Ny Synoda Lehibe FJKM faha-XX tontosaina any Taolagnaro


 

Eo an-dalam-panatontosana amin'izao fotoana izao ny Synoda Lehiben'ny Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara, ahitana ireo solontenan'ny synodamparitany 38 avy eto an-tanindrazana sy ny avy any ampitan-dranomasina. Ny andiany faharoapolo no tanterahina ao Taolagnaro na Fort-Dauphin, raha ny marina kokoa dia ao amin'ny FJKM Salema Vaovao, nanomboka ny alarobia 13 aogositra 2025 ary hifarana ny alarobia 20 aogositra 2025 ho avy izao.

Ity fotoana ity no Vovonana hamaritana indray ny lalan-kizoran'ity fiangonana iray lehibe eto Madagasikara ity mandritra ny efa-taona manaraka. Ankoatra izay ny fifidianana izay ho Mpiandraikitra Foibe sy izay ho Biraon'ny Mpiandraikitra Foibe. Ny Filohan'ny Birao Mpiandraikitra Foibe, izay tsy maintsy Mpitandrina, no fantatry ny besinimaro amin'ny andraikitra hoe Filohan'ny Fiangonan'i Jesoa Kristy Eto Madagasikara na Filohan'ny FJKM eo amin'ny fitantanan-draharaha.

Dingana maromaro no nontaterahina nahatongavan'ireo mpanatrika synoda ireo ho afa-manatrika, maneho hevitra, mifidy ao amin'io fotoana io. Eny anivon'ny fitandremana no ifidianana diakona roa izay antsoina hoe Komity Lehibe any amin'ny Synodamparitany. Ireo Komity Lehibe ireo no mifidy solontena enina hanatrika izao Synoda Lehibe ireo ka ao anatin'izany solontena izany no tsy maintsy ahitana Tanora, Vehivavy, Mpitandrina FJKM, Mpampianatra matihanina ao amin'ny Sekoly FJKM. Misy ihany koa ny solontenan'ny Sampana. Mandeha manatrika avy hatrany kosa ireo Filohan'ny Synodamparitany 38.

Amin'ny andro fanombohan'ny Synoda Lehibe indray no ifidianana ireo mpikarakara ny fotoana antsoina hoe Biraon'ny Synoda Lehibe. Tamin'ity indray mitoraka ity dia ireto manaraka ireto no voafidy ho amin'izany andraikitry ny Biraon'ny Synoda izany:

  • Filoha: RABEVITA Saina Mpitandrina
  • Filoha Mpanampy: ANDRIAMASINORO Fidimalala, Mpitandrina
  • Filoha Mpanampy: RAFALIMANANA Hery, Laika
  • Mpitantsoratra: RAJOSOA BARINARIVO Mamy, Mpitandrina; 

      RANDRIAMANANTENA Jean Jacques Séraphin Johns, Mpitandrina

  • Mpitantsoratra: DISAINE Lala, Laika; 

      ANDRIANIRIARITSOA Manandratra Franche, Laika
 

                                    © Réseaux sociaux AFIFAB FOIBE FJKM

Mialoha indrindra ny fanombohan'ity Synoda Lehibe ity no navoaka ny teny tarigetra mitondra ity Synoda Lehibe ity: "Mahefà be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo" (1 Kor 15:58). Na dia raharaham-piangonana madiodio aza ity lanonana iray ity dia be ny manara-maso amin'ireo mpanara-baovao sy olom-pirenena noho ny herim-pitaomana ananan'ity Fiangonana ity eo anivon'ny firenena. 

Dia nitondra am-bavaka ity fotoana ity sy ireo zavatra rehetra hotanterahina ao anie ireo ao amin'ity Fiangonana ity. Aza hadinoina ny mitia sy ny manjohy ny pejy. Araho mandrakariva ny vaovao eto an-toerana.
 

Commentaires