2.7.12

Ny Asa-Soratro

Tsy misy dikany, hoy ny tsy tia
fitiavana, hoy ny mpitoriteny
toriteny, hoy ny tsy tia maoraly
be maoraly, hoy ry zareo maditra
Ditra izany! hoy ny mpankahala
Tena halako, hoy ny voahitrikitrika
Fanitrikitrihana, hoy ny efa nahatsapa
Fahatsapana, hoy izay efa niharany
Misy azo ampiharina, hoy ny mpisaina
Ny fisainako ihany io ka!

Fandanian'andro, hoy ny tsy manam-potoana
io foana, hoy ny mpibedibedy
Be dia be ity, hoy ny mpandika vilana
Manahirana, hoy ny mpihafahafa
Hafa koa, hoy ny tsy mety mionona
Fiononako, hoy ny malahelo
Fendrofendro, hoy ny mampirediredy
satria rediredy, hoy ny tery saina
Fa miala maina izay tsy mankafy e!


Jentilisa
2 aogositra 1995



-66-

Aucun commentaire: