4.3.07

Tsy maintsy mijery

Omaly sabotsy moa no nifandona amin’ny taranja baolina fandaka ny Ismaily avy any Egypta sy ny Ajesaia avy eto Madagasikara. Hanihany moa ny nilazako hoe Isaia (Izaia) sy Ismaely izany no hikatroka satria ny anarana Ajesaia dia mifanakaiky tokoa amin’ny anarana hoe Jesaia izay Isaia(h) ihany no dikany.

Noho ny asa dia tsy afaka nijery manontolo io baolina io aho. Na dia izany aza dia niezaka ny hahatratra ny faramparan’ny lalao ihany aho. Nisy tsikaritro tamin’ny fahitalavitra ihany koa ny miniotra vitsy nahafahako nitsipalotra teny. Azo lazaina fa nifandanja vinany ihany ny baolina na dia hita ho mitavozavoza kokoa aza ny malagasy ary lavalava kokoa ny Egyptiana.

Hita ihany koa fa rehefa te-hanala tahotra ny malagasy dia las diso mampidera fahaizana fotsiny hoe mahafitaka nefa dia lasa adino ny manolotra ny baolina any amin’ny namana. Rehefa manao valim-panafihana anefa ny Malagasy na manafika haingana dia matetika mbola mitohy hatrany ilay fianjerana efa « mahazatra » na ny mibolisatra ka manajary tsy amhita olona hafa anolorana baolina ilay mitondra azy. Mbola ezaka hafa ihany koa io.

Hita fa mbola mila tezaina tsara ny toe-tsain’ny mpilalaontsika ary rehefa milalao ka voafitaka ohatra na voadingana dia miezaka hatrany manenjika ny baolina fa tsy hijanaona eo amin’ny toerana nahavoafitaka.

Nilaza moa aho hoe nampitaina mivantana tamin’ny fahitalavitra ny baolina. Ny Egyptiana no tena nangataka io mba hampitaina any amin-dry zareo izy io ka nandoa ny vola fandoa amin’izany ry zareo. Efa ela tokoa manko ny tsy nahita mivantana izany ny malagasy eto an-toerana. Re fa $7000 no naloan’ny Egyptiana tamin’ny FMF ka ny $5000 dia natolotry ny FMF an’i Ajesaia fa ny $2000 kosa notazoniny.

Manaraka izany ny amin’ny lohateny, efa resy 1 noho 2 teo am-pialan-tsasatra ny malagasy vao hiainga avy ao am-piasana aho. Dia niteny ny namana hoe inona intsony ny ilana andehanana any sa hijery faharesena any ? Dia namaly moa aho hoe na resy sahal amin’inona az dia tsy maintsy tonga any aho. Fitiavana ny ahy. Tsy nahazo toerana intsony moa aho fa hipoka tanteraka ny kianja. Mitsingitsingy ambadiky ny olona ambany « gradins » sisa azoko natao. Mbola holazaiko tsara moa ny zavatra tiako ambara manaraka fa sao tsy mahazo tapakila eto aho fa amin’ny manaraka indray !

Aucun commentaire: