9.3.07

Lalam-pitondrana

Na dia tsy te-hikitika politika avy hatrany ny tena raha ny marina fandrao misy milaza manao fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana dia alefa hatrany ny hevitra. Araka ny hitantsika mpanaraka ny toe-draharaha politika moa dia saiky nanova lalam-panorenana avokoa ny filoham-pirenena nitondra teto Madagasikara. Na hevitra hanamafisana ny seza izany na hevitra mety hitondrana araka izay mety ny firenena ho amin’ny fampandrosoana tokoa dia hafa hatrany ny hevitry ny maro an’isa. Ny maro an’isa eto an-toerana izay mimenomenona ihany saingy hafa ihany ny vato arotsaka rehefa tonga ny fotoana hamitana adidy iray.

Momba ny rafi-pitondrana sy ny fampitomboana ny taom-piasany na fampihenana ihany koa ve no resaka sa famaritana ny endriky ny fitsinjaram-paritra « vaovao » ? Toa samy manana ny tiany ny tsirairay amin’ny mpitondra ny firenena. Toa tsy hitsahatra hitombo laharana mihitsy ny isan’ny Repoblika eto Madagasikara ary hifanisa amin’ny isan’ny Prezidà hitantana ny firenena. Ny Repoblika fahatelo no mody misy hoe tapany voalohany, tapany faharoa ary ho avy ity ny tapany fahatelo saingy raha ny tena marina mety hiditra amin’ny tapany fahaefatra isika amin’ny volana Aprily ho avy io. Ny Nanovan’ny Profesora Zafy Albert ny fomba fanendrena ny Praiminisitra no tapany faharoa manko ary ny nanovan’ny Amiraly Didier Ratsiraka ny andininy maro ka nanovany mihitsy ny faritra ho faritany mizaka tena indray no tapany fahatelo. Oviana re vao ho tafajanona maharitra tsy isaina intsony ity Repoblika miova laharana matetika ity e ?

Teo am-pieritreretana izay aho no nanana hevitra mbola ho sarotra ny handresy lahatra azy saingy aleo lasa aloha lavitra be toy izay tsy nahatafavoaka ny hevitra mihitsy. Hoy aho hoe maninona moa raha misy ny lalam-pitondrana atao mifanila amin’ny lalam-panorenana ? Raha amin’ny fanazavana tsotsotra mialoha dia tahaka izao : Lalam-panorenana ihany izy io fa fanorenana azo ovaina ka ny mpitondra no mamaritra izay endrika hitondrany ny firenena amin’ny fitsinjaram-paritra sy ny fitsinjaram-pahefana ataony. Na rafitra hofidiana no rafitra apetrany any amin’ny faritra na faritany na rafitra hotendrena. Io Fanorenana azo ovaovaina io no tiako lazaina hoe lalam-pitondrana.

Ny halavan’ny fotoana hitondrana sy ny isan’ny fe-potoana azo itondrana ary ny momba ny fahefana telo kosa dia tsy tokony hiova mihitsy ka iny no mipetraka amin’ny lalam-panorenana. Ny fomba fifidianana ny filoham-pirenena, ny depiote ary ny Ben’ny tanàna kosa no tena faritan’ity tsy tokony ovaina ity mihitsy.

Inona moa no tiako apetraka anatin’izay ? Ny mirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena tsirairay dia tsy maintsy mamaritra mialoha ny endri-paritra tiany hitondrana ny firenena sy ny fanendrena na fifidianana azy ireo. Farafaharatsiny amin’izay fotoana izay rehefa tsy mitondra ny programan’asany izy dia manana adidy hilaza io endrika tiany hitondrana ny faritra na faritany tsirairay io. Miaraka amin’ny mpitondra tsirairay izany ny rafitra fitsinjaram-pahefana entiny.

Ny lalam-panorenana kosa dia mila ny faneken’ny 3/4n’ny mpifidy nandrotsa-bato, fa tsy mpifidy voasoratra anarana, ary kaontiana ny vato fotsy amin’ity tranga ity, vao afaka miova. Ataoko fa amin’izay fotoana izay efa eken’ny maro an’isa tsara ny zavatra atolotra vao afaka miova.

Aucun commentaire: