Accéder au contenu principal

Soahonenana Merimandroso: lalana bahanam-bahiny

 Dieny mialoha aho no manoratra fa rehefa manao ny tsy mety ny olona iray, nefa vahiny lazaina ho mizaka ny zom-pirenena malagasy izy dia vahiny ihany eo anatrehan'ny fiaraha-monina ary vahiny mitady hanjakazaka amin'ny malagasy amin-kafetsena.


Tena lasa anjakazakam-bahiny mihitsy ve i Madagasikara amin'izao fotoana izao? Vao tsy ela isika no nitantaràna ny tany iray ao Bemahatazana Sabotsy Namehana, nisy nangalatra ny kadasitry ny tany dia migadra ny mpangalatra nivarotra ilay tany fa ilay mpividy kosa tsy voakitikitika mihitsy satria "vahiny" Karana mpanambola malaza ary "taratasy ara-dalàna" no nividianany azy. Dia io "vahiny" io indray no nivarotra tamin'ny "vahiny" hafa, tsy mitovy fiaviana aminy fa samy Aziatika, Shinoa ilay vahiny iray faharoa ary lazaina ho mizaka zom-pirenena malagasy. 


Izay mahatsikaritra ny vaovao fanadihadiana dia mahita fa mikirakira finday ilay shinoa iresahana amin'ny mpisolovavany, izany hoe tsy mbola mahafehy ny teny malagasy na teny frantsay izany izy fa mety ho ny "google translate" no miasa be. Trano maro no narodana satria izay no tian'ilay tompontany vaovao atao, hanaovany fanorenana angamba. Izay moa no fandehan'ny raharaham-pitsarana dia izay no izy amintsika amin'izao fotoana izao na dia tsy rariny aza izany toe-javatra izany.


Tsy mandingana herinandro akory dia mivoaka indray ity toe-javatra any amin'ny toerana ambanivohitra antsoina hoe Soahonenana ao amin'ny Kaominina Merimandroso (tokony Imerimandroso no izy fa dia izay moa no mihatra izao!). Notapahan'ny vazaha frantsay lazaina fa mizaka ny zom-pirenena malagasy ny lalam-bahoaka miditra ny tanàna azon'ny fiara andehanana satria ao anatin'ny taniny hoe io lalana io. Mila hohamarinina tsara fa tsy dia azoko loatra fa toa ilay tanàna mihitsy (noho ny tsy fahaizan'ny olona mampita ny vaovao?) no lazainy fa azy ka nametrahana io karazana vavahadim-pandoavam-bola na "portique de péage" io rehefa dinihina amin'ny sary.




Amin'ity raharaha ity, tena mihetsika am-pilaminana ny olona, efa nanatontosa fitoriana teny amin'ny fitsarana ihany koa fa resy. Izay no fetran'ny tsy fampiasana herisetra azo ampiharina, fa azo atao ihany koa ny fihetsika tsy misy herisetra hafa toy ny mibahana ny lalana mankao aminy ihany koa na anoloana na ambadika satria ilay nataon'ilay vazaha ihany no ampiharina aminy, fa hahasahy ve ny olona? Eo amin'ny faritra ny tany tsy azy no hanaovana izany satria efa tsy lalam-bahoaka intsony izany io fa tadiaviny ho azy irery.


Ny fihetsiky ny Malagasy maharikoriko


Amin'ireo raharaha roa ireo dia misy fihetsika na fisaina tena maharikoriko ahy ataon'ny mpiray tanindrazana. Voalohany amin'izany dia ny fanesoana hoe nihetsika izahay teo hoe tsy mila vazaha nakorainareo ka iareto ao ny anareo. Na manao ihany koa hoe efa vazaha no nofidinareo ka anareo ihany io. Toa mampihevitra avy hatrany fa nifidy ireo olona ireo ary nifidy ny mpitondra ankehitriny. Na hoe izahay tsy hitolona ho anareo fa ianareo tsy nanampy anay tamin'ny tolona nataonay. Tena very tanteraka ny fihavanana malagasy sy ny fifampitsinjovan'ny mpiray tanindrazana. Adinon'ireo mpiteny sy mpihevitra izany ve ilay fitenenana hoe "mitohy ny tolona"? Moa tsy ny tahaka izao no anaovana tolona ho tombontsoan'ny besinimaro?


Ny fisaina na fihetsika faharoa tena maharikoriko dia ny fitanilàna avy hatrany any amin'ilay vahiny satria tsy hanaotao foana mihitsy ireo vahiny ireo fa misaina fa ny malagasy no dondrona sy vendrana. Mety ho marina ny vahiny eo amin'ny porofo ara-taratasy fa natao mandeha ila ny fampiharan-dalàna, teto izao tsy noraharahina mihitsy ny "servitude de passage" fa mandehana any an-tanimbary raha handeha. Toa heverina avy hatrany fa tsy afa-mampiasa bisikileta sy sarety ary fiara sy môtô ny malagasy fa tadiaviny ho izy ihany no mampiasa ilay lalana (izay no nahatonga ny hevitro etsy ambony). Sa ve hoe ambanivohitra izany toerana izany ka tsy idiranay lalina fa efa azy ny tany? Aleo hatreo ny soratra aloha!


Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog

Tany mampitsiriritra loatra maha-te haka?

Hatramin'ny fotoana nifindranay nankaty Isahafa tamin'ny taona 2016 dia tsy nisy taona voadingana ka tsy andrenesana olana ara-tany. Raha ny samy eto an-toerana moa maninona fa olona any ivelany hatrany no te-hamabo azy ho an'ny tenany na ho an'ireo mpiray tombontsoa aminy.    Midadasika mora anorenana rahateo ilay izy ka izay mahita dia mihevitra avy hatrany fa tsy misy tompony, na raha misy tompony aza dia tsy raharahiana fa alaina ihany. Noho izany toe-javatra izany dia lasa zatra amin'ny fomba fiasan'ireo mpaka tany ny mponina, efa nisy niharan'ny fitoriana ho nanao herisetra ka saika nidoboka, fa nisy koa ny nidoboka kely mihitsy ho fandrahonana hoe manana ny hery raha miseho manohitra ny fakanay io tany io. Asa efa vita vaksiny amin'izany ve ny mponina ka na teo aza izany dia mbola nivondrona ihany ny olona hiaro ny tany. Tanin'ny voanjo saingy alohan'izany dia tany manan-tantara satria kianja nanaova-matso miaramila amin'ny fomba tandr...

Kianja Isahafa: fananana iombonana, fananana manokana

Filazana mialoha: Ny lahatsoratra etoana dia fampahafantarana sy fanentanana. Raha sanatria misy loza na voina mahazo ahy, indrindra amin'ny resaka raharaham-pitsarana mety tsy ho ampoizina, dia azo heverina ny mety ifandraisany amin'ity fampahafantarana sy fanentanana sy ny tohiny. Ny tanànan'Isahafa dia fokontany iray ao anatin'ny kaominina Anosy Avaratra distrikan'Antananarivo Avaradrano. Teo amin'ny tantaran'i Madagasikara, teo amin'io Isahafa io no nanaovana fanazarantena sy matson'ny tafika voalohany indrindra naorin-dRadama Rainy. Vavolombelon'izany ny tsangambato na ny orimbaton'Isahafa, avy eo ampidirana atsinanan'ny tanàna.   Feno 200 taona amin'ny 4 avrily 2022 ho avy izao ny nananganana izany orimbaton'Isahafa izany izay fanaovan'ny miaramila fianianana fa tsy hihemotra amin'ny ady ka manaiky ny hovonoina (hodorana velona) izy raha sanatria mihemotra na mitsoaka ady. Mifanindran-dalana amin'izany ihany koa...

Manoloana ny rivodoza na loza voajanahary hafa

  Tamin'ny taona 2017 nandalovako tany Colombo, Sri Lanka, no nandalovan'ny rivodoza tao koa. Tanàna amoron-dranomasina io, ka mazava loatra fa mafy ny rivotra entin'izany rivodoza izany. Fa tsy nisy loatra ry zareo ny fotodrafitrasa potika a! Ny hazo sy ireo fafana lehibe rantin-dokambarotra ireny dia ekena hoe miondrika na tapaka mihitsy fa vitsy ny trano simba na niala tafo. Anisan'ny tratra tamin'izany ny tao amin'ny efi-pilanonana sady fitazatazanana ranomasina ilany ambony havia amin'ny sary hitanao. Tsy niandry na nangataka fanampiana fa tapakandro ihany raha be dia tafaverina amin'ny laoniny ny tafo izay nikipaka manontolo ny ilany. Nihomehy ahy ilay namana malagasy avy any ampitan-dranomasina tafaraka tamiko tao nahita ny tahotro tamin'izany sady nampahery hoe aza matahotra ianao fa tsy maninona izany aty e! Hay moa izany efa natao ho afa-misedra rivodoza avokoa ny fanorenana any amin'ireny tanàna ireny.  Ny taty amintsika saika hanorina...