoa. Endrey izany hafaliany rehefa mahazo vary iray gony, rehefa mahazo menaka amin'ny litatra iray na vitsivitsy. Hisy tahaka izany indray ve? Efa aterina isan-tokantrano ny sakafo fa tsy tadiavina intsony, tsy dia ilaina loatra ilay miasa mafy fa manasatra fotsiny. Fa tsy ny rehetra no atao izany! ireo manana hery sy tanjaka fa tsy nandalina loatra, ireo tsy mieritreritra intsony hiditra amin'ny sehatrasa ara-dalàna (izany hoe manaiky handoa hetra) nefa mahatsangana trano maromaro amin'izay, izay tsy ho vitan'ny mpandray isam-bolana velively raha ny mari-karaman'ny maro an'isa amin'izao fotoana izao.

Ahoana hoy ny olona mahita ireny sarety tsy ahafahan'ny fiara hafa rehetra misongona ireny? Avelao kosa izy hiasa fa tadiavinareo hangalatra kosa ve? Raha aty ambanivohitra tsy dia misy fifamoivoizan'ny fiara loatra tokoa dia tena rariny fa raha ao an-drenivohitra kosa aloha? lany eny an-dalana ny fahatanoràna hoy ny fomba fiteny ankehitriny. Tsy sarety ihany no tahaka izany fa amin-javatra maro izay mariky ny fihemorana fa tsy fandrosoana velively koa tsy atao mahagaga raha mihazakazaka mankany amin'ny farany i Madagasikara fa tsy miara-mizotra amin'ny firenena hafa manerana izao tontolo izao.

Avadika tanteraka kosa indray ny resaka fa eo amin'io fitiavan'ny Malagasy io fitondrana io ihany. Gaga tanteraka ny tena raha nisy Mpitandrina iray niditra politika nirotsaka ho Ben'ny tanàna. Tsy ilay mpitondra fivavahana niròna ho amin'izany no mahagaga, fa zara aza mba misy olona mandray andraikitra toa izany. Nahomby sy nandresy izy tamin'ny voalohany, nanao zavatra maro hampandrosoana ny tanàna nentiny, tamin'ny androny no vita ny ankamaroan'ny lalana tao amin'ny kaominina misy azy, nezahina ampiharina ireo hetsika rehetra mankany amin'ny fampandrosoana sy ny fampivelarana ny kaominina, lasa manana ambim-bola an-tapitrisany maro ilay kaominina tsy nanana na inona na inona intsony talohan'ny nandraisany ny andraikitra. Fa resy lavitra be izy tamin'ny fifidianana farany teo ary tsy nifidy azy hatramin'ireo heverina ho iray antoko aminy satria nahoana? Tsy misy ihinana mandritra ny fitondrany fa marina sy mangarahara loatra. Aleo ihany misy ilay bôjibôjy kely iavotan-tena fa tsy vita izany tena hiasa izany.

Dia izao isika izao, iarahan'ny rehetra mahita ny zavamisy ankehitriny. Singa roa monja no lazaina fa be no azo tenenina. Izao no tena tian'ny Malagasy fa fihatsarambelatsihy ny ankoatra izay. Ny hanateran-kanina tsindraindray no tiany fa tsy ny hilofo amin'ny asa. Ilay mijanona ho mahantra iantràna no tadiaviny fa ialonana izay lasa miavo-tena. Mifona tompoko fa indraindray mahamenatra ilay mijoro ho Malagasy raha ny toe-tsaina tahaka izao ihany no ifikirany.

Aucun commentaire: