26.1.12

Telo taona izay ny 26 janoary 2009 [sary]

Te-handray anjara kely indray amin'ny tsiahin'ny tantara ny tena noho ity andro iray mipetraka ho tantaran'i Madagasikara ity. Misy ny haino aman-jery no milaza azy ho androm-pisaonana. Izany tokoa ve? Teto no nanomboka ny sahotaka teto Antananarivo ary tsy mety mitsahatra ny krizy hatramin'izao fotoana izao.

Mba hamoaka sary vitsivitsy indray ny tena hanaovana jery todika ny zava-nitranga.

Ny maraina, efa nafana noho ny fitsenana an-dRavalomanana omalin'io ny toe-draharaha teto Antananarivo.

Indreo ny maro amin'ny Tanora Gasy Vonona, miomana sahady amin'ny alalan'ny fanentanana. (tsindrio ny sary rehetra izay tiana hohalehibiazina ny mahita azy)

Indro ny Ben'ny tanàna efa tsara aro, fa misongadina eto ny fahamaroan'ny tovolahy sy ny lehilahy. Efa vonona hisedra izay hitranga rehetra ve ry zareo? Raha ny sary dia tena tolon'ny tanora tokoa izy ity. Sa ahoana?


Efa nirohotra tokoa ireto vahoaka ireto, mety ho tezitra tamin'ilay "fifidianana ankolaka" nitranga tamin'ny fitsenana an-dRavalomanana.

Kabary fohy no notontosaina dia lasa izao, hanafaka ireo tanora telo nosamborina any amin'ny fitsarana no antony nialana. Ny siosio anefa dia efa nanambara fa efa nampodiana ireo tovolahy ireo. Dia inona moa izany no tena andehanana any Anosy? Ankoatra ny Fitsarana dia inona koa no misy any?

Tao anatin'ny heriny indrindra ny Tanora Gasy Vonona teto raha ny hamaroan'olona nidina an-dalambe no jerena. Teto izy araka ny fijeriko no nisandratra indrindra. Ny Iraka nolazaina tamin'ny mpitolona dia hanafaka mpitolona tazonin'ny Fitsarana.

Fa manontany tena ihany aho hoe taiza ho aiza ny fiara rehetra no voasakana tsy handeha intsony, tsy hita intsony na tapikany iray aza.

Feno ny  toerana, indrindra fa ireo natokana ho an'ny mpandeha an-tongotra. Moa va tsy andian-jatovo no tena hitanao? Hatreto mbola any amin'ny TGV ny fon'ny tanora. Tsy mandainga ihany koa ny vato mihoatra nyt 60% azony teto Antananarivo. 
Hatreto, nitodika tany amin'ny Fitsarana ny mason'ny mpanara-dia. Avoahy tao izao namanay tazonina ao izao.

Ary tsy nitondra basy ry zalahy hatreto hay an! kibay ihany. Mety ho izay angaha no tsy naharesy tosika ny olona? Izaho kosa mihevitra fa efa nifanarahana hatry ny ela ny zavatra atao.
Hay moa efa raikitra ny fanafihana ny radiom-pirenena sy ny televiziona nasionaly.
Kisendrasendra fotsiny ve? Toa misatroka avokoa ny ankamaroan-dry zalahy tena nandravarava ny fananam-panjakana? ary heverina fa anaty vondron'olona manana ny toerany anaty fiaraha-monina, sa izaho no diso fijery?
Tsy mitovy fitafy loatra amin'iretsy nanafika ny radiom-pirenena iretsy kosa ireo nitazana, be no misatroka fa mafana kosa ny andro, sa ahoana? Firy ny isan'ny vehivavy hitanao amin'ity sary ambony eto ity?
Tsy efa nisy nanomana kosa ve izao toe-javatra izao? Ka ireto no mpanatanteraka ny iraka?
Nihatakataka teny ampita ireo sady tsy nanara-dia an-dRajoelina "any amin'ny digue" no tsy te-handray anjara amin'ny fanimbana ny fananam-bahoaka.
Izay vao nivoaka ny faritry ny TVM sy RNM ireo miaramila nihitsoka tao. Fa taiza ireo teo? Namela fotsiny ny hafa hanimba sa nandray anjara tany amin'ny tsy hita maso tany? Ary an'iza aloha ity kamiao miloko fotsy ity fa tsy an'ny tafika ny fijery izao an!
Miaro ny ainy dia manao ny marika V sa efa fandresen-dahatra ao anaty ao? Samy faly na ny mpitolona na ny zandary sa ahoana? Nanomboka teo ny fandrobana sy ny fanimbana zavatra maro nanerana ny tanàna, indrindra fa izay mety ho fananan-dRavalomanana.
Fandalovana teny 67ha tamin'ny fotoana nahamay indrindra ny MBS Anosipatrana. Tsy hita tsara ilay fiara fa ireo zatovolahy somary ambonimbony hitanao dia ambony fiara ireo. Saiky vory teo avokoa ny avy eny Ankasina, na ny avy eny ambany tanàna, hotarihana ho eny Ankorondrano. Fiara iray no nitarika ireo olona ireo. Tsy tazantsika ny fiara ka aleo koa tsy lazaina hoe an'iza ilay izy na mitondra an'iza...
Rehefa noheverina ho voatafika avokoa izay nokendrena rehetra dia nitodi-doha nankeny amin'ny kianjan'ny 13 mey indray ny Ben'ny Tanàna. Vao niepoka tao anaty fiara indrindra izy fa nosintonin'i Dolin Rasolosoa hipetraka. Matanjaka tsara  kosa ny fiarovana, tsy tahaka izay hita teny Ivato izay mora gorobahina. Heverina, sady mifanaraka amin'ny efa nokabariany rahateo izany, fa ireo vondron'asa misahana ny fiambenana efa nalaza tamin'izany fotoana izany no nokaramaina sy nampiandraiketana ny fiarovana tamin'ity andro iray ity.
Ireto ireo nanara-dia azy hatramin'ny farany tamin'ity andro ity. Ireto ireo tsy ho resinao lahatra intsony fa na inona na inona hitranga, maminy hatrany i TGV.
Tazana eto ny lohany sy ny faran'ny laharana, ireto no tsy reraka na niainga an-tenantenan-dalana.
Noana izahay, hoy ny antsoantson'ireto mpanara-dia mahafatra-po ireto. Mandehana maka atsy amin'ny Magro Behoririka atsy hoy ireo mpikarakara ny hetsika. Nisy indray no nihazakazaka nankao Behoririka, hibata izay zakany sy azony entina mody.
Nandeha ny fanetanana nataon'ireto anaty fiara ireto ny handehanana ao amin'ny kianjan'ny 13 mey indray fa hanao fanambarana ny Ben'ny tanàna. Nolazain'izy ireto ihany koa fa maty (teo am-panafihana ny MBS) tao Anosipatrana ny maritiora TGV voalohany ka mba handrasana ny razana.













2 commentaires:

mpandinika tantara a dit…

Misy farany daholo ny zavatra rehetra ry Rajentilisa a! iza no tsy ho tsaraina raha mbola miaina e? maharary aminao ny very vola ariary 100 fotsiny ka vao maika fananan'olona. Fa na inona na inona excuse nao ry vahoaka mpnadroba rehetra, hotsaraina ianao fa mpangalatra, mpandroba!!! Niala teto Andriamanitra nanomboka tamin'iny 26 janvier iny, izany no mahtonga ny crise tsy voalamina hatramin'izao : fifandrangitana, adim-poko (PM tsy tokony hiray fihaviana @ PHAT, sns..., lainga, endrikendrika, vono olona, fifanafihana, fifanaratsiana, sns
tsy manamanrika ve ianareo hoe izany no manjaka eto taorian'iny 26 janvier iny? antsika rehetra no mamakafaka, manjaka Satana. Ka mila averintsika eto @ nosy Andriamanitra!!! izay no hafatro

jentilisa a dit…

Misaotra anao nanoratra! miala tsiny fa izao vao nanokatra mailaka! Mila olona maro mijoro sy mahasahy mijoro ny firenena!!!