Manandòna sy Ambatondrazaka

Inona ny iraisan'ireo toerana roa ireo? Toa tsy misy fa ny azo hakàna lesona kosa no hotantaraina. Tokony ho telo taona tany ho any ny Repoblika Demokratikan'i Madagasikara (Repoblika faharoa) tamin'izany fotoana izany. Mbola kely ny tena nefa tadidy kosa izay niainana. Nalefa vakansy tany Fianarantsoa avy tao Antananarivo izahay ankizy. Tena tadidy ny haratsin'ny lalana nony afaka an'Antsirabe hiditra ny faritanin'i Fianarantsoa. Mahitsy io lalana io fa voatery nivilivily na mihodikodina ny fiara. Nihosim-potaka ny fiara saingy afaka ihany. Tena nanahirana ny mpitondra ny nanao ny lalan'i Manandòna satria toa nisy vondron'olona mampidi-bola amin'ny fanosehana ny fiara eo amin'io toerana io ka nalaza fa ny olona manodidina teo no nanao izay tsy hahavitan'ny lalana mihitsy. Vita ihany izany nony ela ny ela fa niraikitra ao an-tsaina ilay niainana sy hita tamin'izany fotoana izany.

Efa nalaza tamin'ny sarintanin'i Madagasikara tamin'izany Repoblika Faharoa izany ihany koa fa efa vita tsara sy vita tara ny lalan'ny fiara mampitohy an'i Moramanga amin'Ambatondrazaka. Voafitaka avokoa izay mpizaha tany nino izany sarintany izany rehefa nahita ny zavamisy. Tsy hita izany lalana vita tara izany. Ny zotra andalamby MLA kosa dia misy soa aman-tsara fa lany ny ora maromaro vao tonga amin'ny toerana ahatongavana. Ny tena mampiavaka an'io lalana io dia misy faritra toy ny samy mitady ny lalana ahatongavana amin'ny tanjona aleha ny fiara fa tsy misy arabe voasoritra mazava tsara. Asa iza taminareo no niaina sy nahatadidy izany toe-javatra izany?

Iraisan'ireo toerana roa ireo ny olana teo amin'ny fifamoivoizana an-tanety satria misy vondron'olona ilay lalana ratsy no mety aminy ka manao ny fomba rehetra ry zareo tsy hahavitana ny lalana. Tsy manana vondron'olona tahaka izany kosa ny ao Isahafa Anosy Avaratra. Azo andehanana ny lalana rehefa maina ny andro fa mihosi-potaka kosa rehefa avy ny orana ary manasa-dranjo na tonga amin'ny lohalika mihitsy aza ny rano amin'iny fefiloha atsinanana mampitohy an'Isahafa amin'i Lazaina iny. Misy tena misosasosa sy mibolisalisatra avokoa ny kodiaran'ny fiara sy ny kodiaran-droa ka mampianjera sy mampisy loza.  



Mba hahasarotiny ny olona amin'ny fanajana ny fotodrafitrasa no nananganana ny KOmitin'ny Lalana ISahafa (KOLIS) ao anatin'ny Kaominina Anosy Avaratra. Samy tsy hahavita tena samirery na ny KOLIS na ny Kaominina raha hanao ny lalana mampitohy mivantana an'i Lazaina amin'Isahafa. Tsy maintsy misy noho izany ny fiaraha-miombon'antoka sy ny fifanampiana. Ny rehetra no miara-mientana ary tsimialonjafy ny Komity. Raha ny tokony ho izy, tsy hiady hevitra amin'izany intsony ny taranaka mandalondalo ny toerana fa ny hanao izay hahavita tsara ny lalana sy tsy iverimberenana amin'ny fanamboarana azy no tanjona.




Misy noho izany ny fitadiavambola manokana hanatanterahana ny ampahany amin'izany lalana izany, izay tena ratsy no tsy maintsy vitaina alohan'ny irotsahan'ny orana. Sakafom-pifanohanana atao ao amin'ny Espace Ny Tiana ao Lazaina no hanatanterahina izany amin'ny Alahady 7 septambra 2025 (iray volana katroka androany izany). Asaina ianareo malala-tanana sy taranaka tia ny tanindrazana sy ny niaviana mba hanohana, hanampy ary handray anjara amin'izany sakafom-pifanohanana izany. Mifandraisa aminay, na amin'ny Sefo Fokontany Isahafa, na amin'ny Ben'ny Tanànan'Anosy Avaratra amin'izany fifanohanana izany. Mankasitraka antsika rehetra fa asa vadi-drano io ka tsy vita tsy ifanakonana.



Aza adinoina ny mitia ny pejy sy manjohy azy ka manaraka ny vaovao farany.
   



Commentaires

Lahatsoratra be mpamaky (30 andro)