Be ny nimenomenona tamin'ny herinandro fa niakatra izay tsy izy ny saran'ny aterineto eto Madagasikara. Tsy izay angaha no marina kokoa fa misy ny tolotra manokana omen'ny Orange Madagascar (Akama isankarazany) sy ny Telma (Faceboobaka anatin'ny yelow) idirana Facebook na/sy ireo tambajotra sosialy hafa. Nihena fatratra manko ny fatra azo, ny nahazoana 1 gigaoctets teo aloha manko dia 250 megaoctets sisa azony. Ny fahadisoan-kevitra matetika dia heverina fa ireo ihany no antsoina hoe aterineto.
Ireto aseho ireto ny pikantsarin'ny tolotra teo aloha momba izany
Fa mba manao ahoana kosa ny saran'ny aterineto aloa mialoha amin'ny ankapobeny? Nanao tahiry azy itony aho fa ny fahadisoako ary lazaiko etoana izany dia nosoloiko hatrany ny dosie isaky ny miova ny saran'ny tolotra, tratran'izany ny an'ny Telma sy ny an'ny Airtel. Ny an'ny orange irery ihany no tsy voakitika loatra satria io no fampiasako herintaona mahery izao. Niakatra tokoa ve ny vidiny sa nihena? Atolotra anareo ny eto ampelatanana.
Manao ahoana ny an'ny Airtel amin'ny tolotra Net Mlay
Manao ahoana ny tolotra Orange amin'ny tolotra Be Connect. Tsara ny manamarika fa nisy fiovam-bidy tamin'ny novambra fa nasiany soratra hoe "promo mandra-pahatonga ny 9 janoary 2022"
Manao ahoana ny tolotra Telma amin'ny tolotra telmanet hebdo
Manao ahoana ny tolotra Telma amin'ny tolotra telmanet mensuel
Fanamarihana:
- Niditra tamin'ity herinandro ity ny fiandohan-daharana 038 an'ny Telma ho fanampin'ny 034 mahazatra antsika, izay midika fa tena manana mpanjifa betsaka izy.
- Tsy miresaka famandrihana aho eto satria tsy maintsy mifanaraka herintaona na roa vao mety ho azo tapahina ny fifanarahana. Ny an'ny Telma aza moa raha hosina ny famandrihana nataonao dia mila mandoa 2.000.000 ariary amin'ny fotoana fanapahana ny famandrihana raha tsy nisy ny fiovana farany izay tsy arako.
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire