7.12.07

Miarahaba

Afaka fotoana vitsivitsy dia mety hisy indray ny fiverenana amin'ity bolongana niandohana ity. Tsy tena fanaraham-baovao mavitrika anefa no hivoaka eto fa karazana tahiry tsara hitoetra mandrakizay araka ny fitenenana. Na dia zavatra mety hiserana aza izany ny eto dia natao ho lovan'ny taranaka ihany izany

12.4.07

Raha ny marina

Raha ny marina dia mahafinaritra ny mitoratoraka ny vaovao sy ny torapo eto amin'ity blaogy ity. Tsy fantatro marina izay zavamisy na isaky ny atoandro aty Dago dia matory ny famoahandahatsoratra na tsia. Tsy mety mahatoraka intsony manko aho amin'ny maraina na atoandro fa miandry firavana mihitsy vao mety rehefa isisihana mandrakariva. Mampahatsiahy ny fanao rehefa hiantso amin'ny alalan'ny telma ilay mitoraka blaogy eto. Fahefatr'adiny mbola tsy tafiditra hatrany. Mahazo ilay hoe tsy misokatra io tadiavinao io na tsy mety angamba ny parametre-nao. Dia vaka eo ny saina. Ankotrihinia hatrany fa e-he (Actualiser-na no tiako lazaina eo).
Dia mety ho lasa ihany indray ny eritreritro hoe ny famoahana na fahazoam-baovao sy serasera ampiasaiko ihany koa no mety mihatsentsina ka tsy mahafapo ahy loatra intsony. Nefa mivoaka ihany anie ny sehatra hafa e! dia ahoana izany? Dia tsy fantatro intsony izay marina. Dia hoy aho hoe be loatra ihany koa anie ireto blaogy itorahako ireto e! izay tsaratsara moa dia mba iangaliako ihany koa. Rehefa tsy metimety loatra dia aleo ialana moramora toy ny fialan'ny jiosy. Tsy jiosy anefa ny tena fa jentilisa ka aleo mampandre anareo ihany hoe any amin'ny atrika jentilisa any angamba aho no manome fotoana anareo aloha, raha sanatria ka tsy mety mivoaka ny ao dia ao amin'ny Andavanandron'iarivo ihany koa ny faharoa. Ity Andavanandron'iarivo ity ihany koa moa tsy mahafapo ahy loatra no nahatonga ahy misisika eto hatramin'izao.
Mieritreritra aho hoe aleo mitazona tokana amin'izay dia io no fehezina araka izay mety fa manahirana ihany ity manamaro ity. Dia ny Atrika jentilisa izany no ezahina tazonina. Any indray angamba tsara mihaona fa ny eto efa manahirana ihany. Ho tahiry indray aloha ny eto mandra-pisian'ny fiovan-kevitra indray. Ny olombelona moa mora miovaova hevitra izay ihany, ary tahaka izany ihany koa ny tenako. Ny lehilahy tia vao izay, hoy ny fiteny ka izay angaha no nahatonga ahy hionona amin'ilay iray izay Malagasy rahateo no miandraikitra azy voalohany.
Tena ho tsindraindray angamba sisa no andalovako eto.

11.4.07

Diso tetika?

Ny mpanara-baovao politika dia mahafantatra tsara ny teny fampanantenana nataon'ny minisitry ny atitany sady praiminisitra nametraka ny fanamby hanangonana ny voka-pifidianana ao anatin'ny telo andro. Nisy avy hatrany moa ny gazety nanambara fa tena ho sarotra ny hanatanterahana izany fanamby izany raha ny fahatongavan'ny vokatra andro voalohany no noheverina. Kanjo moa saiky...SAIKY tontosa ihany izany.
Nokendrena ho ny Sabotsy alina no voangona io voka-pifidianana io raha kaontiana tsara ilay telo andro nanaovana fanamby. Tany ambadika tany dia fanangonana isam-paritra sady fifaninanana eo amin'ny samy faritra no nanaovana io fanamby telo andro io. Nobaikoana avokoa izany ny Ben'ny faritra mba ho voangona ao anatin'ny telo andro ny vokatra any amin'ny faritra misy azy. Misy tetika politika ihany ao anatin'izany.
Raha tontosa tokoa manko io telo andro io dia ho nodradradradraina fa haingana kokoa noho ny vokatra nangonina isam-paritany ny vokatra isam-paritra. Tonga ny Sabotsy : 96.3%n'ny vokatra no voangona. Noheverina fa ny ampitso izany raha ela dia azo avokoa ny vokatra rehetra. Efa nanakaiky ny tanjona ny zava-bita. Kanjo, teo vao tena nikatso ny fanangonana azy tany amin'ny faritra sasany tany. Nisy naharaka ve ny tanjon'ny governemanta hanaporofo ny mahahaingana kokoa ny fampandrosoana isam-paritra noho ny isam-paritany ? Mitsingerina manko ity ny andro nanaovana ny fitsapa-kevi-bahoaka, voalaza fa mbola misy birao iray tsy nahazoam-bokatra. Mihevitra aho fa tezitra amin'io ny filoha Ravalomanana amin'ny tsy ahafahany manaporofo dieny aty amboalohany ny mahamety ilay fanitsiana.
Mahatadidy tsara manko aho fa herinandro katroka no nanangonana ny voka-pifidianana tamin'ny volana desambra lasa teo ary tamin'ny gazety no nahitana fa ireo mpiasan'ny fampianarana no tena nifofotra tamin'izany ezaka izany. Tamin'ity indray mitoraka ity kosa dia ny tao amin'ny atitany avy amin'ny faritra no tena niezaka nanangona ny vokatra. Fifaninanana ambadika eo amin'ny samy mpiasam-bahoaka izany no misy. Marina kosa aloha fa nanaovana filazana manokana mihitsy ny fanangonam-bokatra tany amin'ny faritra saro-dalana tamin'ny volana desambra ary ny angidim-by no nanangoona azy nefa heveriko avy hatrany fa tokony ho tsy latsa-danja noho izay vitan'ny departemanta hafa ny an'ny minisiteran'ny atitany tamin'ity indray mitoraka ity.

10.4.07

Fa inona ity ataon-dRavalomanana?

Fanamarihana: Niezaka aho ny handefa ny vaovao maraina saingy tsy mety foana izy ity. Na izany aza efa vonona foana ny lahatsoratra matetika ary ataoko fa tsy mampaninona anareo loatra na dia hariava aza aho no mahapetraka azy eto.
Mahalala isika rehetra fa fialam-bolin’ny eto an-tanàna ary tena tiany tokoa ny andron’ny alatsinain’ny Paska. Tena nifandroritana tokoa ny fiara mivoaka ny tanàna ary misy aza ny mahasahy mandeha an-tongotra vao maraina fa tsy nanantena hitaingina izay fitateram-bahoaka izay toa ny matanjaka ihany no tafiditra aloha noho ny fifanosehana. Tsy te-hiresaka lavabe loatra ny amin’ity loatra aho satria any amin’ny andavanandron’Iarivo no efa itantarako azy. Fa izay nataon-dRavalomanana omaly no lazaiko tsotra etoana.

Niainga maraina avy tany amin’ny fiasany tao Ambohitsorohitra angaha ny lehilahy niaraka tamina vazaha izay inoana fa tompon’andraikitra ambony eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Araka ny fijery azy dia hizotra ho any amin’ny lapam-panjakana eny Iavoloha ry zareo ireto. Mazava loatra fa tsy maintsy arahina mpiambina ry zareo ireto. Ny nahita dia nahamarika fa sambany ny mpiambina manaraka azy no niaraka tamin’ny basy kalachnickov. Raha ny tokony ho izy dia ny vondro-tafika manokana amin’ny fiarovana ny filoha no mitondra basy tahaka ireny manerana ny lalana handalovan’ny filoha. Tamin’ity indray mandeha ity kosa dia ireo mpiambina akaiky mihitsy no nitondra basy, na niaraka akaiky ny vondro-tafika sy ny mpiambina akaiky.

Mazava loatra fa any amin’ny lalana tena be mpandeha no tsy maintsy aleha. Safidy telo no azony natao na mandeha hatraty amin’ny lalana mahazatra manaraka ny toby Ratsimandrava, mitohy mankany Ankadimbahoaka ary ny faharoa kosa dia hatraty Ambanidia Manakambahiny Tsimbazaza iny. Fa ny lalana nalehany dia nahodiny ho any amin’ny By-Pass ny lalana. Eo no mahavariana ? Niniana nalefa any ve ilay olona ? Ny arabe manko tena hipoka tanteraka tahaka ireny any Isotry amin’ny andro Asabotsy ireny. Anarany no lalamanivaka iny fa rehefa andro fialantsasatra kosa dia mitohana tanteraka e ! Ny fiara mijanona manaraka ny sisin’ny arabe ary ny olona samy feno azy na ny arabe na ny sisiny. Matetika no tafajanona ampovoan’ny arabe ny fiara mitondra ny filoha sy ireo fiara manaraka azy. Tsy afa-mihetsika intsony.

Dia lasa ny eritreritro manao hoe inona ary no tanjony tamin’izy teny amin’ny By-Pass ? Te-hiditra anaty vahoaka hahalala izay tena fitiavan’ny olona azy na tsy itiavan’ny olona azy ve ? Sa mba te-hijery mivantana ny habetsaky ny olona mitsangatsangana mivoaka ny tanàna ? Ny tena hita tamin’ny tele aloha (satria nandeha telaviziona izy io) dia be ny olona niarahaba azy tamin’ny hofahofan-tanana. Ny fiara niaraka taminy tamin’izany fotoana izany moa dia ireo fiara mercedes telo sy ny môtô misava lalana. Nampiasainy mafy aloha ny mpiambina tamin’ity indray mitoraka ity e !