11.11.11

Mitambatra ny lisitra Zafy sy Ravalomanana?





Araka ny hita an-gazety androany dia nanome lisitra iraisana hatolotra minisitra indray ny Ankolafy roa tonta Zafy sy Ravalomanana. Misy ny milaza fa nahazo antoka tsara ny lehiben'ankolafy Ravalomanana vao nanaiky nanome lisitra.

Ny eritreritro dia hoe tsy tamin'ny nanolorana praiminisitra tokoa ve no tsara nanaovana izany raha hanambatra lisitra ihany fa nahoana no aty amin'ny fanolorana olona maro indray vao hanambatra lisitra? Inona moa ny olona raha tsongaina hofidiana avokoa ny avy amin'ny lisitra Zafy dia ajanona ny lisitra Ravalomanana? 

Voasoratra fa omena seza Praiminisitra lefitra iray ny ankolafy Ravalomanana. Koa raha izay ihany no azony dia manakory? Mety misy fifanarahana tokoa any ambadika any fa tsy maintsy lasa ihany ny saina. Mbola miahiahy loatra manko ny ankamaroan'ny olona no misy izao fampitambarana lisitra izao. Enga anie tsy ho fahadisoana miampy fahadisoana intsony izao fihetsika izao. Atoa Mamy Rakotoarivelo moa no nanasonia avy amin'ny ankolafy Ravalomanana ary Zafy Albert kosa ny avy amin'ny ankolafy Zafy.

Aucun commentaire: