20.2.07

Hahasahy hampanao tsia ve ?

Efa re moa izany fa amin’ny fiandohan’ny volana avrily izao sahady dia hotontosaina ny fitsapa-kevi-bahoaka momba ny lalam-panorenana hahitsy. Haingana dia haingana ny fizotran’ny toe-draharaha amin’izao fanapahan-kevitra izao. Ny volavola aza tsy hita akory dia efa tonga ny daty hanatontosana ny fandatsaham-bato. Raha mampitamberina ny antony nampandrosoana ny fifidianana ny mpitondra ankehitriny dia hahagaga ny mpanara-baovao politika raha ao anatin’ny fotoana tokony nanatontosana ny fifidianana ho filoham-pirenena indray no hanatontosana ity fitsapa-kevi-bahoaka ity. Raha ny voatondron’ny lalàna manko dia ny 6 mars- 6 avrily no voafaritry ny lalàna hanaovana ny fifidianana ho filoham-pirenena. Iny efa naroso tamin’ny 3 desambra lasa teo iny moa ilay fifidianana avy eo.

Ankehitriny kosa indray dia ny alarobia 4 avrily ho avy izao no hotontosaina ny fitsapa-kevi-bahoaka. Tsy marina indray ve izany ny fanazavana fa tsy mety raha atao ao anaty orana ny fifidianana na fandrotsaham-bato ? manaraka izany ihany koa ny tsy fahavononan’ny famolavolana akory amin’izao fotoana izao…Ambaraky ny efa tsy ampy telo volana intsony ny fotoana hanatanterahana azy. Tahaka ny zavatra atao tefitefy maika tiana ho laniana haingana no hatao.

Etsy ankilan’izay dia miezaka mba hampijoro mandrakariva ny Antenimieran-doholona ny filohany ankehitriny Rajemison Rakotomaharo. Ao ny antony ary fantany fa hofoanana io andrim-panjakana iray io matoa mikofokofoka tahaka izao ny lehilahy. Dia lasa ny saina mieritreritra hoe raha toa ka foanana tokoa io andrim-panjakana io, hahasahy hampanao tsia ny mpifidy ve ny lehilahy na dia mpiray antoko amin’ny filoham-pirenena aza ?

Izaho moa efa novakianareo ihany angamba ny volavola narosoko fa tiako hijoro ihany io andrim-panjakana io na dia hisy fiovana amin’ny fomba fitantanana azy aza. Ny tena toheriko moa mazava be fa ny rafitra fokonolona. Hatramin’izao manko dia mbola mitoetra ary mampatahotra mafy ny filohan’ny distrika ny fomba fitantanana ny sefom-pokontany. Fa na fidiana mivantana io na tendrena dia fandaniam-bola mihoatra noho ny fandaniana heverina ho nataon’ny faritany mizaka tena aza ka tena mifanohitra amin’ny hevitra voalohany natao hanamaivanana kokoa ny fihisatry ny raharaham-panjakana.

Aucun commentaire: