29.1.07

Fahasahiana

Misy zavatra telo no azo lazaina ao anatin’io teny hoe fahasahiana io amin’ny lahatsoaratra avoaka androany.

Ny gazety Ny vaovaontsika

Sambany araka ny fahalalako azy no nanoratra nitsikera ny mpiasan’ny fivondronana ity gazety fantatra fa ny manam-pahefana lehibe indrindra eto Madagasikara no tompony. Asa efa neken’ny tonian-dahatsoratra matoa tafavoaka ny lahatsoratra. Tao Anosibe tsena andrefan’Antananarivo no niseho ny raharaha. Noraofin’ny mpiasan’ny fivondronana manko ny voankazo mbola tao anaty sobika maromaro an’ireo mpivarotra an-tsisin-dalan’Anosibe. Sady mandraoka ny varotry ny olona ry zalahy no mamely ka nisy ny naratra vokatr’izany fanao mamohehatra izany. Saiky safotra tsy nahatsiaro tena ranamana vokatr’ny ny daroka nataon’ny mpiasan’ny fivondronana.

Soa ihany fa nisy ramatoa (izay heveriko fa olona akaikin’ny ao amin’ny mbs group) nitondra ilay maratra tany amin’ny hopitaly ka voatsabo haingana ihany ranamana. Nilaza ny tsy hametraka fitoriana ranamana maratra satria mbola hifanena matetika amin’ireo mpiasan’ny fivondronana ireo ka tsy fantatra ny kakay miandry azy fa ilay ramatoa nitondra ny maratra kosa no tsy nanaiky fa tsy maintsy hitory ireo mpiasan’ny fivondronana ireo. Amin’ny ankapobeny dia maman’aliny na aman’hetsiny ariary isaky ny mandraoka entana no azon’ireo mpiasan’ny fivondronana ireo fa tsy misy sahy mitory eny amin’ny manam-pahefana mihitsy izay tratrany satria miaina ao anatin’ny rafitra tsy ara-dalàna manko ry zareo. Tsy nahazo toerana mihofa isam-bolana manko ry zareo.

Ny governemanta Rabemananjara

Vao nandray ny fitantanana ny governemanta ny lehilahy dia sahy niteny izay tsy hahafaly vondron’olona maromaro eto amin’ny tanàna. Nitsidika ny tra-boina teny amin’ny faritra maro teto Antananarivo ny mpikambana sasany tao ami’nny governemanta ary dia tsy mitambitamby ny kabarin’ny praiminisitra. Ankoatra ny fahalalany fa misy ny tsy tra-boina akory dia nilaza izy fa be ny toerana tokony tsy onenana intsony fa tokony akarina ny haavo’ny tany farafaharatsiny. Be araka izany ny toerana efa tokony hialana ary na ny trano tsy zarizary aza dia efa nokianiny mivantana teo anatrehan’ireo tra-boina. Marina ny zavatra nolazainy fa ny fiantraikany any amin’ny olona no tsy fantatra. Ny malagasy manko, ny tena izy hatramin’izao tsy ny zavatra lazaina no tena zava-dehibe aminy fa ny fomba filaza azy. Ary rehefa izy no sosotra indray mandeha tahaka ny mitana an-dolom-po izany matetika.

Nitovy hevitra laloha izahay tamin’iny indray mitoraka iny ary mety hahafinaritra ny fomba fiasany raha sahisahy tahaka izany izy. Ny hany olana dia tokony hiaraha-midinika ihany koa ny vahaolana noho ny fahasahiranan’ny olona sy ny fahaterentsaina mbola manjaka ihany. Ampiana izy na tenenina mivantana amin’ny fampakarana ny haavon’ny tany. Izaho koa mahita fa na ny lalana any anebakebany mankany amin-dry zareo aza dia tsy maintsy mirobo-drano isaky ny avy ny orana. Ny eny an-tahalaka no tena tiako lazaina. Tamin’ny gazety moa no nahitako ny teny hoe vinavinian’ny governemanta ny hamindra ny olona eny amin’ny farotra iva saingy ny fahazarana anie mbola manjaka ary ny trano eto Antananarivo tsy maharaka ny isan’ny mponina ao aminy.

Halatra nataon’ny mpitsara baolina.
Amin’ny mahapolitika fanorona ity vohikala ity dia tsy maintsy miresaka lalao sy fanatanjahantena koa aho fa tsy hianina amin’ny politika eto fotsiny. Na dia avy aza ny orana dia mbola nijery ny lalao nihaonan’ny as Adema sy ny anse reunion aho. Fitiavana angamba izany. Nahavariana fa betsaka ny mpijery niaritra izany orana izany. Manana filalao mahafinaritra kosa aloha ny Adema na dia izany aza e !

Fa nahasorena tanteraka kosa ny nataon’ny mpitsara ny ny mpilalao Seisheloà. Na ny baolina lavalava aza mbola vitsy lalao mijanona noho ny lalao omaly. Ny atsasaky ny fotoana mahery dia lany tamin’ny fijanonana sy ny fitsaboana ny maratra vahiny teny ambony kianja. Ny dokotera moa dia mitetika ny hamakivaky ny kianja amin’ny fandeha miadana ka telo minitra mbola tsy tafavoaka ihany. Ny fitondrana marary sasatry ny entina eny ambony kianja fa tsy mandeha amin’io izany mihitsy ry zareo. Ny mpitsara moa dia ny mibahambahan ny mpilalao gasy tsy mahazo mikitika ny maratra no ataony.

Nahatafiditra baolina roa ny malagasy fa nolavin’ny mpitsara anjorony avokoa izany. Ny baolina maty voalohany anefa dia baolina avy eny ampin’ny mpiandry harato fa dia nolazainy fa lasa aloha loatra indray ny mpanafika malagasy…Olona iray nampiseho ny karany sy ny mombamomba azy mipetraka any Seychelles no niteny fa ilay mpitsara anjorony nanda ny baolina tafiditry ny malagasy ny Maorisiana mpivezivezy (mba tsy hilazana hoe mipetraka) any Seychelles). Raha vitsy indrindra dia 12 ny baolina tokony ho tafiditry ny malagasy ary raha nisy dia nisy dia baolina iray ihany no natahorana ny an’ny vahiny. Vavolombelona nahita ny lalao manontolo aho ka mahita tsara fa toa mifanaraka ambadika amin’ny handaniana fotoana amin’ny tsy misy dikany ny mpitsara sy ny ekipa vahiny. Tsy nifandanja mihitsy ny lalao fa dia nisaraka samy tsy nisy nitoko moa no niafarany. Mazava loatra fa ny hahatafakatra azy amin’ny fomba rehetra no tadiavin’ny vahiny na tsy mendrika azy aza izany !

Araka ny re ihany koa moa dia nahatafiditra baolina roa tahaka izany koa ny ekipan’i Ajesaia tany Maorisy fa nolavina avokoa ireo baolina tafiditra ireo. Nahatafiditra baolina iray kosa Starlight ary dia neken’ny mpitsara soa aman-tsara izany. Amin’ny lalao miverina moa no hahitana ny tena haavom-pahaizan’ireto Maorisianina ireto fa izaho manokana tsy nanantena be loatra intsony ny Ajesaia…

Aucun commentaire: