
Ny antony tsy amoizako azy aloha voalohany dia tsy mba mandiso fotoana tahaka ny fanaon'ny malagasy mifamotoana izy. Rehefa hoe amin'ny fito sy sasany no miainga dia amin'ny fito sy sasany tokoa izay no manomboka mitanjozotra ny fiara rehetra miala eo (amin'ny "square poincaré") anoloan'ny CEG Antanimbarinandriana ny fiara rehetra dia mamonjy ny lalana mankany amin'ny toerana lazainy fa handehanana.



Manaraka izany dia rehefa voatsinjara isaky ny taona ny olona rehetra dia misy ny tompon'andraikitra mandray azy ireny sy manao ny fanentanana ho an'izay vonona ny hilalao sy hiala voly. Na dia ny ankizy vao telo taona aza dia mahazo ny anjarany ihany koa. Misy moa ny reny no tsy miala lavitra an-janany tsy noho ny tahotra sao misy maka ny zananany ihany fa sao dia mitomany mitady an-dreniny ihany koa ny zaza. Ny mpampianatra Sekoly alahady efa zatra ankizy kely no mandray ireny zaza ireny ary ampian'ny renin'ny zaza ihany koa indraindray amin'ny fampilalaovana.
Dia eo ihany koa ny ankizy 5 - 7 taona, tia ny fihetsika mirindra sy ny hirahira madinika koa dia ampilalaovina tahaka izany ihany koa izy ireo. Tamin'ity indray mandeha ity moa dia niara-nilalao tamin'izy ireo ny pastora Rakotozafy Martin mba mianatra ny ho toy ny zaza ihany koa. mikiakiaka mihitsy ireo ankizy ireo rehefa tena ampoky ny hafaliana izay.
Mitovitovy tahaka izany ihany koa ny zokon'ireo izay vondron'ny 8 - 10 taona izay mbola tsy
tafala aminy ny fitiavana mihetsiketsika ary dia ampianarina mitadidy izay rehetra natao ihany koa amin'ny alalan'ny fanalana tsikelikely ny teny fa manohy hatrany kosa ny fomba fihetsika. Izay mandiso moa na tratra miteny any amin'ny fotoana tsy tokony hitenenana dia alefa eny afovoan'ny faribolana ka anaovana hira manokana mba handihizany manala hadisoana.

Fa ny tena nahafinaritra dia izay nataon'ny tanora latsaky ny 15 taona rehetra. Izany no tena hoe tsy lany fika mihitsy ireto tompon'andraikitry ny lalao ireto. Efa hatramin'ny ela hatrany angamba no nanomanan'izy ireo ny lalao kasainy atao amin'ny fotoana tahaka itony fa izay natao tamin'ny herintaona tsy dia miverina loatra ny taona manaraka. Tsy ny mpampianatra sekoly alahady irery tokoa moa no miandraikitra ny lalao sahala amin'itony fa manana ny anjara
toerany lehibe tokoa ny skoto izay havanana amin'ny lalao isan-karazany. Sarotra ny hanao fampitahana amin'ny vondrona hafa manomana kilalao tahaka izao fa dia ny fanomanana tsy kitoatoa tahaka izao no tena nanintona ahy tsy hidify araka izay azo atao amin'ny fitsangatsanganan'ny FLM Ambatovinaky.

Tsy mahagaga rahateo raha maro ny tanora tsy avy ao amin'ny fiangonana akory no mpamonjy ny paska faharoan'ny fiangonana. Tahaka ny tsianjery fotsiny ny hoe eo anoloan'ny Mahamasina ny fotoana dia tonga alohan'ny amin'ny fito sy sasany fotsiny . Dia mitady izay mivarotra tapakila avy eo mba ahafahana miditra anaty fiara sy miverina tsy amin'ahiahy.
Na dia ny olon-dehibe ny ny efa nahatratra ny taona fisotroan-dronona aza dia manana ny
anjarany ihany koa araka ny efa nolazaiko tamboalohany ihany. Tsy ankifidy ny fitadiavana kilalao. Na dia izay natao fahakely aza mety mbola hiverenana ihany satria tsy ary hahita lalao vaovao hatrany tsinona fa izay efa tsy natao ela no averina indray na dia somary efa mivoatra kokoa aza ny fepetran'ny lalao sy ny fizotrany. Hehy hatrany amin'ny ankapobeny no mameno ny lalaon'ny rehetra amin'izany fotoana izany.

Na dia eo aza izany rehetra izany dia misy ihany koa ireo efa nifidy ny hiala voly manokana amin'ny alalan'ny hirahira ambany kininina sy ny fanatanjahan-tena isan-karazany toy ny baolina fandaka sy ny volley-bala ary ny basket-ball. Manana ny kianja antonona izany rahateo ity toerana nandehanana ity.

rehefa samy nahavita ny fialam-boliny maraina ny sokajy rehetra dia manomana ny karazam-mpampisehoany avokoa nony avy eo. Omanin'ny rehetra araka ny sokajin-taona izany mandra-pahatongan'ny ora fisakafoanana. rehefa vita avokoa ny sakafo sy ny filana torimaso madinika dia mamonjy ny sehatra izay nivavahana tamboalohany ny rehetra hijery izany nomanin'ny olona nilalao. samy mahazo karazam-pahatsiarovana avokoa moa ny rehetra nilalao maraina ho mariky ny fahaiza-niara-nientana. Saingy tamin'ity taona ity dia tsy tontosa hatramin'ny farany ny lanonana tolakandro fa nadrahona be ny andro. Voatery natao ny fivavahana famaranana ny fotoana reheta tonga ny tamin'ny telo ora tolakandro. Samy namonjy ny fiara nandehanany ny maraina avokoa ny rehetra avy eo. Hira hatrany no mandravaka ny lalana eny an-dalana na nadroso na ny niverina. Na dia izany aza dia nisy ihany koa ny nanao zavatra hafa tahaka ny nilalao karatra ohatra na niresaka sy nampiresaka tsotra izao. Tratran'ny fitohanam-pifamoivoizana izahay
raha vao naianga kely fotsiny ny fiara. Nefa efa zatra izany avokoa ny rehetra. Tratra alina izahay vao nigadona indray teo anoloan'ny vavahadin'i Mahamasina. Samy afa-po na dia izany aza. Amin'ny faran'ny taona indray ny fanaovana sasak'alina raha tsy te-handihy fa hilalao amin'ny "fomba mihaja" sy hanala andro ary dia ao amin'ny akanin'ny fiagoanana hatrany no fanaovana izany. Ireo no fotoana roa ampiavaka an'Ambatovinaky rehefa amin-javatra sahala itony.

Commentaires