10.3.07

Hiakatra ny vidim-pidirana?

Ny fihaonan’ny Barea voalohany

Dia miverina kely amin’ny resaka baolina fandaka indray aho eto. Na ahoana manko na ahoana dia efa mitaintaina fatratra amin’ny fihaonan’ny Malagasy sy ny Ivoariana ny mpanakafy ity taranja ity. Heverin’ny maro fa tratra aoriana ihany ny fikarakarana ireo mpilalaontsika amin’io lalao ho avy tsy ho ela io. Tapa-bolana sisa dia ho avy ilay andro malaza…

Arahin’ny mpanara-baovao sady mpankafy fatratra ny fivoahan’ny Barea amin’izao fotoana izao. Nihaona tamin’ny alakamisy teo tao amin’ny kianjan’i Mahamasina ary ny Barea sy ny Ajesaia. Ny Barea dia vao tamin’io fotoana io mihitsy vao hiaraka…tsy mbola niara-nizatra tamin’i Jean Rossignol akory aza. Ny Ajesaia kosa dia efa hatramin’ny fahazaza no efa niara-nilalao. Mazava avy hatrany ny vokatra fa tsy ho izay niriana mihitsy. Mahagaga anefa ny fihetsiky ny maro, araka ny gazety sy ny tenin’ny mpanao gazety mihitsy.

Mitovy hevitra amin’ny mpanazatra mihitsy aho ka atao hoe « afa-po » ihany amin’ilay vokatra. Rehefa tsy resy be dia tsy mbola hitako loatra aloha ny olana. Ireo mpilalao nantsoina ihany koa efa hitakitako ihany ny filalaon’ny maro. Ny fahaiza-miaraka no tena vato misaka amin’izy ireo. Raha miray fo sy saina tsara amin’ny fiarahana sy ny tanjon-ko tratrarina dia azo atao ihany y mandingana azy. Efa adino rahateo manko ny nampivondrona azy fony mbola tany amin’ny sokajy zandriny tany nefa misy ihany ireo tafara-dalana sy tafara-dalao fony fahakely.

Mihevitra aho noho izany fa masiaka loatra ireo nijery tamin’ny alakamisy raha iny andro iny ihany no itsarana ny fahaiza-manaon’ireo mpilalao nantsoina ireo. Nefa azoko indray ny fihetsiny raha ny mahazatra azy no nataony. Na iza na iza manko solontena malagasy hiatrika ny sehatra iraisam-pirenena dia tsy fanaon’i Mahamasina mihitsy ny manohana ny ekipany. Sedrainy amin’ny tsi-fanohanana ihany koa ny mpilalaony. Ny mpanao gazety angamba no mety ho vahiny amin’izany fomba izany satria mpiseraserana no ataon’ireny fa tsy hijanona amin’ny toerana iray mihitsy izy afa-tsy noho ny fitiavana manokana angaha.

Ny vidim-pidirana

Namoaka tamin’ny lohateny lehibe ny gazety taratra fa hisondrotra avokoa ny vidim-pidirana ao Mahamasina amin’io alahady 25 marsa 2007 io. Ar50.000 ny eo amin’ny lampivato misy fialofana afovoany (vakio hoe tribune centrale), Ar15.000 eo amin’ny lampivato misy fialofana andaniny sy ankilany (vakio hoe tribune laterales) ary Ar5.000 kosa amin’ny lampivato daninin’ny hainandro (vakio hoe gradins). Rehefa fihaonana anatiny moa dia Ar1000 no fidirana amin’ny lampivato daninin’ny hainandro, Ar2000 amin’ny lampivato misy fialofana andaniny sy ankilany ary Ar5000 ho an’ny lampivato misy fialofana afovoany. Ny mahazatra kosa rehefa fihaonana iraisam-pirenena dia Ar2000, Ar5000 ary Ar10.000 ireo vidim-pidirana ireo.

Amiko manokana dia ekeko io vidim-pidirana io mba hihaja kokoa ilay lalao ary mba ho tena mpitia no handeha eny. Ny fampisehoana rindran-kira aza moa efa Ar4000 ny fampisehoana ankalamanjana eto Antananarivo raha kely indrindra nefa dia ery amin’ny vovoka be ery, ny any anaty trano kosa efa Ar10.000 na Ar15.000 eny ny faraparany teo aza misy Ar20.000 mbola ifampitadiavana ny tapakila hovidiana risoriso Ar40.000 ka hatramin’ny Ar100.000. Koa rariny ihany amiko raha hakarina ihany koa ny vidim-pidirana amin’ity indray mitoraka ity.

Resaka teo ampiandrasana lalao manko no efa nilazan’ny sasany fa hilahatra tapakila dieny amin’ny 4 ora maraina ny sasany. Mety ho misy ihany koa ny hahavita hiari-tory hilahatra amin’ny 6 ora hariva dieny Sabotsy mihitsy…indrindra ireo te-handafo tapakila lafolafo kokoa sitrany ahay bizna hoy ny fiteny mahazatra ka tadiavina izay hamerana ny fihavian’ny mpijery araka izay azo atao.

Na izany na tsy izany mbola mety ho lesoka hatrany ny fampidirana olona. Misy hatrany manko ireo mitondra karatra maha-mpitandro ny filaminana azy ireo miaraka amin’ny sipany ( toa vitsy ihany ny tena miaraka amin’ny vadiny tsinona) samy tsy mandoa vidina tapakila ka anisan’ny mahafeno haingana ny toerana fijerem-baolina. Mila dinihina ny amin’io. Ireo boaikely aman’arivony moa efa tsy hita koa izay hanaovana azy, tsara kokoa angamba hasiana tapakila manokana mba ho ny tena mitondra zanaka no mampiditra azy ireny. Misy manko efa 14 taona mbola atao toy ny manaraka olon-dehibe hatrany.

Averiko mandrakariva ihany koa ny tokony hananan’ny mpijery rehetra tapakila azo savaina na dia eny ampijerena baolina aza. Ny eny amin’ny lampivato misy fialofana afovoany ihany manko no nolazaina fa atao sosony telo fa ny hafa kosa tsy nolazaina mihitsy. Manaraka izany dia tsy azoko loatra ilay fanakanana tavoahangy tsy hahazo miditra ny kianja. Tsara hazavaina bebe kokoa mba tsy hisian’ny fifandirana loatra.

Tokony hazavaina tsara ohatra fa ny tavoahangy fitaratra no tsy mahazo miditra, ny zava-pisotro misy alikaola ihany koa dia tsy mahazo miditra. Ny safobemantsina hoe ny tavoahangy tsy mahazo miditra (na ny plastika aza ve) dia tena tsy ho eken’ny rehetra mihitsy. Na iza na iza mpijery baolina dia mitondra tavoahangy misy rano avokoa noho ny hafanana. Izaho aza dia tavoahangy roa mihitsy no entiko ary entiko mody manaraka ahy avokoa ireo tavoahangy (plastika) roa ireo. Tsy tia toratoraka rahateo aho ary tsy avelako atoratoraka ny tavoahangiko.

Aucun commentaire: