Ny Kung Fu Wisa

 

Tafiditra anarana ao amin'ny Tantaran'i Madagasikara izany Kung Fu izany, indrindra fa ilay endrika malagasy antsoina hoe "wisa". Tao anatin'ny vanim-potoana mahamay, tsy nahomby ny fitokonan'ny mpiasam-panjakana (1977-1978), resy tamin'ny fifidianana filoham-pirenena i Dadamonja (1981). Nanjaka ny herisetra sy ny fanendahana no nivondrona tsikelikely tao amin'ity taranja haiady ity ny tanora maro, indrindra fa ireo avy amin'ny saranga antonony. 

Nifanenjika teny rehetra teny ireo Kung Fu sy ireo Tanora Tonga Saina. Mbola tany am-pianarana izahay ny 4 desambra 1984 no nalaza tao an-drenivohitra fa hanafika ny toby Pochard, foiben'ny TTS, ny Kung Fu. Samy nafana satria efa nifanao fihantsiana. Ravan-dry zareo Kung Fu tanteraka ny toby ary maro ireo tovovavy nanjavona no hita tao sy ireo entana halatra maro.

Taloha kelin'izany, nanao varavarana misokatra ny TTS, te-haneho fa tsy manana zavatra afenina manoloana ny resabe ataon'ny olona, fa tsy nisy olona nahasahy niditra tao. Raha nandalo teo izaho sy ny raiko indray mandeha no nanandrana niditra tao mba hijery izany zavamisy izany. Tsaroako tsara fa nilaza ireo olona tao hoe angaha misy na inona na inona ato e! Tsapa avy hatrany fa resaka fotsiny ilay hoe misokatra fa be aza no nafenina no marina kokoa.

Tamin'izany fotoana izany ihany koa, nanao asa fanasana tamin'ny rano ny kianjan'ny 13 mey ny Kung Fu, ankoatra ny fakana rano an-doharanon'Ambohimanga natao an-tavoahangy kely nasikina anaty fehikibo am-balahana. 

Hay tao anatin'izany fotoana izany, tsy maty voalavo an-kibo ny fitondram-panjakana. Nanafatra ny 2e RFI Antsiranana ho tonga eto Antananarivo. Hanafika ny fonenan'ny GM Pierre Be tao Ambatomainty ny alin'ny 31 jolay mifoha 1 aogositra 1985. 

Izaho kosa tany am-pilasiana tany Mantasoa, niaraka tamin'ny Tily Sampana maitso. Tsy nahalala na inona na inona momba izany fanafihana izany izahay, fa tsy nahatratra fiaran-dalamby (Banlieu) tao Anjeva hody, moa ny olona teny an-dalana samy niteny anay avokoa hoe aza tonga dia miakatra any Antananarivo fa aleo rahampitso maraina vao miakatra any. Tao amin'ny garan'i Mandroseza izahay no niala satria tsy tonga hatrany Soarano intsony ny sarandalanay. Nijery anay sahala ny mijery inona avokoa ny olona rehetra nandalovanay, dia izahay koa mba gaga hoe fa inona koa ny mahagaga ny olona? Hay zavadoza no nitranga teto Antananarivo. Vavolombelona tsy nanatri-maso!

Ianao koa, manan-kotantaraina momba izany ve? Mifanorata aminay ary aza hadinoina ny manjohy ny pejy sy mitia azy!

--------- 
Manaraka izany ihany koa, manao ity fanentanana ity koa ny mpanoratra satria ao anatin'ny fanampianao azy mihitsy ny manampy ny Global Voices araka izay zakanao. 

 

#KeepGVStrong 

Raha te-hahalala bebe kokoa moa ity fanentanana ity, miangavy midira ato  

 

 

Commentaires

Lahatsoratra be mpamaky (30 andro)