Miasa ho anao

Rehefa manao lalana iny ny kaominina na aiza na aiza dia ahitana soratra "Miasa ho anao" tandrifin'ny lalana amboarina na arenina. Ho fanehoana fa eo ampanatanterahina ny adidy nankinina taminy izy ary tsy manao ho ambanin-javatra izany asa nampiandraiketina azy izay.

Mifanandrify amin'izany, ihazakazahana ny IA hanaovana prompt mba hahazoana votoaty ohatra hanafainganana ny asa. Saingy izao, mbola firafitra tandrefana no manjaka amin'ny endri-pehezanteny malagasy aloha amin'izao fotoana izao ao amin'ny IA. Ho tsikaritrao avy hatrany ny vokatra IA fa afaka manatsara izany kokoa isika raha misy votoaty tianao vokarina araka ny firafitra lahatsoratra malagasy mahazatra sy ron-dohan'olombelona nianatra. Efa za-draharaha amin'ny fandikan-dahatsoratra sy amin'ny fanaovana lahatsoratra isika, ary tsy very maina tsy akory ny nandalovana tao amin'ny Global Voices izay nanandratra ihany koa ny teny malagasy.

Koa aza misalasala mifampiraharaha aminay raha te-hanana lahatsoratra kanto sy asa sain'olombelona isika ho tsara kokoa noho ny prompt IA. Aza hadinoina ny mitia ny pejy sy ny manjohy azy fa ny fiainana tsy maintsy ifanampiana. 

 



 

Commentaires