Accéder au contenu principal

Articles

15 taona izay ny 10 aogositra 1991

Feno 15 taona androany tokoa ilay diaben’ny fahafahana niainga avy teo amin’ny kianjan’ny 13 mey ka tapaka nanoloana ny lapam-panjakana teny Iavoloha. Sahabo 12 kilaometatra eo ho eo izany halavirana izany izay marihina fa notontosaina an-tongotra avokoa. Olona an-hetsiny ny namakivaky iny lalam-pirenena faha7 iny vao maraina. Nisatroka kasikety sy nivimbina akanjo maivana sy sakafo azo entina toy izany ihany koa.   Efa nitaintaina ny maro tamin'ity andro ity. Andro vitsivitsy mialoha ity diabe ity manko dia heverina fa nitovitovy tamin'ny tao an-trano avokoa ny tany an-tokatranon'ireo nandray anjara tamin'ny fandravana ny mandan'i Jerikô. Nifamaly ny mpivady, ny ray aman-dreny sy ny zanaka, ny mpinamana na ny mpifankatia ny amin'ny tokony handehanana na tsia. Mahatsapa avokoa ny rehefa fa ity no tena andro sarotra indrindra tamin'ny tolona nodiavina rehetra. Roa andro mialoha dia nandà tanteraka ny amin'ny handehanana any ny raiko. Ny reniko kosa niteny...

Ilay revy Japoney!

Somary hisintaka kely any amin'ny tanin'ny Masoandro miposaka any isika anio na dia mbola mafana dia mafana aza ny rivotra politika eto Madagasikara. Tsy natao hanempotra manko ny raharaha eto na dia fantatra aza fa any amin'ny faramparan'ny taona any vao tena hafana izy io. Andeha atao hoe haka rivotra kely isika. Rivotry ny revy ihany koa anefa! mbola vinavina manko ilay izy fa tsy mbola tena hita maso. Vinavina tsy mba kely sy ho an'ny tsy manambola na dia izany aza fa ho an'ireo izay mahasahy manonofy hahavita zavatra hahagaga an'izao tontolo izao sy mety hampiova ihany koa ny firafitry ny trano sy ny tanàna mihitsy aza amin'izao fiandohan'ny taonarivo fahatelo izao. Isika rehetra izay naharaka na dia kely ihany aza amin'ny tantara na eto an-toerana na any ivelany dia mahatsapa tsara ny lanjan'i Japana eo amin'ny toe-karena. Noheverina ho vao taonjato roa izay no nivoarany...indrindra taorian'ny fivoarana haingana Meiji...saingy e...

FLM Ambatovinaky nitsangatsangana

Anisan'ny tsy mba foiko mihitsy ny fitsangatsanganana isaky ny Paska faharoan'ny FLM Ambatovinaky. Izany manko ny filazany ny alatsinainin'ny Paska araka ny fahafantaran'ny maro azy. Fomba fanaon'ny fiangonana isan-taona rahateo io fitsangatsanganana io. Ny antony tsy amoizako azy aloha voalohany dia tsy mba mandiso fotoana tahaka ny fanaon'ny malagasy mifamotoana izy. Rehefa hoe amin'ny fito sy sasany no miainga dia amin'ny fito sy sasany tokoa izay no manomboka mitanjozotra ny fiara rehetra miala eo (amin'ny "square poincaré") anoloan'ny CEG Antanimbarinandriana ny fiara rehetra dia mamonjy ny lalana mankany amin'ny toerana lazainy fa handehanana. Ny fomba nizarana ny olona hahay hanaja fotoana tahaka io dia tena fiaran-dalam-by mihitsy, indrindra tamin'ny andro mbola nandehanany, no nandehanan'ny fiangonana tany ampiandohana nanapahan-kevitra hisian'ity fitsangatsanganana ity. Mazava hoa azy fa na niantsinanana na nia...