Izaho sy ny Global Voices #KeepGVStrong

Tokony ho tany am-piandohan’ny taona 2007 tany ho any aho no nisy Malagasy iray mipetraka ao New York nifampitafa imailaka tamiko hanatevin-daharana fandikanteny anglisy ho teny frantsay tranonkala iray mba ho karazana fanampiany ahy, nanondroany ahy lalana iray mba hivoarako. Nazoto niblaogy teny malagasy aho tamin’izany ary mpamoaka vaovao avy teto Madagasikara. Be ireo Malagasy ampitan-dranomasina no namaky izany blaogiko izany ary tsy voatery hitovy hevitra amiko. 


Noho ny antony ahy manokana, nandà aho fa nilaza taminy hoe raha teny anglisy ho teny malagasy dia tena mazoto. Notazoniny tamin’ny teniko aho, nolazainy fa nanaiky ny tranonkala hamadika teny anglisy ho teny malagasy. Anisan’ireo voalohany nandray anjara tamin’io fandikan-teny anglisy ho teny malagasy io aho tao amin’ilay tranonkala. Io no nahitako voalohany ny Global Voices. Na dia nianatra teny anglisy ihany aza aho dia maro ireo voambolana somary vaovao tamiko ihany, satria voambolana ivelan’ireo nahazatra sy nifamezivezy teto an-tanindrazana sy ireo boky famaky tany am-pianarana. 

 
Nisokatra hahalala bebe kokoa ny zavamisy tsy voambara an-gazety loatra aho nanomboka teo, nilona tsikelikely tanaty tontolom-pisainana ankapobe fa tsy nionona fotsiny tamin’ny tontolon’ny kolontsaina sy teny malagasy mbamin’ny kolontsaina sy teny frantsay. Tsikaritra avy ao ihany koa ny fitoviana be teo amin’ireo olona miaina amin’ny tontolon’ny tany andalam-pandrosoana na tao Afrika na tany Azia sy Amerika Latina. Tena maro tokoa ny zavatra tsy voalazan’ny gazety ankapobe fa ny vavolombelona manoratra ny niainany no ahatsapana hoe tsy mba misy mpiresaka tokoa satria tsy hitan’ny tontolo tandrefana. Nezahina ireny hampitraka ny mpiray tanindrazana sy handrisihana azy ireo hivoatra ihany koa. Tsy nisy izay tsy nahatsapa fa anisan’ny navitrika tamin’ny famoaham-baovao ny Global Voices teny malagasy.

 
Maro koa ireo toe-javatra tokony hotantaraina nefa noho ny sivana sy ny fandrahonana dia tsy misy mpilaza. Ny Global Voices amin’ny alalan’ireo tantarainy no nahafahana milaza ankolaka na mivantana ireny tsy sahy lazaina ireny. Nisy ihany koa ireo zavamisy teto Madagasikara no nampitaina tamin’ireo namana sao mba ilaina tantaraina ihany koa. Nanontany tsara antsipiriany avy aty amiko ny sasany ary nandanjalanja ny mety avoaka sy ny tsia. Mba nanana anjara ihany izany ny tena nampahafantatra izay zavamisy teto an-tanindrazana ho an’ireo tsy miteny malagasy. 

 


 

Ankehitriny, miova tanteraka ny toe-draharaha. Malaza aoka izany ny Ilontsaina Arafitrolombelona (IA) sy ny toroheviny. Toa zary tsy iadian-kevitra intsony izay lazainy na dia mety ho misy fahadisoana aza. Vitany ampahan-tsegondra ny norantovina sy nandaniana ron-doha an-taonany maro. Toa zary lasa tsinontsinona ilay ezaky ny olombelona fa mahasolo ny vitany ny IA. Tandindonin-doza ny asa saina rehetra ary manetry ny olombelona tsy ho afa-mivoatra ny fangalarana sy saina sy hevitra ary ron-doha izay nisasaran-draolombelona.

 
Etsy ankilany, manelingelina ny sasany ihany koa ny fahalalaham-pitenenana, ny fahalalahana maneho hevitra, ny fahalalahana hahazo vaovao sy ny fitandroana ny zo maha-olombelona ka miezaka izy ireny manao izay hanapotehina ireo fikambanana mampiroborobo ny fampivoarana ny mahaolombelona. Voatery manao fitadiavam-bola amin’ny alalan’ny fitia tsy mba hetra avokoa ireo karazam-pikambanana ireo ary iharan’izany sy voatery manao izany ihany koa ny Global Voices izay mampita ny vaovao an-toerana ho amin’ny sehatra manerantany ary mampita azy ireny ihany koa amin’ny fiteny ampolony ary ao anatin’izany ny teny malagasy.

 


 

Mahavita ny vitany ny IA fa tsy mbola afaka ny ho vavolombelona manatri-maso hitantara ny zavamisy ivelanjotra aloha amin’izao fotoana izao. Ny olombelona ihany no afa-manao izany, izay nokirakirain’ny olombelona anjotra no angalarin’ny IA dia tahaka ny hoe mahavita inona izy. Manana ny kolontsainy tsirairay avy koa ny fiteny ka na misy aza ny milina fandikanteny, mbola miavaka sy mora fantatra ihany ny fandikanteny nataon’olombelona. Izany fomba fandikantenin’olombelona izany no lolohavin’ny Global Voices antampon'ny loha ary anasana anao hanampy azy ho amin’izay iraka manandratra ny mahaolombelona izany. Ampio izy amin’ny fitia tsy mba hetra fa raha manao izany ianao, misy mpandala teny sy kolontsaina malagasy ampianao miaraka amin’izany. Maro ireo olombelona ampianao miaraka amin'izany.

 

#KeepGVStrong 

Raha te-hahalala bebe kokoa moa ity fanentanana ity, miangavy midira ato 


Commentaires