25.1.22

Ambodisiarivo, tanàna natao sorona hanavotana an'Antananarivo

 Tsy olona akory io fa tanàna iray aty Avaradrano aty ao anatin'ny kaominina Ambohimanga Rova. Misy tanàna miray/mifanila amin'io tanàna antsoina hoe Ambodisiarivo io tokoa manko natao sorona mba tsy ho difotry ny rano noho ny rotsak'orana sy ny fiakaran'ny rano Antananarivo sy ny manodidina azy.

Asa raha nisy ny nahamarika ny mpanara-baovao hoe amin'ilay lalana rarivato mampitohy an'i Antsofinondry/Anosy Avaratra amin'i Vavafolo/Ambodifasina dia nasian'ny APIPA/JIRAMA fitrohan-drano avy ao amin'ny ilany atsimo ho avadika amin'ny ilany avaratra. Ny fiantraikan'izany no fantatra fa difotra tanteraka ny tanàna iray ary noterena ho tra-boina avokoa ny mponina rehetra ao aminy mba tsy hiakatra loatra intsony ny rano ao Antananarivo renivohitra ka hampihena ny isan'ny tra-boina any. Lakana telo no mampita ireo olona ireo ho eo amin'ny toerana mangadihady nasiana tranolay.

Tsy hisy hilaza izany vaovao izany amin'io fomba hanoratako azy io fa izay no fahatsapan'ny olona maro aty amin'ny tanàna manodidina azy ka nisy ny nangataka taminay mba hanaovana fanangonan-tsonia an'ireo mponina avy aty amin'ny faritra sasany aty Avaradrano sy Ambohidratrimo (satria akaiky azy koa Ambodifasina atsimon'Ambatolampy Tsimahafotsy) malahelo amin'ny fanaovana sorona tanàna io noho ny hadalàn'ireo mpanototra tany sady tsy miraharaha lakandrano ivoahan'ny rano ao Antananarivo sy ny manodidina azy ao. Voatery namaly izahay fa soa fa efa nidina ambany dia ambany ny haavon'ny rano ka antenaina hody haingana sy mba honerana amin'ny zavatra very noho ny nanaovana sorona azy ireo mponina mizaka ny mafy ireo.

4 commentaires:

Unknown a dit…

tu as les coordonnées GPS?

jentilisa a dit…

Tsy misy anarany marina eo amin'ny Google Maps fa atsimon'Anosiarivo no misy an'io Ambodisiarivo (ambany raha ny sary) io. Tsy mety tafavoakako ny fangitra jeografika.

svetlanadia a dit…

Misaotra manatitra hatrany n'y karazambaovao eto.

jentilisa a dit…

Ambodimanga ny anaran'ilay toerana...