Accéder au contenu principal

Iza no te-ho sefo sahala amin-dRalava Bodo na eo am-piandrasana an'i Maputo

Fanamarihana voalohany, tsy azo vakian'olona mora tohina. Fanamarihana faharoa: Aza avilivily ny eritreritra rehefa mamaky ny teny fa manahirana. Fanamarihana fahatelo: natokana ho an'ny tia miresaka politika amin'ny saina irery ihany, noho izany miangavy izay manao politika amin'ny fo hitsahatra amin'ny famakiana ny vakinteny ka isaorana amin'ny famakiana azy hatreto.

Mahagaga sy fa mahavariana fa na dia liana amin'ny fahazoana vaovao avy any Maputo aza ny tena tsy mba mitaintaina akory fa mandray azy amin'ny alalan'ny kivazivazy zary tenany. Nahoana angaha? Rehefa nikatso ny fifampidinihana dia ity kivazivazy ratsy tsy firesaka am-pianakaviana ity no tao an-tsaiko koa miala tsiny miala fondro indrindra ho an'ny rehetra raha maro ianareo no ho tohina. Mifandraika amin'ny toe-java-misy amin'ny fotoana anoratana manko izy ity.

Niady izay ho sefo, hono, ireto singa samihafa tao amin'ity firenena iray antsoina hoe Olombelona. Raha miresaka hoe sefo aho eto dia tsy manivaiva na iza na iza fa resaka mba atao kosa ny antsika. Dia niteny, noho, ny iray antsoina hoe Ifu hoe: "izaho no sefo fa raha tsy velona aho tsy misy velona ianareo rehetra." Namaly izany kosa i Shain fa tokony izy no sefo satria izy no mipetraka amin'ny toerana avo indrindra ary avy aminy avokoa no iavihan'ny hevitra rehetra enti-mampandroso ny firenena. Nandresy lahatra kosa i Tan fa tokony ho izy no sefo satria izy no tena miasa indrindra. Tsy nampoizin'ny rehetra avy any kosa fa nibetroka dia nibetroka i Ralava Bodo hoe: "Mangìna daholo ianareo fa tsy maintsy izaho no sefo na tianareo na tsy tianareo." Anarana nomen'ny ray aman-dreniny azy io fa na lahy aza izy dia anaram-bavy no nomeny azy satria naniry vavy manko ny ray aman-dreniny tamin'ny bevohoka azy.

Nikakakaka daholo ny rehetra nandre izany trerona izany ka nanao hoe: "Dia ialahy ve letsy no hatao sefo? Mba mangina letsy fa tsy misy ilàna an'ialahy eo a!" Hay! rehefa izany ary dia hitokona tsy hanao na inona na inona aho dia ho hitantsika eo izay tena sefo amintsika rehetra. Dia nitokona tokoa ny anao lahy ka ny asa rehetra tokony ho nataony dia nangoniny teo amin'ny latabany fotsiny nefa tsy navelany hivoaka ny biraony ny asa rehetra. Tena nikatso tokoa ny raharaha. Nitohana avokoa ny asa aman-draharaha rehetra. Nanomboka narary ny toe-karena fa tsy noraharahiany mihitsy. Tsy misy na inona na inona mivoaka sy mandeha eto rehefa tsy izaho no sefo, hoy ihany Ralava Bodo. Nivoajamala tanteraka ny firenena Olombelona fa tsy mankaiza amin-dRalava Bodo izany.

Hitan'ny singa hafa rehetra ary fa tena tsy ho lasa izy ity ary tsy mifanaraka amin'ny sain'ny hafa ny fomba fieritreritr'i Bodo (misy koa ny manome anara-maneso azy hoe Koly ihany koa) dia nifanaraka ihany ny hafa rehetra hoe aleo omena an'ileiry ny fanononana hoe sefo fa tena manao izay tiany atao mihitsy ileiry sady tsy mitady afa-tsy ny antsoina hoe sefo izy. Mamerina indray aho hoe tsy ny sefo rehetra na ny antsoina hoe sefo rehetra dia tahaka izany fa mba tranga maningana fotsiny ity an-dRalava Bodo na antsoina hoe Koly ity. Farany, iangaviana izay hametraka hevitra rehetra tsy hisy hanompa na hiteny ratsy indrindra aza fady indrindra.

Angano, angano, à rire à rire, tsy izaho no namorona fa dia ny henoko faha-tanora no tantaraiko aminareo ihany koa. Fa dia maniry ny hivahan'ny olana izay tontosaina any Maputo ihany koa ny tena fa tsy maniry velively ny hisian'ny ady fifamonoana eto amin'ny firenena.


jentilisa, 27 aogositra amin'ny 10: 16

PS: Nikatso tanteraka ny fidirana aterineto tamin'izaho niditra fa dia kiry ihany koa ny ahy hivoahan'ny lahatsoratro.

Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog

Tany mampitsiriritra loatra maha-te haka?

Hatramin'ny fotoana nifindranay nankaty Isahafa tamin'ny taona 2016 dia tsy nisy taona voadingana ka tsy andrenesana olana ara-tany. Raha ny samy eto an-toerana moa maninona fa olona any ivelany hatrany no te-hamabo azy ho an'ny tenany na ho an'ireo mpiray tombontsoa aminy.    Midadasika mora anorenana rahateo ilay izy ka izay mahita dia mihevitra avy hatrany fa tsy misy tompony, na raha misy tompony aza dia tsy raharahiana fa alaina ihany. Noho izany toe-javatra izany dia lasa zatra amin'ny fomba fiasan'ireo mpaka tany ny mponina, efa nisy niharan'ny fitoriana ho nanao herisetra ka saika nidoboka, fa nisy koa ny nidoboka kely mihitsy ho fandrahonana hoe manana ny hery raha miseho manohitra ny fakanay io tany io. Asa efa vita vaksiny amin'izany ve ny mponina ka na teo aza izany dia mbola nivondrona ihany ny olona hiaro ny tany. Tanin'ny voanjo saingy alohan'izany dia tany manan-tantara satria kianja nanaova-matso miaramila amin'ny fomba tandr...

Kianja Isahafa: fananana iombonana, fananana manokana

Filazana mialoha: Ny lahatsoratra etoana dia fampahafantarana sy fanentanana. Raha sanatria misy loza na voina mahazo ahy, indrindra amin'ny resaka raharaham-pitsarana mety tsy ho ampoizina, dia azo heverina ny mety ifandraisany amin'ity fampahafantarana sy fanentanana sy ny tohiny. Ny tanànan'Isahafa dia fokontany iray ao anatin'ny kaominina Anosy Avaratra distrikan'Antananarivo Avaradrano. Teo amin'ny tantaran'i Madagasikara, teo amin'io Isahafa io no nanaovana fanazarantena sy matson'ny tafika voalohany indrindra naorin-dRadama Rainy. Vavolombelon'izany ny tsangambato na ny orimbaton'Isahafa, avy eo ampidirana atsinanan'ny tanàna.   Feno 200 taona amin'ny 4 avrily 2022 ho avy izao ny nananganana izany orimbaton'Isahafa izany izay fanaovan'ny miaramila fianianana fa tsy hihemotra amin'ny ady ka manaiky ny hovonoina (hodorana velona) izy raha sanatria mihemotra na mitsoaka ady. Mifanindran-dalana amin'izany ihany koa...

Manoloana ny rivodoza na loza voajanahary hafa

  Tamin'ny taona 2017 nandalovako tany Colombo, Sri Lanka, no nandalovan'ny rivodoza tao koa. Tanàna amoron-dranomasina io, ka mazava loatra fa mafy ny rivotra entin'izany rivodoza izany. Fa tsy nisy loatra ry zareo ny fotodrafitrasa potika a! Ny hazo sy ireo fafana lehibe rantin-dokambarotra ireny dia ekena hoe miondrika na tapaka mihitsy fa vitsy ny trano simba na niala tafo. Anisan'ny tratra tamin'izany ny tao amin'ny efi-pilanonana sady fitazatazanana ranomasina ilany ambony havia amin'ny sary hitanao. Tsy niandry na nangataka fanampiana fa tapakandro ihany raha be dia tafaverina amin'ny laoniny ny tafo izay nikipaka manontolo ny ilany. Nihomehy ahy ilay namana malagasy avy any ampitan-dranomasina tafaraka tamiko tao nahita ny tahotro tamin'izany sady nampahery hoe aza matahotra ianao fa tsy maninona izany aty e! Hay moa izany efa natao ho afa-misedra rivodoza avokoa ny fanorenana any amin'ireny tanàna ireny.  Ny taty amintsika saika hanorina...