Izay mivaro-tsafidy, manary zo amin'ny fifidianana
Izay mivaro-tsafidy, mamarotra tanindrazana
tsy mendrika ho olom-pirenena, fa nanandevo tena
fa mendrika ny ho very zo satria mandraraka ilo mby an-doha
Izay mivaro-tsafidy, mamarotra firenena
Izay mivaro-tsafidy, mamarina ny firenena
tsy mendrika ho olom-pirenena, fa nanandevo tena
fa mendrika ny ho very zo satria mandraraka ilo mby an-doha
Izay mivaro-tsafidy, mampitondra ny mangidy
Izay mivaro-tsafidy, mendrika lamboridy
tsy mendrika ho olom-pirenena, fa nanandevo tena
fa mendrika ny ho very zo satria mandraraka ilo mby an-doha
Rohim-Bolongana
▼
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire