22.1.12

Ny sary maraina teny Ivato 21 janoary 2012

Fanazavana,
Raha te-hahita ny andinindininy momba ny nitranga androany ianao dia karohy amin'ny alalan'ny tenifototra #21112 any amin'ny media sosialy dia hiavaka ny vaovao an-tserasera momba ity fitsenana androany ity.

Eo anoloan'ny La Hutte Canadienne Mamory Ivato no miverina ny ankamaroan'ny fiara fitaterana izay eny Andranomena indray no maka olona hafa hankaty Ivato. (Tsindrio ny sary rehetra raha tianao ny hijery azy lehibe kokoa).



Efa maromaro ny fiara mivezivezy "eto am-pahatongavana", misy ny mpitolona mahasahy mikiririoka anaty fiara fitaterana, tsy nahitana mpitandro ny filaminana mpandamim-pifamoivoizana loatra teny an-dalana.


Maro ihany koa no nanomboka dia an-tongotra hatreto raha nanam-bintana nahazo fiara hankanesana taty.

Mizotra mandeha mafy ihany koa ny fiaran'ireo mpitandro ny filaminana, finday no nakana sary ka lasa ny fiara fitaterana indray no tena hita.


Araka ny tena idirana ny tanànan'i Mamory no mahamaro ihany koa ny olona. Sary maraina efa hitataovovonana izao an!

Efa miara-mizotra ihany fa tsy mbola tena tafatambatra ireo mpandeha an-tongotra maro. Mbola efajato ny sarandalana niainga hatreny Andranomena nandehanako hatreto.

Solontena mbola vitsivitsy tazana avy any amin'ny faritra. Tsy menatra ny alaina sary.

Toy izao ny arabe ety raha mbola malalaka ny lalana.

Be mpivezivezy izy izany an!

Fa mampaninona moa izany ilay saina Amerikana e? Mba manana koa ry zareo ireto an!

Teto vao hitako hoe fa maninona ary izany sary alaiko izany no ratsy? Hay moa mbola mila fanitsiana kely ilay finday.

Efa mihateritery ny fifamoivoizana na dia midadasika aza ny arabe.

Ny fiara mitondra an-dRalitera...
Ny teto akaikin'ny sonomobile no nientana indrindra ny olona. Ny Faritra Betsiboka no betsaka teto raha ny sora-baventy no jerena.

Mety ho efa eo akaikikaiky ihany koa ireo mpiandry kendritohina.

Ireto izany no azo lazaina fa lohalaharana amin'ireo mpitsena teny Ivato satria manakaiky kokoa ny vavahady. Ny atsasa-dalana no navela hifamezivezen'ny fiara.

Ireo no mpitandro ny filaminana teto am-bavahady. Efa nisy entona nandatsa-dranomaso teto ny maraina nanalana ny olona efa tafiditra tao talohan-dry zareo. Ny ankolafy Ravalomanana irery izany no tsy mahazo manitsaka ny parking rehefa hitsena olona.
Toy ny dian'ny miverina indray aho manomboka eto. Hatreo amin'ny vavahady, tamin'ny mitataovovonana.

Sono-mobile, ireo mpitotorebika maka ambiansy angaha no marina kokoa.
Mihamaro tokoa ny olona raha nampitahaina tamin'izaho nandroso. Fenofeno kokoa ny lalana.
Fotoana fohy dia fohy nialoha ny fahatongavan'ny delegasiona mafonja teny an-toerana.
Efa avy nandalo ireo delegasiona dia somary naka toerana ambony indray aho hakana sary kely ny toerana.
Tsiahy sy tsiahy ve? natao halaina sary tokoa ilay sora-baventy.
Fa matetika ny mpaka sary tsy dia hita amin'ny sary alainy loatra ka dia mba nanararaotra kely teto. Manana tanan-telo ve ilay rangahy io?

Farany ilay hafatra nampivadika ny tantara ny 21 janoary 2012.





ony indray a