4.7.12

Ny Tarigetra

Kalokalo no ventsoina
fa tsaroana
ny tenanao, ny tsikinao

Izany teny fanesoana
toa foana
raha tsipalotro ianao

Lasa lavitry ny tsetra
sy joretra
ny mitoetra anilanao

Igohako ny mamy rehetra
tsy misy fetra
ny fiarahako aminao

Tsy mba haiko soloina
na vonoina
izay nanaitra taminao

Izao fiainana anoloana
tsy tsapa intsony
fa sarobidy loatra ianao

Tanjotsika imasoana
ny tarigetra
handeha hiara-ko doria e!


Jentilisa
15 novambra 1991


-68-

Aucun commentaire: