2.1.22

Andro faha-2 taona 2022. Taratry ny ho endriky ny taona?

 Mandingana taona vaovao araka ny fanisanandro gregôriana indray isika. Ny andro voalohany aloha fanaovana fety iny ka hifaly hatrany ny olona na inona na inona mety ho fahasahiranany. Nanao ahoana ny faran'ny taona? Tsy nijery na niraharaha ny kabarin'ny filoha aho. Miala tsiny fa izay no marina. Tsy fantatro marina hoe tamin'ny firy tokoa no nanomboka izany kabary izany ary inona sy inona ny votoatiny.

Ny tsikaritro fotsiny. Manodidina io ora lazaina fa hanaovany jeritodika ny taona 2021 io dia indroa misesy no nahery ny tselatra sy ny varatra niaraka taminy.Hitako mihitsy ny fitresaky ny lanitra tamin'izany ora izany. Nipaipaika kely ny orana ary maty tokony ho roa segondra teo ny jiro fa niverina avokoa izany ankoatra ny tao am-piangonana (FJKM Isahafa), mazava loatra fa nipika ny "compteur" ka tsy maintsy nakarina vao nirehitra indray. Ny nahagaga ny maro dia tsy nety tapaka mihitsy ny jiro. Misy ny nihevitra fa nahazo baiko ny Jirama fa tsy azo tapahina io jiro io mandritra ny kabarin'ny mpitondra.

Vitsy ny olona tonga nanao faran'ny taona, tsy nisy loatra ny fanentanana natao satria efa "mahazatra" ny fisian'ilay faran'ny taona tao. Na vitsy aza dia tanora no betsaka tao, tsorina kosa indray fa io no tsy mahazatra. Ny fahita dia olondehibe sy ny ankizy no tena betsaka tany aloha tany fa vitsy kosa ny tanora. Tamin'ity indray mitoraka ity indray... tany am-piangonana no nahitana ny maro tamin'ny tanora ary avy eo ny ankizy. Vitsy ny olon-dehibe tonga ary azo isaina amin'ny rantsan-tanana ilany aza.

Ny alahady voalohany taona kosa indray, vitsy tsy toy ny mahazatra hatrizay rehefa tonon-taona tahaka izao no namonjy fiangonana (FJKM) satria maro no marary any an-trano na any amin'ny hopitaly. Izay tsy salamalama dia efa tsy handeha any am-piangonana mihitsy. Ireo vao noraisina ho mpandray tapabolana lasa izay, sy ireo manana ny fahasalamana sy zatra mandeha no namonjy ny fotoana. Tena tsy haiko hoe nisy zanaka am-pielezana tonga ve tao? Ny hitako izany fa tsy haiko izay any an-toeran-kafa.

Mafy ny andro androany raha izay no ilazana azy. May ny mpamadika ho herinaratra tao Andekaleka. Olona telo no maty nilatsaham-potaka tany Andapa tany araka ny namana Facebook iray. Na izahay tato an-trano sy ny teto amin'ny manodidina aza moa dia nahatsikaritra fa nisy filatsaham-potaka teto: Ny tato aminay nipoaka mafy dia mafy ny tao an-dakozia (nisokatra ny varavarankely) ary nisy hazavana mena volon-daoranjy hitako avy teo anilan'ny trano niaraka tamin'izany. Feno fitarainana amin'ny fahatapahan'ny jiro ny tambajotra sosialy roa be mpikirakira indrindra teto Madagasikara.

Izaho kosa ao anatin'izany andro faharoa amin'ny taona izany, izay nitontona andro alahady, dia mihevitra sahady fa ho endriky ny andavanandron'ny taona izany... ary tena ho mafy ny taona raha izay fomba fijeriko izao, enga anie mba ho diso hevitra aho. Fa irariana mba ho soa ho anareo ny taona vaovao.

2 commentaires:

dadandry a dit…

Arahabaina nahatratra ny taona vaovao Zoky a! Ankoatran'ny firariantsoa momba ny fahasalamana (izay mandeha ho azy @ izao vanom-potoana izao) dia maniry aho ny mba ifohazan'ny Malagasy rehetra @ tori-maso lava mahazo azy rehetra.

jentilisa a dit…

Fotoana mihitsy izao satria very anjavony ny resaka any amin'ny media sosialy rehefa be loatra ny olona ao!