21.1.22

Tahaka ny hoe nosimbaina ilay lalan'Isahafa

 Olana iray iainan'ny mponin'Isahafa sy ireo hafa  manodidina azy avy amin'ny kaominina Ambohimanga (Malaza, Iavoambony, Anosiarivo...) ny lalana mampitohy azy amin'ny tanàna hafa. Iray amin'izany sady mahazatra indrindra ny lalana mampitohy an'Isahafa amin'i Lazaina izay miray ao amin'ny Kaominina Anosy Avaratra rahateo.

Haiko tsara io lalana io satria falehako efa ho isan'andro. Mahatsiaro ho faralahy sy tsy hitan'ny olona loatra Isahafa satria amin'ireo fokontany dimy mandrafitra ny kaominina dia ny ao Isahafa irery no tsy tongan'ny lalana rarivato. Tsy mahagaga raha io lalana io no fototry ny fanentanam-pifidianana tamin'ny fifidianana ho Ben'ny tanàna farany teo sady anisan'ny nahazoan'ny Ben'ny tanàna amin'izao fotoana izao vato be indrindra sy nahazoany indray io toerana io.

Ekena tokoa fa tokony asiana rarivato ny lalana eo maitsoririnina mampitohy an'i Lazaina amin'Ambohimandroso (anatin'Ambohitrinimanga) sy ny lalana mampitohy an'i Lazaina amin'Ambohitrinimanga izay mandalo ny FJKM Ranivo Maritiora, fa ny tsy mba ahazoan'Isahafa lalana rarivato feno mihitsy no niheverany fa io no voalohan-daharana.

Rehefa fotoana manorana no tena ahitana ny aretina ka dia hita tokoa ny aretina eo amin'ny fiakarana/fidinana avaratra andrefan'i Lazaina. Raha ny fahazarana teo aloha dia tokony ho azoazo ihany ny lalana saingy nahavariana fa tena niharatsy sy misosa mampianjera izany ankehitriny raha mitondra môtô ka mahatonga ny ahiahy hoe sao dia vao maika nosimbaina ity lalana ity noho ny antony hosoratana manaraka etoana.

Ny marainan'i asabotsy 15 janoary nisian'ny fihaonana teo amin'ny kaominina sy ny fokonolon'Isahafa dia nisy nandraraka ranontany izay nahitana poti-biriky, sisam-biriky amina kamiao ny tohin'ny lalana faran'ny rarivato eo Lazaina sady faran'ny bus eo anelanelan'ny lalana tambohogasy. Gaga ny tena hoe tsy tokony natao izao io lalana io fa vao maika hanimba azy, hokaohin'ny riaka io dia vao maika ho feno ranontany mivadika ho fotaka ny lalana.

Tsy niteny ilay olona nanao io zavatra io aho fa noheveriko ho tompon'andraikitry ny kaominina izy matoa nanao izany. Etsy ankilany ihany koa moa somary nohalalininy sy nataony mazava kokoa ny tatatra fanarian-drano. Tsy diso anefa ny ahiahy fa tena nampalama/nampibolisatra ny moto tokoa ilay lalana rehefa tratran'ny orana/erikerika mahatondra-drano tamin'ny fotoana nandalovana. Tsy hitako tamin'ny fihaonana anefa ilay ramatoa niandraikitra io fanotorana io.

Ny zavatra tsara iray kosa, eo amin'ny faran'ny lalana anelanelan'ny tambohogasy misy fiolahana mianavaratra andrefana dia nisy nandraraka vatokely izay tena nilaina tokoa mba ho marindrano kokoa ny lalana. Ity kosa noderaiko satria tena nety ny nataon'izay nanao azy satria faritra iray nampikitrakitrana fiara sy moto mihitsy ny teo.

Ny faran'ity fidinana ity moa no mampikolay ny rehetra sy ratsy indrindra amin'io lalana io. Tena mampisosa ny moto sy ny fiara eo ary mampitohana ny fifamoivoizana ihany koa noho ny fotaka mandrevo. Teto no nisian'ny olana indrindra hatramin'izay nandehanako tamin'io lalana io satria mikitoatoana loatra ny lalana eo. Ny antony voalohany, noho ny fiampitan'ny riaka amin'ny lalana.

Raha tokony hiankavanana hatrany ny rano amin'io fidinana io (midina izany hoe avy any Lazaina). Dia nisy nanao fivarinandrano niankavia, na nisy nanao sisindalana rarivato mandefa rano miankavia, nefa kaohin'ny rano ny tany ka tsy mety mankany fa lasa afovoan-dalana somary ankavia. Rehefa tonga eo amin'ny faran'ny fidinana anefa dia tsy maintsy mivadika miankavia daholo ihany ny lalan'ny rano. Lasa misy karazana tatatra vinaninany mandavaka lalana noho izany ka mampananosarotra ny fandalovana eo.

Rehefa mahazo ny marindrano indray dia lasa lalandrano ara-bakinteny ny lalana eo amin'ny 70-100m eo ho eo satria misy manakana ny tokony ho fivarinandrano ary nisy nanaisotra ny tatatra manelanelana ny arabe sy ny tanimbary/tanimboly andaniny sy ankilany. Manasa-dranjo mihitsy izany rano izany rehefa avy ny orana satria amin'izany lalana/tatatra izany avokoa ny rano hatrany amin'ny CEG Lazaina no mivarina.

Ny fanakanan'ny olona ny rano tsy hivarina tamin'ny tatatra teo aloha fa nesorin'ny tompon-tanimbary angamba, no mampiandrona ny rano rehetra amin'iny vahalavan'Andranofosy/Andranomasina mampitohy an'i Lazaina amin'Isahafa iny ka manimba ny lalana haingana. Ankehitriny, tsy misy dikany ilay fiarovana ny tanimbary nataon'ny olona, rehefa nanaisotra ny tatatra ivarinan'ny rano avy eny an'arabe satria difotra tanteraka tsy misy hita intsony ny vary nambolena. Mena volontany ny rano manafotra ny tanimbary. Amiko manokana karazana fitiavan-tena nataon'ny olona nefa vao maika nanimba ny voliny ilay fihetsika tsy te-hitsinjo ny lalana, izay soa iombonan'ny rehetra ihany.

Nahagaga ahy moa fa lasa ratsy tanteraka ihany koa ny aloha sy aorian'ny tetezana andrefana alohan'ny idirana amin'i Isahafa sy na Malaza. Lasa namotaka tanteraka nefa tsy nanao izany mihitsy io teo aloha. Asa iza indray sa ny fiarabe mpandalo eo no nampandrevo ho fotaka ny lalana izay tsy naninona loatra na dia avy orana aza? Izay no mahatonga ny fehinteny sady lohateny hoe tahaka ny nosimbaina ilay lalan'Isahafa. Tsy miteny aho hoe iza no nanimba na andraikitr'iza no nahasimba azy fa rehefa ny fanamboarana koa no tsy tontosa hatramin'ny farany dia naman'ny manimba ihany.

1 commentaire:

YVESRAKOTO a dit…

Tsy saropiaro amin'ny tananany ny olona ka manararaotra ohatran'ny banga mihomehy alina ireo olona manototra na manao izay hampamotaka ny lalana. Eo koa anefa ny hatezerana satria tsy tanteraka ny fampanantenana !