Ny lalambe migodàna!
Mihazakazaka tokoa ny fanamboarana ny lalambe migodàna raha ny tazana etsy avaratr'Iavoambony sy atsimon'i Talatakely mifampitohy amin'Ambohitsaratelo izay samy ao amin'ny kaominina Ambohimanga Rova. Efa nanomboka ny fandrarahana ny tara raha nandalo teo ny mpanoratra. Tsy hita intsony ilay lohasaha lalina ary tsy fantatra intsony ilay endritany taloha teo amin'ity toerana ity ho an'izay efa zatra an'izany Talatakely izany.
Nisy lalantany nampitohy an'Iavoambony amin'i Talatakely fa notapahin'ny lalambe migodàna izany amin'izao fotoana izao. Enga anie mba hisy tetezana fiampitàna tsy hampisy fahasahiranana ny olona efa zatra nampiasa ilay lalana teo aloha. Eo no azo sary satria eo no lalambe migodàna akaiky indrindra an'Isahafa izay an'ny Kaominina Anosy Avaratra kosa.
Tsy navelan'ny mponina tao Isahafa hiserana fotsiny izay toe-javatra izany fa nanangana ny KOmitin'ny Lalana ISahafa (KO.L.IS) ry zareo hikarakara amin'ny fanatsarana ny lalàna mizotra sy mandalo ao aminy. Dingana iray amin'izany ny fanatsarana ny lalana mampitohy an'i Lazaina amin'Isahafa. Mazava loatra fa tsy maintsy misy fankatoavana avy amin'ny Ben'ny Tanànan'Anosy Avaratra izany fananganana komity izany ahafahana mitety ireo mpanambola sy izay malala-tanana afa-mamita izany fanatsarana ny lalana izany. Tsy ho mora ary tsy ho takatry ny sarambambe ny hamita azy ho tsara nefa tsy izany kosa no hanakanana tsy hanaovana izay azo vitaina. [Jereo ato anie ny sary avy amin'ity blaogy iray ity]
Na dia efa nampanantenain'ny fitantanana lanim-bahoaka amin'izao fotoana izao aza ny famitana ny lalana mampitohy an'i Lazaina amin'Isahafa dia ampandraisina anjara amin'ny fitadiavam-bola sy ny fanatanterahina izany ny fokonolona mba ho sarotiny amin'ny fotodrafitrasa nisasarana sy nisahiranana ara-pitaovana sy ara-bola. Manantena ihany koa ny maro an'isa fa tsy nandalo foana ny fampanantenana tamin'ny fampielezan-kevitra izay tena nahomby.
Koa misy ny fitadiavam-bola karakarain'ny KOLIS amin'ny 7 septambra 2025 izao ary eo ambany fiahian'Atoa Marino RAKOTONDRALALA, Ben'ny Tanànan'ny Kaominina Anosy Avaratra. Sakafom-pifanohanana no anaran'izany lanonana izany ary tanterahina ao amin'ny Espave Ny Tiana etsy Lazaina. Manohana feno izany fisantaran'andraikitra izany ny "Akon'Anosy Avaratra - A3" ary mandray anjara amin'ny famarotana ny fanasana sy ny fikarakarana ny lanonana ihany koa. Manasa anao handray anjara sy hifanampy aminay amin'izany na ara-kevitra na ara-pitaovana na ara-bola sy izay rehetra azo ifanampiana.
Commentaires