18.7.25

Ilay Lanonan-Tsingerintaona Matroka tao Ambohimalaza

Iray volana mahery izao no nitranga ilay voina tsy manampaharoa teto Madagasikara nitranga teny Ambohimalaza, lalana mivily mankany amin'ny sampanan'Imerinkasinina. Noho ny toe-javatra mifamahofaho tsy ahafantarana izay nitranga tokoa na iniana anafenana izay tena nitranga sy ny antony mahatonga ny voina dia nanoratra ihany ankehitriny.

Ny fitondram-panjakana midrikina hatramin'izao fa famosaviana amin'ny alalan'ny fanapoizinana no nitranga tamin'io fotoana iray efa nahafatesana olona mihoatra ny telopolo amin'izao fotoana izao io. Misy kosa ireo mihevitra fa tsy izany velively fa trangan-tsakafo efa tsy tokony nohanina intsony ny tao ka niteraka aretina (fahapoizinana ihany koa) antsoina hoe "Botulisme" izay tsy maintsy anaovan'ny fitondram-panjakana fanambaràna eo amin'ny sehatra iraisampirenena amin'ny alalan'ny OMS (Sampan'ny Firenena Mikambana misahana ny Fahasalamana) ny fisiany.

Efa niteraka fisamborana olona, izay heverin'ny mpanoratra ho lasibatra tsy fidiny, ity raharaha ity satria endrikendrehina ho izy no nandraraka ny poizina. Nohazonina amponja ihany koa, araka ny resabe mandeha, ny mpitsabo amin'ny alalan'ny otra iray, nahasitrana olona marary tao amin'io lanonana namoa-doza io. Satria manjavozavo ny raharaha hatramin'izao dia lasa ny ahiahy fandrao tena iniana novonoina mihitsy ireo olona ireo ka lasa sorona amin-javatra tsy takatry ny sain'olombelona tsotra, ka noho ity ramatoa iray ity nahasitrana dia nohazonina izy fandrao sitrany koa ny hafa. Ahiahy io fa tsy milaza velively fa izany no marina.

Manginy fotsiny ireo fahafatesana tany amin'ny faritany toa an'Ambositra, Mahajanga, Toamasina sy izay tsy nisy niresaka.

Ankehitriny, ireo olona any ampitan-dranomasina ihany no tena mahasahy miteny sy miresaka fa ny eto an-toerana kosa mangina fandrao tratran'ny fiampangana ho manakorontana ny filaminam-pirenena tahaka ilay Mpitandrina iray izay tsy hitako moa ny zava-nosoratany, ka voatery nanao fialantsiny novakiany an-taratasy mba tsy hampidirana azy am-ponja.

Ohatra amin'ny fahasahiana manao zavatra ity vehivavy iray ity, efa mihoatra ny 15K (15000) sahady ny nizara ny zava-nosoratany tao anatin'ny fito ora.

 

17.7.25

Fanararaotra sa mampatahotra?

Mahafantatra isika fa miezaka manatanteraka ny lalambe migodàna na ny autoroute ny fitondram-panjakana malagasy. Malaza fa tsy misy vola aloa ho an'ireo manana tany tratran'izany lalambe migodàna izany, marina ve sa tsia? 

Nisy ihany ny fanoheran'ireo izay niharan'izany nefa haingana ihany dia nitsaha-ketrika izany. Sarotra ho an'ny olona izany hiady amin'ny fanjakana izany, indrindra fa hoe aty ambanivohitra. Mora ahodina manko ny vaovao nefa tsy eo ampelatanan'ireo tantsaha ireo mihitsy ny hery sy fandresen-dahatra ny hafa, na ny any an-tanandehibe na ny any ampitan-dranomasina, hoe tena tsy rariny ho azy ireo ny mihatra amin'izy ireo. Vao lazain'ny filazam-baovao fotsiny hoe "dahalo" ireo dia efa faty izany no miandry, ary fonja farafahatsarany.

Hita koa fa misy ireo olona izay ankebakeban-tany teo aloha, nefa lasa amoron-dalana amin'izao fotoana izao, no mivarotra ny taniny noho ny tahotra fandrao lasa tsy ahazoam-bola ihany koa ny fananany, misy ny fitenenana teny malagasy manao hoe aleo mihinan-kely toy izay mandry fotsy. Lasa heverina ho adala raha miady samirery, dia miara-manapakevitra hoe aleo amidy. Misy anefa antokon'olona efa miandry mahazo fotsiny manantena hahazo mora. Inona moa izany varotra izany fa dia varoboba ary tsy fantatry ny Malagasy ankehitriny intsony ny fahotana mahafaty amin'izany "mivarotra tanindrazana" izany. Indrisy ry fireneko, mbola hisy ve ianao? Mbola ny Malagasy amin'izao fotoana izao ve no honina sy hianoka ny soa eo aminao rahatrizay?

20.6.25

Mampiasa sarety satria...

Setrin'ny lahatsoratro teo aloha. Tsy olonkafa fa izaho ihany no namaly. Efa notsakotsakoina ela tao an-tsaiko daholo na ny nosoratana teo aloha na ny soratako amin'izao fotoana izao. Nahoana moa ny olona no tsy hampiasa sarety kosa e? Ny sarety angaha sakanan'ny mpitandro ny filaminana eny an-dalana savaina taratasy? Mandeha tsimoramora ireny ary jerem-potsiny. Jereo ireo fiarakely mitondra entana sy ireo kamiao isankarazany. Impiry izy ireny no voasakana ary voasava ao anatin'ny iray andro? Hay tsy ny mpitondra entana ihany fa ireo mpitatitra olona maro koa rehefa maraina indrindra indrindra.

Sady tsy voasakana ireny no hajain'ny fiara ihany koa. Na ny sarety aza no lohalaharana amin'ilay fitohanan'ny fiara ary malalaka be ny eo alohany, rehefa tsy mahasongona azy ny fiara dia mangina, tsy manendrinendry anjomara fahatany na hitabataba amin'ny mpitondra sarety fa miandry izay hirika isongonana fotsiny. Nahoana? Angaha raha voakasik'ireny sarety ireny ny fiaranao tsara tarehy dia handoa vola anonerana ny simba ireny? Ianao fotsiny no tezitra sy malahelo fa ny olona hiaro azy ireny raha miseho masiaka aminy ianao: angaha rehefa madinika kosa dia hanao tsindrio fa lavo ianareo? Amin'ny sarety mandona na mandilatra fiara ihany, tompoko, no vitan'ny azafady ny resaka ary tsy miditra amin'izany ny trano fiantohana ankoatra ny hoe nividy ny fiantohana ny risika rehetra angaha ianao.

Fa niresaka fanakanana fiara ihany dia manararaotra kely. Amin'ny ankapobeny raha voasakana ny fiara entinao dia misy zavatra ahiahiana izay. Koa misy traika henjana noho izany ny fanakanana isan'andro ny fiara mitatitra entana na mitatitra olona, toy ny hoe ahiahiana amin'ny zavatra rehetra ianao, manjary mahatonga ny fisaina hoe toa izay miasa ihany ho ahiahiana koa tsy aleo ve mijanona amin'izao? Rehefa tsy sakanana tsy savaina anefa ny sarety dia aleo entina sarety ny entana satria ilay miasa izany heverina fa tsy tokony hahatakatra fiara dia savaina taratasy isan'andro e! Koa tsy atao mahagaga raha tratra aoriana indrindra ny firenena koa. Izay miasa heverina ho kely karama daholo, ary izay miasa mahatakatra mitondra entana na mitatitra olona amin'ny alalan'ny fiara dia olona voalohany ahiahiana indrindra ny fidiram-bolany dia aleo savasavaina mba hanome kely e!

14.6.25

Ny endri-pitondrana tian'ny Malagasy amin'izao fotoana izao!

 Mamely mafy ny fahatapahan-jiro ary efa miantraika lalina amin'ny asa miankina tanteraka amin'ny herinaratra. Fa inona moa ny asa tsy miankina amin'io herinaratra io? Raha any amin'ny firenen-kafa no mitranga ny zava-misy eto Madagasikara amin'izao fotoana izao efa ady tsy ifankahitana ary tsy hanaiky hovonoina fotsiny izao ny olona. Fa raha eto Madagasikara kosa dia tena izao mihitsy no ankasitrahan'ny Malagasy, tsy hoe safidy fa izay no nanolokoloana azy ary dia iraiketany lalina.

Mpitondra be fihetsiketsehana no tadiavin'ny Malagasy fa tsy mitondra ho amin'ny fampandrosoana. Mpitondra be fihetsiketsehana, mizara zavatra etsy sy eroa, mizara izay heveriny fa tena miditra amin'ny ati-vilaniny tokoa. Endrey izany hafaliany rehefa mahazo vary iray gony, rehefa mahazo menaka amin'ny litatra iray na vitsivitsy. Hisy tahaka izany indray ve? Efa aterina isan-tokantrano ny sakafo fa tsy tadiavina intsony, tsy dia ilaina loatra ilay miasa mafy fa manasatra fotsiny. Fa tsy ny rehetra no atao izany! ireo manana hery sy tanjaka fa tsy nandalina loatra, ireo tsy mieritreritra intsony hiditra amin'ny sehatrasa ara-dalàna (izany hoe manaiky handoa hetra) nefa mahatsangana trano maromaro amin'izay, izay tsy ho vitan'ny mpandray isam-bolana velively raha ny mari-karaman'ny maro an'isa amin'izao fotoana izao.

Ahoana hoy ny olona mahita ireny sarety tsy ahafahan'ny fiara hafa rehetra misongona ireny? Avelao kosa izy hiasa fa tadiavinareo hangalatra kosa ve? Raha aty ambanivohitra tsy dia misy fifamoivoizan'ny fiara loatra tokoa dia tena rariny fa raha ao an-drenivohitra kosa aloha? lany eny an-dalana ny fahatanoràna hoy ny fomba fiteny ankehitriny. Tsy sarety ihany no tahaka izany fa amin-javatra maro izay mariky ny fihemorana fa tsy fandrosoana velively koa tsy atao mahagaga raha mihazakazaka mankany amin'ny farany i Madagasikara fa tsy miara-mizotra amin'ny firenena hafa manerana izao tontolo izao.

Avadika tanteraka kosa indray ny resaka fa eo amin'io fitiavan'ny Malagasy io fitondrana io ihany. Gaga tanteraka ny tena raha nisy Mpitandrina iray niditra politika nirotsaka ho Ben'ny tanàna. Tsy ilay mpitondra fivavahana niròna ho amin'izany no mahagaga, fa zara aza mba misy olona mandray andraikitra toa izany. Nahomby sy nandresy izy tamin'ny voalohany, nanao zavatra maro hampandrosoana ny tanàna nentiny, tamin'ny androny no vita ny ankamaroan'ny lalana tao amin'ny kaominina misy azy, nezahina ampiharina ireo hetsika rehetra mankany amin'ny fampandrosoana sy ny fampivelarana ny kaominina, lasa manana ambim-bola an-tapitrisany maro ilay kaominina tsy nanana na inona na inona intsony talohan'ny nandraisany ny andraikitra. Fa resy lavitra be izy tamin'ny fifidianana farany teo ary tsy nifidy azy hatramin'ireo heverina ho iray antoko aminy satria nahoana? Tsy misy ihinana mandritra ny fitondrany fa marina sy mangarahara loatra. Aleo ihany misy ilay bôjibôjy kely iavotan-tena fa tsy vita izany tena hiasa izany.

Dia izao isika izao, iarahan'ny rehetra mahita ny zavamisy ankehitriny. Singa roa monja no lazaina fa be no azo tenenina. Izao no tena tian'ny Malagasy fa fihatsarambelatsihy ny ankoatra izay. Ny hanateran-kanina tsindraindray no tiany fa tsy ny hilofo amin'ny asa. Ilay mijanona ho mahantra iantràna no tadiaviny fa ialonana izay lasa miavo-tena. Mifona tompoko fa indraindray mahamenatra ilay mijoro ho Malagasy raha ny toe-tsaina tahaka izao ihany no ifikirany.

2.4.25

Iza no mifehy an'Antananarivo?

Izay nanara-baovao dia naharaka fa niezaka ny hanadio an'Analakely sy ny manodidina ny fiadidiana ny tanànan'Antananarivo fa ho avy eto Antananarivo ny filoha frantsay sy ny delegasiona matanjatanjaka ihany. Efa mahazatra ny eto an-tanàna ny miezaka ny hanadio, manatsara ny tsihy avelatra, na mihatsaravelatsihy hoy ny fiteny mahazatra. Dia tsy maintsy mba mametraka fandaminana kely na dia vonjimaika aza. Saingy tsy nizotra araka ny noheverina ny zavamisy ary tokony hihiratra avokoa ny mason'ny rehetra, indrindra ireo miseho ho manantsaina saingy mbola manandratra ambony ny revy sy ny fety dia miaritra indray ny andro hafa sady mody mimenomenona amin'ny gaboraraka nefa tsy hanao na inona na inona hiatrehana izany.



Ny faran'ny herinandro teo, ilay lazaina ho mandritra ny taombaovao malagasy sy ny Aid-el-Fitri anefa dia tsy nijery andro fety izany ny mpivarotra amoron-dalana fa nanatontosa fitokonana, niara-nientana avy hatrany. Atao hoe miankina aman'aina ilay izy fa dia miara-dia hatrany na dia latsaky ny 2000 isa aza ry zareo. Manaraka izany, satria fantatra amin'ny fiarovany ny mpitondra sy ny mpankahala ireo mpanohitra mikendry ny hiditra kianja 13 mey ireo vondron'olona ireo dia sarintsariny fotsiny ny famoretana fa dia nanaiky tsi-sazoka ny fiadidiana an'Antananarivo.

Inona ny vokany avy eo? Vao maika nahazo vahana, na nomena vahana ireo olona ireo. Raha heverina ho tsy ara-dalàna ny fivarotana amoron-dalana dia vao maika nahazo ampahan'arabe ivarotana aza ry zareo ary tsy ho afa-manenjika na manaisotra ny mpivarotra amoron-dalana intsony ny fahefana eto an-tanàna. Izay no fanehoana fa izay mifehy ny tsena eto Antananarivo, satria efa tsena eto Antananarivo ny fivarotana amoron-dalana ary tena mahazo be mihoatra noho ny manara-dalàna ireo olona ireo, no mifehy ny tanàna.

Fa fiantraikany hafa dia asehon'io hetsika io fa ny fikambanana Tanora Miandrandra ny Hoavy no tompon'ny tanàna, no tena tompon'ny tanàna amin'izao fotoana izao. Manankaja eo anatrehan'ireo olona nahazo fandresena ireo ity fikambanana ity satria izy no miseho ho mpiaro ireo mpivarotra amoron-dalana ireo ary mpandamina ihany koa, satria avy amin'io fikambanana io avokoa ny delege sy ny lehiben'ny tsena eto Antananarivo.

Ny mampalahelo fotsiny dia lasa tanàna tsy voafehy sy tsy sahin'ny mpitandro ny filaminana kitikitihina ny toerana misy ny foiben'io fikambanana io. Manjaka ny fanendahana sy ny halatra sy ny fandrobana amin'iny manamorona ny lalampirenena voalohany mbola tsy mivoaka ny tanànan'Antananarivo iny fa tompon'andraikitra iza no sahy hanao bemidina hanadio ny faritra andalovana sy manakaiky izany lalampirenena voalohany izany?

Noho izany, manomboka izao raha tsy te-hifandona amin'io fikambanana io sy ny mpanohana azy dia tsy maintsy miera aminy amin'ny zavatra rehetra heverina ho atao eto Antananarivo fa na inona na inona kinasa rehefa tsy ekeny dia tsy ho tontosa izany. Mila mihevitra izany izay rehetra mihevitra ny handamina ny tanànan'Antananarivo. Io fikambanana io no iray amin'ny tandroka aron'ny vozona tsy hampiongana na oviana na oviana ny mpitondra amin'izao fotoana izao. Dia saino tsara izay voasoratro fa aza maka an-tendrony.
 
  

13.1.25

Parodie du delestage à Madagascar

 Voatery natao teny frantsay ny lohateny satria hira amin'ny teny frantsay no henoina saingy tsy maintsy mahay teny malagasy koa ianao.

 

3.1.25

Lozam-pifamoivoizana nivadika ho fanenjehana ny filohan'ny FJKM


Nohararaotina ny lozam-pifamoivoizana nitranga tamin'ny lalam-baovao mampitohy an'Alarobia amin'Ivato tamin'ny voalohan'ny taona hanosoram-potaka sy hanenjehana ilay mpitandrina nampita ny "krismasin'i Herôda". 


Azo lazaina ho tsy nampoizina ny zava-nitranga satria namoizana ain'olona roa. Ny endriky ny fahavoazan'ny fiara kosa no ahitana fa tena karazany nanitsy ilay fiara mihitsy ilay kodiaran-droa. Raha raisina amin'ny hevitra feno ahiahy (tena miiba mihitsy amin'izao voalohany taona izao) dia mety ho nihevitra ny nitondra ny môtô hoe hiala aminy ilay fiara dia hikodia sy hivadibadika any an-tsisiny any, dia raha tany no naratra na namoy ny aina dia velona ny hoe "ka satria nanimbazimba ny tsy azo tsikeraina satria tinendrin'Andriamanitra dia nataon'Andriamanitra nahazo loza tany", izany hoe karazan-doza roa avy hatrany no nisafidianana... dia ny hoe "misy lolo" hatrany moa no nivoitra avy eo.



Fa velona amin'izay ny fanenjehana narahina fanendrikendrehana hoe mamo ilay nitondra fiara dia nofaohiny ny moto, tsy noadinoina moa ilay fiteny hoe "nahavanon-doza". Ny anarana sy ny asan'ilay olona tian-kenjehina moa tsy niala mihitsy satria izy no tena tian-katao lasibatra. Vao maika koa niteraka ahiahy sy mahalasa saina ny naha-haingana dia haingana ny fampitàna ny loza sy ny anaran'ny rain'ny nitondra ilay fiara. Avy eo nesorina tsimoramora ilay hoe mpitondra fiara mamo fa ny mpitondra môtô mamo indray no nalaza kokoa.



Voatery nitsangana niaro ilay olona tena enjehina sy ny fiangonana tarihiny ny olona vitsivitsy-maromaro manana ny lazany sy fanta-bahoaka, tsy mitovy amin'iretsy miafina ambadiky ny kaonty fako nefa afa-manao izay tiany atao na sanatria aza mandika lalàna dia tsy enjehina na samborina. 



Araka ny tohim-baovao hita teny ho eny moa dia nampidirina am-ponja vonjimaika ilay nitondra fiara rehefa nandalo fampanoavana ary amin'ny 28 janoary ho avy izao ny fitsarana azy.


28.12.24

Aza manao krismasin'i Heroda


Lasa Krismasin'i Heroda ny lohatenin'ity hafatra krismasy farany amin'ny maha-filohan'ny FJKM azy ity. Nahagaga fa nisy ny voatsindrona tam-pony rehefa nivoaka ilay hafatra. Ilay fanombohan'ny hafatra fotsiny no tena nalaza ka niteraka sahotaka ho an'ny sasany. Samy manana izay handraisany azy fotsiny ny tsirairay...



27.12.24

Ilay fitsimbadiham-bokatra tao amin'ny tranonkalan'ny CENI (3)


Rehefa nifanindry tamin'ny famoaham-bokatra tao Antananarivo Renivohitra ny antokon'ny fitondrana sy ny antokon'ny fanoherana hoe ry zareo no mandresy dia ny CENI no nanambara ampahibemaso fa ny tao amin'ny fitondrana no nandresy. Rehefa nivoaka anefa ny valiny tao amin'ny tranonkalan'ny CENI dia ny an'ny fanoherana indray no nahazo ny fandresena. Voatery nikatona kely indray ilay tranonkala avy eo ary "nahitsy" ny vokatra avy eo. Nanambara ry zareo CENI avy eo fa nisy nipiraty (nisovoka) ny tranonkala no mahatonga ilay vokatra "tsy izy" teo, ary nampanantena fa tsy hisy intsony ny tranga fisomparana toy ny teo.



Tsy nionona tamin'izany anefa ireo mpandinika, indrindra fa ny avy any amin'ny fanoherana, fa nanao karazana fanadihadiana. Tsy resy lahatra velively tamin'ny resaka "piratage" ny tao amin'ny fanoherana satria tsy ho fotoana fohy velively no hahatafaverina amin'ny tompony ny tranonkala amin'ny trangan-javatra tahaka izany ary olona manampahaizana manokana nokaramain'ny firenena vaventy toa an'i Etazonia sy Rosia (Iran sy Torkia no manaraka azy ireo) no mety ho afa-mitsofoka amin'ny karazan-tranonkala toy izany.

Satria endrika PDF (Portable Document Format) no namoahana ny vokatra tao amin'ny tranonkala dia avy amin'ireo nosintonina tao no nanaovana izany fandinihana/fanadihadiana izany. Namoaka ary ry zareo fa "automatique" no nivoahan'ny vokatra tamin'ny andron'ny 19 desambra 2024 tamin'ny folo ora katroka izay nanome fandresena ho an'ny mpanohitra. Ny ampitson'io kosa vao vita ilay fanovana azy ho amin'ny "vonjimaika alohan'ny famoahan'ny fitsarana ny vokatra ofisialy" ary namerina ny fandresena ho an'ny kandidàn'ny antokon'ny mpitondra.


Mba ho entin'ny CENI manamarina ny fisian'ny fisovohana dia nisambotra ny teknisianan'ny Antoko Tiako i Madagasikara (Jean Luce Randriamihoatra) mihitsy ny zandarimariam-pirenena. Nasiaka dia nasiaka tamin'ny famoahana ireo tsi-fetezan-javatra anefa io olona nosamborina io.
 

Nisy fifidianana angaha teto Madagasikara? Taorian'ny androm-pifidianana (2)

 Mety hisy ihany ny fiverimberenan-teny satria hevitra noraisina antsoratra indray no tendrena ho avoaka. Eto koa dia mialoha ny famoahan'ny CENI ny vokatra feno na dia vonjimaika aza ireto soratra manaraka ireto.

Nikatona fotoana maharitra ny CENI (ny tranonkalany) vao namoaka ny voka-pifidianana Antananarivo Renivohitra ka nampandresy ny antokom-panjakana sy ny kandidàm-panjakana. Ny lalàna anefa mametraka mazava tsara fa tsy misy izany antokom-panjakana izany.

Feno filaharana maka vary sy paty manerana ny tanànan'Antananarivo Renivohitra, hoy ny gazety, ny ampitson'ny fifidianana izay milaza fa takalom-bato no nisy fa tsy safidy malalaka.

Nandritra ny fifidianana, maro ireo olona tratra nitondra taratasim-bato efa voakosoka vokovoko eo amin'ny tandrifin'ny antokom-panjakana.Niely tamin'ny media sosialy izany fanatrarana olona saika na efa nangala-bato izany.

Niezaka hamaly sy hilaza ny tao amin'ny TMH (Tanora Miandrandra ny Hoavy, mavitrika amin'ny fanohanana ny fitondrana ary somary mahery fihetsika aza na andeha atao hoe tia manao "action", Ao Anosibe tsena sy ny manodidina no tena mampalaza an-dry zareo) fa mangala-bato ihany koa ny TIM ary nisy "delege" tratra nanao izany mihitsy aza, saingy fantatry ny olona avy hatrany ilay lazaina ho delege fa olon'ny TMH ary nisy aza ireo nilaza fa efa nasaina nangala-bato sy tratra tamin'izany io olona io tamin'ny fifidianana teo aloha dia izao mbola tratra izao indray.

Maro ny zandary (zazavao hoy ny gazety) nasaina nifidy tao an-drenivohitra na dia tsy nipetraka ao akory aza. Nisy saika tratran'ny olona aza tao Analakely fa nahay nandositra sady nanisy ranomainty ny tanany.

Malaza ihany koa ny ordonnances anjatony (mety mahatratra an'arivony) entin'olona iray izay betsaka PI sy MI (mère inconnue) ka mampiahiahy avy hatrany.

Amin'ireo ordonnances ireo ihany, ny fanampin'anaran'ilay olona ihany no napetraka ho anaran-drainy na anaran-dreniny.

Fijerin'ny olona dia ilay fanampian'ny banky iraisampirenena (findramam-bola) noho ny fahantran'ny Malagasy no lasa fanampian'ny fanjakana entina mampandany ny antokom-panjakana.

Misy olona manao bodongerona ny hifidy ihany na dia tsy manan-jò ho amin'izany aza.

Averina eto indray ilay tenin'ny filoham-pirenena milaza fa tsy afaka miara-miasa amin'ny ben'ny tanàna tsy miaraka amin'ny fitondrana izy. Novoiziny fa tokony ho olona manana vina hanasoa vahoaka fa tsy hanakorontana amin'ny politika na hijery tombontsoa manokana no hofidian'ny vahoaka. Manakana fampandrosoana, hoy izy, ny ben'ny tanàna tsy mitovy firehana amin'ny fitondrana, ka na mannaa vina aza ka sakan'ny ben'ny tanàna dia voasakana izany. Mazava ny fiantefan'izany eo amin'ny mpifidy hoe tokony izay iray loko amin'ny fitondrana ihany no fidìna. Fa merimberin'ny fitondrana ny hoe ny fanoherana dia midika ho fanakorontanana.

Raha nanomboka tamin'ny resaka CENI isika dia faranana amin'izany resaka CENI izany ihany ity lahatsoratra eto ity: Raha tratra aoriana vao navoaka ny vokatra vonjimaika teto Antananarivo dia narosony mialoha kosa indray ny filazana manetriketrika ny vokatra feno. Heverin'ny mpanohitra avy hatrany fa tetika indray io mba hanafaingana ny fotoana sy tsy hahavitan'ny ao amin'ny mpanohitra na izay tratran'ny tsy rariny hametraka fitoriana.