Accéder au contenu principal

Articles

Tapaka aterineto teto Madagasikara

Niditra andro fahaefatra tamin'ny fahatapahan'ny aterineto ny mpanjifan'ny moov.mg teto Madagasikara ary nambara fa nisy fiantraikany tamin'ny mpanjifan'ny orinasan-tserasera hafa izany fahatapahan'ny aterineto izany. Andro faharoa tamin'ny andro niasana ary ity omena anareo ity raha andro fahaefatra nahatapahana kosa. Ny Asabotsy maraina teo manko no tsikaritro ho tapaka voalohany ny aterineto ka tsy nahazoako afa-tsy moov.mg tamin'io andro io.

Ny nahafinaritra ny andron'ny 4 marsa 2011

Miala tsiny indrindra raha somary karazana dokambarotra no soratana manaraka. Tsy izany fa mba tiantsika indraindray ny zavatra atao hoe maimaipoana. Tsy miresaka vidin-javatra "mora" aho eto fa ilay fanandramana ataona orinasa iray eto Madagasikara raha mba mahaliana ny olona ihany ny hanara-baovao eo noho eo amin'ny alalan'ny valan-tserasera. Lalana iray amin'izany ny ataon'ity orinasa iray ity na dia nisinisy ihany aza ny somary kivy tamin'ny tolotra vaovao nomeny. Tsy ny fanaraham-baovao eo noho eo ihany no ilaina amin'izany fa ianao mba mampita vaovao ihany koa raha mahatsikaritra any amin'ny andalovanao any. [ View the story "Fanararaotra airtelmg" on Storify]

Zavatra hafa ambadiky ny mody atao hoe fanonganam-panjakana

Volana nanamarika manokana ny atao hoe fanonganam-panjakana na tsy fanonganam-panjakana ity volana avrily 2010 ity. Ahafahana mitaratra ny any ambadiky ny sehatra tsy hitan'ny besinimaro ireny zavatra hita maso na atao ho talaky maso ireny. Fitadiavana ny antony ao ambadik'ireny karazam-pihetsiketsehana ireny noho izany no ataoko eto fa tsy hianina fotsiny amin'ny hoe sarimihetsika io na sarintsariny io. Tsy ho sodokan'ny aseho ivelany aho fa mampitodika ny rehetra kosa ny fiantraikan'ilay toe-javatra sy izay tohiiny nanaraka ilay toe-javatra aroso eo anoloana. Mety ho tsy voamarikareo tsara angamba ilay nosoratako tamin'ny faran'ity herinandro ity ihany tao amin'ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe "Mpitarika mpamadika" teny amin'ny faramparany manao hoe : "Na dia maro aza ny zavatra tiako hosoratana toy ilay "tsy fanonganam-panjakana" dia hatreo ihany aloha ny soratana" , dia saiky hanoratra aho tamin'izany fo...

Mpitarika mpamadika

Fony nanana ny lazany ny mpitondra fivavahana iray fony tanora sady nanana ny lazany teo amin'ny sehatra politika ihany koa dia nitantara fa efa niova ny fomba fanenjehana na famotehana ny fiangonana. Tsy kianina mivantana na enjehina avy any ivelany intsony ny fiangonana fa atao izay hahatongavana ho lohany ka rehefa tonga eo amin'ny toerana tadiavina dia tarihina hivily lalana tsikelikely amin'izay ny fiangonana, ho very hasina ka tsy hisy dikany intsony izy ary dia ho rava ho azy avy eo satria tsy raharahian'ny besinimaro intsony. Toa tsapako izany toe-javatra izany eo amin'ny tolona ataon'ny legalista hatramin'ny herintaona ka mandraka ity androany. Teo ny niady ho loha sy solontenan'ny legalista ka rehefa hitany fa voakisaka tsikelikely izy dia naleony niditra ho minisitra fa any no misy ny tombontsoa kokoa. Teo ny mody tsy hitahita mihitsy fa rehefa voatendry dia misehoseho indray, rehefa tsy tanteraka ny fifanarahana dia iny koa no milentika. Teo ...

Iza no te-ho sefo sahala amin-dRalava Bodo na eo am-piandrasana an'i Maputo

Fanamarihana voalohany, tsy azo vakian'olona mora tohina. Fanamarihana faharoa: Aza avilivily ny eritreritra rehefa mamaky ny teny fa manahirana. Fanamarihana fahatelo: natokana ho an'ny tia miresaka politika amin'ny saina irery ihany, noho izany miangavy izay manao politika amin'ny fo hitsahatra amin'ny famakiana ny vakinteny ka isaorana amin'ny famakiana azy hatreto. Mahagaga sy fa mahavariana fa na dia liana amin'ny fahazoana vaovao avy any Maputo aza ny tena tsy mba mitaintaina akory fa mandray azy amin'ny alalan'ny kivazivazy zary tenany. Nahoana angaha? Rehefa nikatso ny fifampidinihana dia ity kivazivazy ratsy tsy firesaka am-pianakaviana ity no tao an-tsaiko koa miala tsiny miala fondro indrindra ho an'ny rehetra raha maro ianareo no ho tohina. Mifandraika amin'ny toe-java-misy amin'ny fotoana anoratana manko izy ity. Niady izay ho sefo, hono, ireto singa samihafa tao amin'ity firenena iray antsoina hoe Olombelona. Raha mires...