Ny Misiterin'ny fandringanana tao Ambiky nahafolaka ny Ampanjaka Toera


 

Tantara mbola feno misitery ity fandringanana tao Ambiky ity. Ringana ny andron'ny 29 hifoha 30 aogositra avokoa ny ankamaroan'ny vato nasondrotry ny tany tao amin'ny faritra Menabe (manamorona ny reniranon'i Tsiribihina). Ny sisa velona ihany no afa-mitantara, koa dia ny fitantarana frantsay ihany izany no tavela ho an'ny taranaka. Manjary toy ny manombana na mamorona noho izany ny aty amin'ny ankolafy malagasy tsy mino ny fitantarana frantsay.

Raisina ho ohatra ny fitantaran'i Jeanne Rasoanasy tao amin'ny Tanindrazana sy Menalamba fa tsy manaiky ny fanjanahana ny Sakalavan'i Menabe tarihan'ny Ampanjaka Toera. Nolazainy fa novoriany ireo rehetra afa-mitam-piadiana hanomana ny tetika rehetra hanoherana ny miaramila frantsay tarihan'i Komandà Augustin Gérard. Teo anatrehan'ny frantsay iray izay mifati-drà aminy antsoina hoe (Léo-Philippe) Samat, sady vinantony ihany koa, ka heveriny ho toy ny tenany ihany. Nolazaina avy eo fa nanao ny tatitra tany amin'ny Komandà Gérard amin'ny tetika rehetra ity frantsay mpifati-drà amin'ny Ampanjaka Toera ity. Noho ny fahafantarana ny tetika rehetra no nahamora ny fandavoana ny fanoheran'ny Sakalava, hoy ny voasoratra.

Etsy ankilany indray, nisy vavolombelona avy amin'ny tafika an-dranomasina frantsay notarihan'ny enseigne de vaisseau Etienne Blot niaraka tamin'ity Léo-Philippe Samat ity ihany nilaza fa noraisina tsara tao Ambiky ry zareo. Tsy nisy fiheverana hanohitra azy ireo fa dia hifampiresaka no atao satria natoky tanteraka amin'ny mpifati-drà aminy (Samat) ny ampanjaka, tsy hokasihana ny vahoakany ary mijanona amin'ny maha-mpanjaka azy izy na dia ho eo ambany fiandrianam-pirenena frantsay aza. Noheverin'i Samat ho vaovao tsara izany finiavana izany ka nihazakazaka izy nankany amin'ny toby misy ny Komandà Gerard. Tsy mety amin'ilay manamboninahitra anefa izany toe-javatra izany fa dia nampiomana fatratra ny miaramilany izy hiady mafy amin'ny fanafihana an'Ambiky. Nohazoniny i Samat mba tsy ho afaka mampandre ireo tao Ambiky.  

Mazava loatra fa ratsy kokoa noho ny fiheveran'ny Malagasy izay mety ho nitranga tao Ambiky ity fijoroana vavolombelona nataon'ireo nanatri-maso ny fifanarahana am-bava nisy tamin'ireo tafika an-dranomasina frantsay ity. Fandresena amin'ny alalan'ny ady no tadiavin'ilay manamboninahitra mpitari-tafika fa tsy amin'ny alalan'izany fifanarahana izany. Tsy ady anefa no nitranga fa fandripahana satria fandraisana makotroka ireo miaramila frantsay nirahina avy aty Antananarivo no niomanana. Raha ady no nisy tsy tokony haharipaka olona maro vetivety ireo mpanafika ireo, na dia atao hoe mahalala ny fomba fiady sakalava aza.

Misy fitantarana roa mifandaka ireo atolotra anao mpamaky. Avela ianao hamakafaka ary avy eo hisafidy izay heverina ho marina kokoa amin'ireo fitantarana ireo.
 

Commentaires

Lahatsoratra be mpamaky (30 andro)