Accéder au contenu principal

Nihemotra indray ny Fmf

Gaga aho raha nahita ny vidim-pidirana amin’ny 25 marsa ho avy izao navoakan’ny ankamaroan’ny gazety androany maraina. Voasoratra mazava manko fa Ar3000 indray izany ny fidirana eny amin’ny fijerena tsy mialoka raha Ar5000 ny vinavina teo aloha. Ar20.000 kosa ho an’ny lampivato misy fialofana andaniny sy ankilany, Ar40.000 ho an’ny lampivato mialoka afovoany ary Ar60.000 ho an’ny afovoany misy ny toeran’ny olo-mana-kaja. Tsy nasiana fanasana manokana mihitsy amin’ity lalao ity ka hoe midi-potsiny.

Araka ny novakiako tamin’ny gazety ihany dia ireto avy no nidinika ny amin’io vidim-pidirana io : Ny komity mpitantana ny federasiona, ny solontenan’ny fiadidiana ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, Ny filohan’ny Mpanohana mavitrika, ny solontenan’ny minisiteran’ny fanatanjahantena, ny mpiandraikitra ankapoben’ny polisy (mitandro ny filaminana amin’io andro io) ary ny solontenan’ny mpanao gazety. Dia lasa ny saiko nanontany tena hoe anisan’ny nangataka io fampihenana ny vidim-pidirana io ve ny Mpanohana mavitrika ? nanotany tsiliantsofina teny amin’ny foibe mihitsy aho androany maraina ka niteny ny tompon’andraikitra tafaresaka tamiko fa mahalala ny zava-misy tsara sy ny tokony atao mihitsy ny Mpanohana mavitrika. Sarotra moa ny nanotany ankoatra izay.

Ny azoko ambara indray satria efa famerimberin-dry zareo any amin’ny lahatsorany any dia ny mpanao gazety no tena nisisika amin’io fampihenana ny vidim-pidirana io ary raha azony natao aza dia ilay vidiny Ar2000 ihany no tadiaviny. Manoratra sahady aza ny sasany fa tsy maintsy hisy fimenomenonana avy amin’ny sarambambembahoaka na dia io vidiny tapaka farany io aza. Eo ny olana : Ahoana moa no ahafahana mikarakara ny zavatra rehetra mifandraika amin’ny fampiroboroboana ity lalao ity raha ny fandraisam-bahiny amin’ny fotoana iray fotsiny ihany aza mety tsy ahasahana amin’ny hafy fidiram-bolan’ny lalao mba andrandraina tahaka itony ? Tsy ho afaka handroso mihitsy io fanatanjahantena io raha tsy tsara tohana ary ny tena mpanohana andrandraina hatramin’izao dia ny mpijery mahay mijery sy mitsinjo ny lavitra ihany koa. Izany hoe tsy ny mpitia tena mpitia no hahazo vahana fa ny « sarambambe » mpitoraka tavoahangy ny mpitsara sy ny mpilalao vahiny isaky ny resy ny ekipan’ny malagasy indrindra indrindra. Karazany mbola kolokoloina hatrany ny fanandratana ny fahantrana nefa ny fitiavana (ny baolina) tsy miankina amin’ny fananana loatra fa amin’ny fahazotoana sy ny fahafoizana indrindra indrindra.

Efa olana amin’ny federasiona ihany koa ny kianja tsy azy fa an’ny Kaominina, any amin’ny firenenkafa anefa araka ny fahalalako azy dia ny an’ny federasiona ny kianja ary dia lasany amin’izay fotoana izay ny vola miditra amin’ny dokambarotra. Ny eto Madagasikara dia ny Kaominina ihany no mandraoka ny dokambarotra. Paika mampiankina ny fanatanjahantena amin’ny politika ihany izany. Efa ela izany no natsidika fa tsy mety henon’ny tompon’andrikitra mandraka ity androany anoratana aminareo. Izany no ahatsijovana hatrany ny fahabangan’ny fanaovana dokambarotra amin’ny sisikianja eto Madagasikara. Mpiteny malagasy ihany koa angamba ka tsy misy fiantrikany ny dokambarotra atao eny ?

Mihevitra aho fa tokony tsy nilefitra ny federasiona na dia noho ny fikarakarana ny lalao sy ny haavon-danjany fotsiny ihany aza. Raha tonga eto ve i Johnny Halliday dia azo tenenina hoe Ar2000 ihany re no takatry ny sarambambe fa ataovy amin’izay ny vidim-pidirana ? Eto ny laharana faha-27 erantany no hikatroka amintsika izay faha-185 ka mila mpijery mahay manohana izany lalao izany fa tsy mpijery hivanaka ny sanatria hihorakoraka ho an’ny vahiny indray. Niaiky (ambadika) kosa ny federasiona fa nanampoka loatra ilay vidim-pidirana « niakatra » tampoka natao tamin’ity indray mitoraka ity ka mety ho nahamodraka azy nanaiky ilay vidim-pidirana Ar3000.

Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog

Tany mampitsiriritra loatra maha-te haka?

Hatramin'ny fotoana nifindranay nankaty Isahafa tamin'ny taona 2016 dia tsy nisy taona voadingana ka tsy andrenesana olana ara-tany. Raha ny samy eto an-toerana moa maninona fa olona any ivelany hatrany no te-hamabo azy ho an'ny tenany na ho an'ireo mpiray tombontsoa aminy.    Midadasika mora anorenana rahateo ilay izy ka izay mahita dia mihevitra avy hatrany fa tsy misy tompony, na raha misy tompony aza dia tsy raharahiana fa alaina ihany. Noho izany toe-javatra izany dia lasa zatra amin'ny fomba fiasan'ireo mpaka tany ny mponina, efa nisy niharan'ny fitoriana ho nanao herisetra ka saika nidoboka, fa nisy koa ny nidoboka kely mihitsy ho fandrahonana hoe manana ny hery raha miseho manohitra ny fakanay io tany io. Asa efa vita vaksiny amin'izany ve ny mponina ka na teo aza izany dia mbola nivondrona ihany ny olona hiaro ny tany. Tanin'ny voanjo saingy alohan'izany dia tany manan-tantara satria kianja nanaova-matso miaramila amin'ny fomba tandr...

Kianja Isahafa: fananana iombonana, fananana manokana

Filazana mialoha: Ny lahatsoratra etoana dia fampahafantarana sy fanentanana. Raha sanatria misy loza na voina mahazo ahy, indrindra amin'ny resaka raharaham-pitsarana mety tsy ho ampoizina, dia azo heverina ny mety ifandraisany amin'ity fampahafantarana sy fanentanana sy ny tohiny. Ny tanànan'Isahafa dia fokontany iray ao anatin'ny kaominina Anosy Avaratra distrikan'Antananarivo Avaradrano. Teo amin'ny tantaran'i Madagasikara, teo amin'io Isahafa io no nanaovana fanazarantena sy matson'ny tafika voalohany indrindra naorin-dRadama Rainy. Vavolombelon'izany ny tsangambato na ny orimbaton'Isahafa, avy eo ampidirana atsinanan'ny tanàna.   Feno 200 taona amin'ny 4 avrily 2022 ho avy izao ny nananganana izany orimbaton'Isahafa izany izay fanaovan'ny miaramila fianianana fa tsy hihemotra amin'ny ady ka manaiky ny hovonoina (hodorana velona) izy raha sanatria mihemotra na mitsoaka ady. Mifanindran-dalana amin'izany ihany koa...

Manoloana ny rivodoza na loza voajanahary hafa

  Tamin'ny taona 2017 nandalovako tany Colombo, Sri Lanka, no nandalovan'ny rivodoza tao koa. Tanàna amoron-dranomasina io, ka mazava loatra fa mafy ny rivotra entin'izany rivodoza izany. Fa tsy nisy loatra ry zareo ny fotodrafitrasa potika a! Ny hazo sy ireo fafana lehibe rantin-dokambarotra ireny dia ekena hoe miondrika na tapaka mihitsy fa vitsy ny trano simba na niala tafo. Anisan'ny tratra tamin'izany ny tao amin'ny efi-pilanonana sady fitazatazanana ranomasina ilany ambony havia amin'ny sary hitanao. Tsy niandry na nangataka fanampiana fa tapakandro ihany raha be dia tafaverina amin'ny laoniny ny tafo izay nikipaka manontolo ny ilany. Nihomehy ahy ilay namana malagasy avy any ampitan-dranomasina tafaraka tamiko tao nahita ny tahotro tamin'izany sady nampahery hoe aza matahotra ianao fa tsy maninona izany aty e! Hay moa izany efa natao ho afa-misedra rivodoza avokoa ny fanorenana any amin'ireny tanàna ireny.  Ny taty amintsika saika hanorina...