3.7.12

Ahitako Fifaliana

Ny salovan-tavanao
no manolotra firariana
tsy lany hamamiana

Izato teninao
toa hira mahaliana
tsy mahasondriana

Ny tenanao
toa sary mahavariana
ahitako fifaliana

Ny hamamiana?
toy ny ranon-tantely
tsy hogohiko afa-tsy ao amin'ity saha iray

Ny hira mahasondriana
ao ilay hiram-boronkely
izay efa nofisina hatramin'izay

Ilay sary mahavariana
aloky ny tsinganan'anjely
hotiaviko mandrakizay


Jentilisa
Novambra 1991


-67-


Aucun commentaire: