Raozy mavokely - Voninavoko
Niaraka tamin'ny besinimaro no nanarahana mivantana ny atsasa-dalana sy ny famaranana ary anisan'ny nikarakara ijeren'ny daholobe aza tamin'ny famaranana. Tsikaritra fa tsy manana hiram-pandresena loatra hatramin'izao ny Malagasy rehefa lalao goavana tahaka izany natrehina tamin'ny faran'ny herinandro teo. Niezaka ny nanentana hihira ilay "iô! iô! iôôô!" fa tsy nisy nanaraka raha nahatafiditra baolina voalohany ny Malagasy. Tena tsy mahay an'ilay izy ve ny ankehitriny eto amin'ny tanàna onenako ity sa tsy amin'ilay tiako anentanana ny revin'ny tanora mpijery?
Rehefa niriaria anjotra anefa dia nahatsikaritra fa nanao ilay "hiran'ny voninavoko eo amin'io "iô! iô! iôôô!" io ny fan zone tao Paris renivohitr'i Frantsa. Ry zareo any ivelany indray no nanao ilay izy, izaho sy ny any ivelany ve izany no manao revin'antitra sa ilay aty an-tanàna ny mandihy sy mitsinjatsinjaka ihany no tiany? Ary rahoviana marina isika malagasy no hanana hiram-pandresena iarahan'ny rehetra mientanentana rehefa mahazo ny amboara?
Ny lohateny dia lohatenin-kira ahitana ilay "iô! iô! iôôô!" izay anisan'ny mampalaza an'i Dadagaby ao amin'ny Voninavoko ho an'izay tsy mahalala!
Commentaires