21.2.07

Traboina ny firenena manontolo

Izay no tapaka tao amin’ny fivorian’ny governemanta omaly noho ny firotsahan’ny orana be loatra manerana ny firenena teo ho eo. Marina fa efa nitsahatra ny orana nanomboka ny alatsinainy teo fa na dia izany aza dia tena nitobaka tokoa teo ho eo ny rano. Araka ny fantatra sy nampitaina tamin’ny mpihaino dia noho ny fiakaran’ny hafanana any amin’ny ranomasimbe pasifika no miteraka fiantraikany lehibe aty amin’ny ranomasimbe indiana. Io fiakaran’ny hafanana io indrindra no niteraka ny orana isan’andro hatrany Malaysia, mandalo eto Madagasikara mihatra hatrany Afrika mihitsy. Anisan’ny vokatry ny fikorontanan’ny toetr’andro izany io orana nampitondra-drano an’i Indonezia ka mananontanona eto Madagasikara io.

Rehefa notapahina izay mahafirenena traboina ny firenena manontolo izay dia mampahafantatra tsara ny lanjan’ny « fikorontanana » mbola misy eto amin’ny firenena izay. Tsy hoe mikorontana misy ady na fifandirana no tiako lazaina eto fa mbola mifantoka any amin’ny zavatra hafa ny sain’ny maro eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Tsy mety mivarotra ny voka-bariny ny tantsaha any amin’ny faritra maro noho ny fanahiany fa tsy ampy ny vokatra manerana ny firenena. Tsy mitandrina mba hahalafo kokoa ny variny izy amin’izay fotoana izay fa miahy sao dia hividy lafo kokoa raha mivarotra « mora » amin’izao fotoana izao.

Fa raha nolazaina ihany koa izany fanapahan-kevitra izany dia manamarika fa ny minisiteran’ny atitany no voakasika mivantana. Hisahana raharaha mafana betsaka noho izany ny praiminisitra sady minisitry ny atitany misahana ny fifidianana sy ny famonjena voina. Heverina fa raharaha goavana ny fifidianana ary raharaha mafana kosa ny famonjena voina. Tsy mbola mahavita tena i Madagasikara fa mpitady fanampiana lava. Ny aiza izao no hangatahana fanampiana ? Ny famonjena voina sa ny fikarakarana ny fifidianana hitsapana ny hevi-bahoaka amin’ny alarobia 4 avrily ho avy izao ? Dia miandry aho ny amin’ny fanapahan-kevitra manaraka na hatao andro tsy fiasana nefa andraisan-karama io andron’ny 4 avrily io na ahemotra amin’ny fotoana manaraka mahametimety azy kokoa ny fifidianana.

Hitarafana ny fahatsora-pon’ny mpitondra ankehitriny ihany koa io fanekena fa tratry ny voina ny firenena manontolo io nefa hisisika hampanao fifidianana ihany izy. Fifidianana izay tsy voafaritry ny lalàna manokana ny andro hanaovana azy amin’ny mahafitsapa-kevi-bahoaka azy. Etsy ankilany ny vahoaka koa tahaka ny tsy mbola hifantoka amin’izany resaka izany mihitsy…afa-tsy hoe tiana hasisika moramora ny fanovana hahalany azy tsy fantatry ny olona ny vontoatiny. Ny zavatra mahafinaritra kosa aloha amin’izao fotoana izao dia miezaka hampita amin’ny maro ny andininy rehetra tsikelikely ny haino aman-jery « matotra » eto amin’ny tanàna amin’izao fotoana izao.

Aucun commentaire: