5.1.22

Kianja Isahafa: fananana iombonana, fananana manokana

Filazana mialoha: Ny lahatsoratra etoana dia fampahafantarana sy fanentanana. Raha sanatria misy loza na voina mahazo ahy, indrindra amin'ny resaka raharaham-pitsarana mety tsy ho ampoizina, dia azo heverina ny mety ifandraisany amin'ity fampahafantarana sy fanentanana sy ny tohiny.

Ny tanànan'Isahafa dia fokontany iray ao anatin'ny kaominina Anosy Avaratra distrikan'Antananarivo Avaradrano. Teo amin'ny tantaran'i Madagasikara, teo amin'io Isahafa io no nanaovana fanazarantena sy matson'ny tafika voalohany indrindra naorin-dRadama Rainy. Vavolombelon'izany ny tsangambato na ny orimbaton'Isahafa, avy eo ampidirana atsinanan'ny tanàna.  

Feno 200 taona amin'ny 4 avrily 2022 ho avy izao ny nananganana izany orimbaton'Isahafa izany izay fanaovan'ny miaramila fianianana fa tsy hihemotra amin'ny ady ka manaiky ny hovonoina (hodorana velona) izy raha sanatria mihemotra na mitsoaka ady. Mifanindran-dalana amin'izany ihany koa ny nanapahan-dRadama sy ny miaramilany (soridany avy amin'ny teny frantsay soldat) rehetra ny volony hitovy amin'ny miaramila eoropeana (anglisy) izay niteraka fimenomenonan'ny vehivavy vadin'ny miaramila sy ny valibontana nataon-dRadama tamin'izany. Jereo na fantaro ny tantaran'i Madagasikara misy izay fianianan'ny miaramila izay fa 15 Adalo 1822 no nananganana sy nanaovana ny fianianan'ny miaramila teo ampahibemaso voalohany.

Manana kianja roa ny tanànan'Isahafa, iray ny kianja nasiana fefy nanaovana ilay tetikasa "les enfants de l'ovale" taty Avaradrano voalohany hampianarana ny ankizy hanao rugby. Tsy mahita izany loatra aho amin'izao fotoana fa ao Lazaina sy any Amorondria (Namehana misy ny Alliance Française) no nahitako ny birao na ny tranon'izy ireo. Filalaovam-baolina fandaka no tena tsikaritro eo. Ireo zavatra roa ireo no tena ahafantarana azy. Raha nitantara taminareo ny "Malaza faran'ny taona sy voalohany taona ambanivohitra" aho dia tamin'ity kianja ity no nisy ilay tsatoby fanaovana "but" nisy nangalatra. Andeha atao hoe Kianja A izy ity.

Ny kianja faharoa sady lehibe kokoa indray no tena foto-dresaka etoana sy anton'ny fifandirana eo amin'ny andao antsoina hoe "sasany" amin'ny fokonolona eto Isahafa sy ny fitantanana ny kaominina Anosy Avaratra tarihin'ny Ben'ny Tanàna. Kianja marolafy izy io, izany hoe maro ny taranjam-panatanjahantena azo ampiharina eo raha tsy hitanisa afa-tsy ireto manaraka ireto: : Football, Basketball, Handball, Athletisme, Javelot, saut... Ny Tanoran’Isahafa Milalao (fikambanana miorina ara-panjakana) no nanangana io, nanala vodi-bozaka, nandravona kianja, nanangana but voalohany indrindra teo ho afaka nilalaovana tsara. Maro avy eo no nanampy tamin'ny fanatsarana ny kianja ary anisan'izany ny Kaominina, nahazoana famatsiambola (2800€?) avy amin'ny vahiny mihitsy aza izany tamin'ny nametrahana ny piste fanaovana athletisme. Ity indray apetratsika ho Kianja B.

Be mpitsiriritra io toerana misy ny kianja faharoa tantaraina io. Nandalo teo te-haka ny tany ny Orinasan’olotokana toa ny CICAGEBAT, SLALOOM sy olontsotra maro saingy tsy nanaiky izany ny fokonolona. Efa nanao tetikasa ny hanangana Fonjabe teo ihany koa ny Fanjakana Foibe fa tsy tontosa ihany koa izany noho ny fanoheran'ny olona sy ny fidirana an-tsehatry ny manamboninahitra ambony mahalala ny tantaran'ny toerana. Ankehitriny, notapohan'ny Kaominina ny fokonolona tamin'ny fivoriana tapaky ny volana desambra fa ho amidy ary hanorenana trano ho an'olon-tsotra ny kianja, efa vita ny fifanarahana amin'ny BFV-SOCIETE GENERALE amin'ny fomba fividianana ny tany-trano vao milaza amin'ny fokonolona ry zareo. Amin'ny atao hoe "sasany" amin'ny fokonolona izany toe-javatra izany dia efa amboletra fa tsy fierana intsony. 


Fanontaniana: Azon'ny kaominina atao ve ny mamadika ity kianja B azo lazaina ho fananana iombonana ity ho amidy ka lasa fananan'olona manokana anorenana trano? Tsy afaka mitsipaka  intsony ve ny fokonolona hoe aleo hijanona ho kianja io toerana io fa tsy ho lasan'olontsotra? Inona avy ny paika ara-dalàna azon'izay manohitra atao tsy hahatontosa ny famadihana izany fananana iombonana izany ho lasa fananan'olo-tokana? Re manko fa efa nandrefy ny tany tao ny Kaominina androany 05 janoary 2022. Izay ihany aloha ny androany fa sao lasa lava loatra.


5 commentaires:

Unknown a dit…

Allo,

Tu dois vérifier le Certificat de Statut Juridique accessible à tous pour le peu que tu aies le titre pour BIEN VÉRIFIER que la Commune en est bien le propriétaire. Si non, il faut contacter le propriétaire. Si oui, alors là. Le conseil municipal doit avoir donner son aval pour la vente et il faudra se renseigner si un PV a été sorti là-dessus, la lo requiert que les contribuables soient informés des décisions du conseil (obligation de publicité). donc au fond si tout cela a été fait...c'est un peu mort. vraiment désolée.

voilà voilà

Jogany

jentilisa a dit…

Misaotra indrindra mampahafantatra izay lalana izay. Mbola hofantariko ny amin'izay hoe efa nanaiky ve ny mpanolo-tsaina... Raha an'ny Fanjakana ve dia efa an'ny Kaominina?

Unknown a dit…

Mila fanehoankevitry ny be sy ny maro,firaisankinan'ny be sy ny maro ra tiana ny ahazo rariny.Tombotsoa iombonana ilay izy ar tokony hoizi manana #droit ny mponina ao am fatatra n'a toerana iray hanoitra ny varotra n'a tetikasa mety ho atao eo aminy.

jentilisa a dit…

Misaotra indrindra amin'ny fiezahana hanoratra amin'ny teny malagasy. Tsy mitezitra aho na hanoratra amin'ny teny vahiny aza ianareo fa fahazarana ho ahy ny mamaly amin'ny teny malagasy.

Unknown a dit…

Allo désolée je viens de voir ce post. Raha an'ny Fanjakana ve dia efa an'ny Kaominina? non pas du tout . les terrains communaux appartiennent à la Commune et les terrains domaniaux à l'État. Je tente de rattraper la lecture car tu sembles avoir beaucoup avancé et bravo !