2.3.07

Lohalaharana ny FFKM

Dia nolazain’ny mpanao gazety ary fa ny FFKM no nahazo ny volavolan-kevitra fanitsiana ny lalam-panorenana voalohany miaraka amin’ny mpanao gazety. Nolazaina moa fa amin’ny manaraka ny fanontana faobe ho an’ny be sy ny maro.

Atao hoe marina tokoa ny nataon’ny mpitondra fanjakana nizara araka izay azo natao ka nanao laharam-pahamehana ny fampahalalana tamin’ny mpanao gazety. Dia tetika ihany koa ny nanomezana ny boky kely tamin’ny filoham-piangonana telo mirahalahy mianaka sy ny tonian’ny FFKM mety ho solontenan’ny filohan’ny EEM izay tsy hita teo amin’ny sary sady tsy nampahafantarina hoe aiza izy amin’izao fotoana izao.

Saingy ilay vondrona mpanao gazety no manao ny ataony indray amin’izao fotoana izao. Hita ho minia manao izay hampahadiso hevitra ny mpamaky na ny mpijery azy ireo hatrany ny sasany amin’izy ireo. Mifandray amin’ny resaka FFKM ihany isika eto ary tafiditra ao anatiny mazava loatra ny katolika.

Manahirana aloha ny mijery ny filohan’ny fjkm mihazakazaka mamaly ny fanontanian’ny mpanao gazety. Miady hisisika ihany koa ity lehilahy ity hampandany ny eny sahady. Hoy manko ny fiteniny hoe « tsy adala tsy akory ny mpitondra fanjakana manao ity fanovana ity, fantany ny mahasoa ny vahoaka ». Nahoana no tsy fantatra akory izay ao anatin’ny volavolan-dalàna no izany sahady no ambara ? ny nanamarinany ny teniny tamin’izany moa dia ny ilazany hoe tsy fifidianana olona ity tsinona. Mihevitra izy ao anatin’ny fomba fisainany fa afaka hanazava amin’ny mpiray fiangonana ny ao anatin’ny volavolan-dalam-panorenana.

Mety tsara kosa ny fomba famalin’ny arsevekan’Antananarivo manao hoe mbola tsy afaka milaza na inona na inona aho satria vao izao ity no azo ka mbola handinika azy tsara. Hiara-mijery izay ao anatiny ao isika. Zavatra hafa avy hatrany no inian’ny mpanao gazety sasany asisika toy ny hoe tsy miova amin’ny heviny ny katolika fa hanohitra io volavolan-dalam-panorenana io. Teny tafahoatra, teny fihantsiana ihany koa aza ary efa nahatonga ny arseveka niteny hoe aza ampitenenina izay tsy nolazainay izahay.

Maro ny olona no tafintohina amin’ny ataon’ireo mpanao gazety sasany ireo ka tsy nanafina ny fahatezerany tamin’ny alalan’ny antso finday na sofindavitra amin’ny fandaharana azony iadian-kevitra. Dia lasa indray manko ny eritreritra hoe iza indray no manome vola ireto sasany ireto mandranitra vondron’olona sy tsy menatra tahaka izao.

Aucun commentaire: