TANTARAO ISAN'ANDRO : Ezaka fitantarana ny zavamisy eto Madagasikara na an-drenivohitra na ambanivohitra sy fanehoan-kevitra amin'ny maha-olompirenena malagasy mifanaraka amin'izany na tsia
Rohim-Bolongana
▼
2.5.12
Misy tsy misy
Misy tsy misy
taloha no nisy
fahatsiarovana sisa
Misy tsy misy
lazainy fa misy
lainga nosinisy
Misy tsy misy
takiana ho misy
ho filan-kisa
Misy tsy misy
saingy mety hisy
anaty visavisa
Misy ny misy
misy fa indrisy
efa masiso
Misy ny misy
irìna tsy hisy
fa manala paradisa
Misy ny misy
lazaina ho tsy misy:
risoriso!
Nefa raha ny misy
no lazaina ho tsy misy
dia ho inona sisa?
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire